Tranomboky Kely Mahefa Be ao Grenada

West Indian Stories. Photo by Flickr user coconinoco. CC BY-NC-ND 2.0

West Indian Stories [Tantara Indiana Andrefana]. saripikan'ny mpisera Flickr coconinoco. CC BY-NC-ND 2.0

Misy tranomboky iray ao Grenada izay miala amin'ny mahazatra. Mpanoratra iray, vondrom-piangonana ary vondron'olona ifotony manao asa sosialy antsoina hoe Groundation Grenada no nanangana azy. Tranomboky kely  mampiroborobo ny kolontsaim-pirotsahana an-tsehatra izay tsy mahazatra any Karaiba sy mandrisika ny tanora tsy hiditra an-tsehatra fotsiny ihany fa ny hianatra sy ny hitia ny famakiam-boky ihany koa ny Mt. Zion.

Tena mivoitra tokoa ny fifantohan'ny tetika amin'ny tanora indrindra raha jerena ny tatitry ny Fivelarana Mahaolona ao amin'ny United Nations Development Programme [fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana] tamin'ny 2009 manondro an'i Grenada ho manana ny taham-pahantrana ambony indrindra amin'ireo Firenena ao Karaiba miteny anglisy. Ny tanora no tena iharan'izany indrindra, noho ny toe-draharaha ara-toekarena manana ny fiantraikany eo amin'ny fandehanana mankany an-tsekoly sy ny resaka mety hahazoan'izy ireo asa. Amin'izao fotoana izao dia mahatratra hatramin'ny 40 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asa.

Mt. Zion, anefa, dia miezaka mametraka ny raharahan'ny tranomboky ho safidy azo iainana, ary ny tombony dia ny taranaka vaovao iray manontolo lasa mankafy famakiam-boky.

Groundation Grenada mizara ny ohatra iray amin'izany: Alesia Aird, 20 taona, mpitendry mozika sy artista izay heverina ho tsy manana ifandraisana amin'ny fitazonana tranomboky manara-penitra. Mihaino ny mozikam-pitoloman'ilay Jamaikana malaza amin'ny reggae, Peter Tosh, izy ary mitovitovy kokoa amin'i  Lauryn Hill noho i Nancy Pearl. Nefa mandany ny fotoanany malalaka maro amin'ny firotsahana an-tsitrapo ao Mt. Zion izy ary lasa liana amin'ny literatiora Indiana Andrefana sy ny “science fiction” [siansan'ny famoronan-tantara].

Manazava ny Groundation :

Alesia wasn’t always a reader. In fact she recollects that reading had always felt like punishment; something that she was forced to do. She describes her experience in school as being analogous to teaching a fish how to climb a tree, as the school system failed to recognize and apply different styles and paces of learning.

Tsy mba mpamaky mavitrika i Alesia. Raha ny marina dia mahatsiaro ny famakian-teny ho toy ny fanasaziana izy, izay nanerena azy. Mitantara ny zava-niainany tany an-tsekoly mitovy amin'ny fomba fananihan'ny trondro ny hazo izy, satria tsy neken'ny rafi-pampianarana fa maro ny fomba fianarana ary samy manana ny halakim-pahazoan-javatra.

Koa ahoana ary no nahatonga olona iray tsy mpamaky boky ho lasa mpirotsaka an-tsitrapo hanao raharahan'ny fitantanana tranomboky? Tsikelikely no nivadihan'izany. Nisy namana iray niangavy azy hanampy amin'ny fanasokajiana ireo boky. Tery am-panahy izy, nentin'ny “onja tsara”-n'ireo olona niasa an-tsitrapo tao amin'io toerana io izay nahatonga azy ho tamana tao “ny tsikin'ireo olona tsy mpamaky boky niova fo nahita tao amin'ny boky iray ny zavatra nankafizin'izy ireo.”

Resy lahatra i Aird fa tena miavaka manokana i Mt. Zion, tsy noho ny firehetam-pon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo ihany, fa noho ny “toerana misy azy [ao afovoan'i St. George's] sy nipoirany izay mametraka ilay tranomboky hanana ny mampiavaka azy sy tsy dia mahazatra.”

Mihamalaza hatrany ny Mt. Zion — izay taterina fa mahazo mpikambana roa vaovao isan'andro — indrindra fa amin'ireo tanora, izay mahita azy ho toerana manohana azy ireo sy ahafahany mifanakalo hevitra sy hijoro amin'ny mahaizy azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.