Hong Kong : Manakalo Elo Amin'ny Harona Fiantsenàna Ny Hetsiky Ny Mpiaro Ny Demôkrasia

Latest drawing by Hong Kong artist Maxwell on Hong Kong people's shopping protest.

Sary farany nataon'ilay mpanao sary ao Hong Kong, Maxwell, momba ny hetsi-panoherana fiantsenàna ataon'ny vahoakan'i Hong Kong .

Manandrana tetika vaovao — mandeha miantsena — amin'ny adin'izy ireo hisian'ny fifidianana tena demôkratika Ireo mpanao hetsika amin'ny Occupy Central (Bodoy ny Afovoany), izay nipetraka amam-bolana teo afovoan'i Hong Kong.

Taorian'ireo fisamborana ampolony ary fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana ny 25 sy 26 Novambra, tao amin'ny toerana fanaovana hetsika any Mong Kok, mandrisika ireo mpanohana azy hiantsena any Mong Kok ireo mpikatroka mafana fo, fa tsy hitaky ampilaminana ny toerana. Navadik'izy ireo ambony ambany ilay sary famantarana ny “Umbrella Revolution” (Revôlisiôna Elo) mba ho lasa harona, ary nomeny anarana ho “Gauwu Revolution” (Revôlisiôna Fiantsenàna) ilay hetsika. Fomba fanonona ny “fiantsenàna” amin'ny fiteny mandarin ny teny hoe “gauwu”.

Nanazava ilay hevitra ambadik'ilay fanovàna anarana ny pejy Facebook natokana ho an'ny “Shopping Revolution” (Revôlisiôna Fiantsenàna):

Taorian'ny nahazoan'ny Occupy ao Mong Kok àlalana, niantso ny vahoakan'i Hong Kong ny Filoha Mpanatanteraka mba hiantsena eo an-toerana ho fanohanana ny varotra eo an-toerana. Tsy izay anefa fa lasa niriotra niverina nankany Mong Kok ireo mpanao hetsika nilaza fa manaraka ny torohevitry ny Filoha Mpanatanteraka, ary tany  mba hiantsena izy ireo. Izay no niteraka ilay hoe “Gauwu Movement” (hetsika fiantsenàna)

Nanomboka nanadio ny toerana tany Mong Kok ireo mpitandro ny filaminana avy ao Hong Kong ny 25 Novambra, taorian'ny namoahana didy ho an'ny fikambanan'ireo mpitondra fiara manome antony araka ny lalàna ho an'ny mpitandro ny filaminana mba hanampy ireo nitaraina amin'ny fanesorana ireo zavatra nibahana ny làlana teo.

Kanefa, ho fanampin'ireo zavatra, nampiasain'ny polisy ilay fahafahana mba hanadiovana ireo olona ihany koa sy nisamborana olona niisa 148, tamin'ny fiampangana azy ireny ho “nanao heloka bevava tamin'ny fanitsakitsahana ny didim-pitsaràna.” Nihenjana ny tady ary nisy fotoana nandroatra ho lasa fifandonana ara-batana teo amin'ireo mpitandro filaminana sy ireo mpanao hetsika.

Fijoroana vavolombelona maro, ireo lahatsary avy amin'ny zava-nitranga sy ireo sary nalefa tany amin'ny media sy tamin'ny media sosialy no nampiseho fa namely tamin'ny hazo an'ireo mpanao gazety ary ireo mpanaraka ny hetsika ny mpitandro filaminana. Ito ambany ito misy lahatsary nalain'ny DBC, media niomerika eo an-toerana, mampiseho ny nataon'ny iray tamin'ireo mpitandro filaminana, nikapoka mpandalo tamin'ny hazony, ny 25 Novambra:

Niaro ny fihetsik'ireo masoivohony ny mpitondra tenin'ny mpitandro filaminana, milaza izy fa niezaka nisoroka ny fiverenan'ireo olona nibodo ny làlana ireo mpitandro filaminana. Anefa, misy ireo manam-pahaizana momba ny lalàna sasany nilaza fa tsy manana porofo ara-dalàna ireo mpitandro filaminana, mba hanala ny mpandalo eo amin'ilay toerana, satria tsy nilaza didy tsy fahazoana mivezivezy izy ireo.

