“Hanohy Izahay” Hoy Ny Valin-kafatr'ireo Vehivavy Mazaya – Syria Ho Setrin'ny Fandoroana

Women working at the Mazaya Center in Kafranbel, Syria. Source: The Mazaya Center.

Vehivavy miasa ao amin'ny Akany Mazaya ao Kafranbel, Syria. Loharano: ny Akany Mazaya

Lahatsoratra navoaka voalohany tao amin'ny SyriaUntold.

“Tamin'ny 3 ora maraina tamin'izay. Rehefa nandre fofon-tsetroka ny mpiray vodirindrina, dia nidina nankany amin'ny Akany ry zareo. Nidedaka izy io. Mainty ny zavatra rehetra, indrindra fa ilay efitra nisy ny trano famakiana boky.”

Miaraka tamin'ireo teny ireo no amaritan'i Nour, lehibe mpitantana ny Akany Mazaya ny zava-nitranga tamin'ny SyriaUntold. May lasa lavenonatamin'ny 10 Novambra 2014 ny Mazaya, izay nanangana tontolo maha-te-honina, misy hafanàna ho an'ireo vehivavy mba hihaonany sy hifampianarany.

Na dia tsy misy afaka manondro izay tomponandraikitra tamin'izany aza, dia tondroin'ireo olona ao Kafranbel ireo vondrona extremist (mpanao an-tendrony) mameno ny tanàna. Toa toy ny loza mitatao no ahitan'ny sasany ny hafatra mafonja ho fanomezana fitokisan-tena ataon'ilay akany sy ny hetsika ataony mitodika amin'ireo vehivavy.

“Ny Fampahatsiarovan-tena ny vehivavy. izay fanalahidin'ny fanorenana fiarahamonina ao Syria dia manohintohina ny tanjon'ireny vondrona mpanao an-tendrony ireny,” hoy ny fanitrikitrihan'ilay mpikatroka mafàna fo sady mpanakanto, Raed Fares.

“Tsy hangalatra fa hisotasota no tanjon'ilay fanafihana,” hoy i Nour manampy.

Na izany aza, naneho fahavononana sy fijoroana nanoloana ireo mpisetrasetra tamin'izy ireo ny vehivavin'ny Mazaya. Nanarina ny akany ry zareo, nanadio ireo boky tratry ny setroka sy namerina ny zavatra rehetra ho amin'ny toerany, toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga.

Avy amin'ny finoana miorim-paka mafy amin'izay ataony io tanjaka io, hoy i Nour, izay nitodika tamin'ireo izay nanao izany niteny hoe : “ Na dia nahavita nanatanteraka zavatra nahatsiravina toy izao aza ianareo, dia kanosa/malemy. Ny vono olona no fiteninareo, ny halatra ary ny fandoroana, fiteny iray tsy hainay.”

Ho fisorohana ny tsy hisian'ny tahaka izany, heverin'ilay mpikatroka mafàna fo ny hametrahana fandaharanasa ho fisafoana rehefa alina ny andro. Fanampin'io, angatahan'i Nour ireo antoko politika mba hametrak ao anatin'ny kajikajiny ny fisian'ilay akany, ho toy ny vondrona ifotony mavitrika. Miantso koa izy ny hisian'ny firaisana sy fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin'ny samy fikambanana sivily izay manana tolona itoviana.

Ho famintinana, notsindrian'ilay mpanakanto, Raed Fares, fa na dia zava-doza aza iny tranga iny, tsy afaka ny hamotika ny fanahin'ireo vehvavin'ny Mazaya :

“Misy tanànan vitsivitsy miezaka ny hanorina zavatra ary manao izay haha-mendrika ny fiainan'ny hafa, raha ny hafa kosa indray mamotika sy mandoro. Hijanona ho mavitrika hatrany ny Akany Mazaya, satria tsy resaka rindrina kmijoro sy fitaovana fotsiny io, fa asa sy ezaka tsy misy fitsaharany.”

Lahatsoratra navoaka voalohany tao amin'ny SyriaUntold.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.