Mba hanehoana ny hafaliany manoloana ny fampiasan-kery diso tafahoatra niseho nandritra ny fanadiovana, olona an-jatony no nanjohy ny hetsika fiantsenàna ary nandehandeha tao amin'ny tanànan'i Mong Kok ny alina. Ito lahatsary eto ambany ito izao mampiseho hetsika tambabe ataon'ireo “mpitety tsena”, manery ireo mpitandro ny filaminana hamela azy ireo hiampita ny làlana:

Nandeha an-tongotra avy teo Mong Kok ka hatrany amin'ny faritr'i Tsim Sha Tsui ihany koa ireo mpitety tsena, mba ho hetsika kely entina maneho ny fitakiana ny arabe. Nisava kara-pamantarana ary nanontany ireo mpandray anjara teny an-dàlana ireo mpitandro filaminana.

Nitsikera ireo mpitandro filaminana tamin'ireo fanontaniany, I Anthony Perry, mpilalao sarimihetsika malaza any Hong Kong, tao amin'ny lahatsoratra ao amin'ny Facebook:

点解有人會問啲咁戆鳩嘅問題?:你住旺角,点解要嚟尖沙咀七十一買嘢?旺角冇架?阿sir,而家香港係咪連去邊處買嘢都冇自由呀?係咪警察要管埋去邊度買嘢食嘢消費呀?咁住旺角可唔可以去尖沙咀返工呀?駛唔駛原區工作消費呀?去第二區駛唔駛攞入區証呀?係唔係十点前要瞓覺唔準出街呀?咁阿sir你守尖沙咀又係唔係住喺尖沙咀呀?做乜要去尖沙咀返工呀?阿sir問重点啦,你想問人係咪鳩烏隊族就問啦,問埋D九唔答八嘅嘢,去邊度買嘢關你Q事咩?老豆都管唔到嘅嘢你管,我都想問下,你問D咁戆鳩嘅問題,你係咪真係警察嚟架?阿sir問戆鳩嘢,係咪一定要答架?(哪!同政治無關吓!同係咪正常人有關)不如立例管制禁止去两條街以外購物。

Ahoana moa no ahafahan'ny olona manontany ireny fanontaniana adaladala ireny? [Mpitandro filaminana:] Mipetraka any Mong Kok ianao, nahoana ianao no tonga aty amin'ny tsenan'i Tsim Sha Tsui no miantsena? Misy tsena afaka aleha tsara any Mong Kok. Andriamatoa, tsy manana fahalalahana ve isika aty Hong Kong, mba handeha hiantsena any amin'ny toerana tiantsika? Manana fahefàna hanapaka hevitra momba izay toerana tokony hisakafoanana sy hiantsenantsika ve ny mpitandro filaminana? Mipetraka ao Mong Kok aho, dia tsy mahazo miasa any Tsim Sha Tsui ve? Tokony hiasa sy hiantsena any amin'ny toerana hipetrahako irery ihany ve aho? Tokony hanao fangatahana ve aho hidirana any amin'ny toerana hafa? Tsy maintsy mandeha matory amin'ny 10 ora alina ve aho, ary raràna tsy hivoaka amin'ny alina? Andriamatoa, mijanona eto Tsim Sha Tsui ianao  izao. Mipetraka ao amin'io toerana io koa ve izany ianao? Ahoana moa ianao no tonga miasa aty? Andriamatoa, azafady mba vantàno. Tianao ho fantatra fotsiny hoe mpiantsena mpanao hetsi-panoherana aho, tsy marina ve izany? Fa na izany aza, tsy afaka ny hanapaka kevitra eo amin'ny toerako ianao hoe aiza aho no hiantsena. Na ny raiko aza tsy afaka miditra amin'izany. Tena mpitandro filaminana tokoa ve ianao? Tena mila mamaly izany fanontaniana adaladala izany ve aho? (Tsy mikasika ny resaka pôlitika ity! Resaka mikasika ny hoe ahoana no tokony ho fitondrantenan'ny olon-tsotra.) [Raha mahasahy ianao], manaova lalàna mandrara ny olona tsy hiantsena mihoatra ny tangoron-trano roa miala amin'izay hipetrahany.

Noahiahian'ny olona hoe tsy namoaka famerana ora fivezivezena ireo mpitandro filaminana satria feno ireo mpiantsena avy amin'izao tontolo izao foana ny tanànan'i Mong Kok. Saingy rehefa tsy misy famerana ora fivezivezena anefa, ahoana no afaka hanakànan'izy ireo araka ny lalàna ny olona tsy hiantsena? Tia miantsena foana hatrizay ny vahoakan'i Hong Kong, ary raha manampy lavitra amin'ny fitakiana ireo fifidianana demôkratika io, vao maika tsara.

Araho ny fandrakofanay ifotony: ny Revôlisiôna Elo ao Hong Kong

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.