Andian-taranaka Ao Amerika Latina Manao Veloma Farany An'i ‘Chespirito’, Mpanao Hatsikana

Roberto Gómez Bolaño como El Chavo del Ocho. Imagen publicada bajo licencia Creative Commons
Nodimandry tamin'ny 28 Novambra tany Meksika teo amin'ny faha-85 taonany i Roberto Gómez Bolaños, fantatra amin'ny hoe “Chespirito” (na ” Shakespeare kely”), iray amin'ireo mpanao hatsikana tena nolalàin'ny tao Amerika Latina.
 
Iray amin'ireo mpamokatra tena nahomby indrindra tao Meksika i Chespirito. Nanomboka ny asany tamin'ny naha-mpamokatra tia mamorona tamin'ny dokambarotra izy, ary avy eo niasa ho mpanoratra ho an'ny fampielezampeo sy sarimihetsika. 
 
Taty aoriana, taorian'ny taona 1970, lasa mpamokatra izy, mpiantsehatra ary talen'ny seho izay tsy hafa fa azy ihany. Tamin'izany, namorona karazana mpiantsehana isan-karazany izy izay nivezivezy nanerana ny tany no sady tafiditra tao anatin'ny kolontsaina malaza any Amerika Latina. Ny mpiantsehatra voalohany lasa nalaza avy tamin'ny seho nataony dia ilay Amerikana Latina maherifo “El Chapulín Colorado,” ilay olona maherifo, fonentana sy mikaviavia, mitondra maritoa plastika (el Chipote Chillón) ho toy ny fitaovam-piadiany, izay namaha ny olana rehetra satria “nosaininy tamim-pahatoniana” daholo ny zavatra rehetra.
 
Ao anatin'io tontolonà mpiantsehatra isan-karazany io,  ny litera CH  no sonia fampiasany manokana. Taty aoriana, namerina nanangana ny tanàna kely iray maorimaorina i Chespirito ary tao no nanomezany aina an'i El Chavo, zazakely kamboty, 8 taona izay mpifanolo-bodirindrina taminy, nandeha tan-tsekoly ary nanonofy “torta” (mofo voasesika) iray tsotra misy “jambon”. Ireo mpiantsehatra hafa dia ry El Doctor Chapatín, El Chómpiras sy Chaparrón Bonaparte (ao anatin'ilay andiany “Los Chifladitos” na Ireo Somary Tsy Milamina). Nalefa tamin'ny fahitalavitra Meksikana ny seho nataony ary saiky tany amin'ny ankamaroan'ireo firenena ao Amerika Latina. Na dia amin'izao fotoana aza, 40 tao aty aoriana, mbola mandeha foana amin'ny fiteny samihafa sy any amin'ireo kaontinanta samihafa ireo sehon'i Chespirito. 
 
Nandritry ny fotoana ela, nisy ny honohono tsy marina nikasika ny fahafatesany nandehandeha tety anaty tambajotra sosialy noho ny fiharatsian'ny fahasalamany nanomboka tamin'ny 2009. Niaina laza fanindroany indray izy tany afovoan'ny andian-taona 2000 tany noho ireo sariitatra nifototra tamin'ny asany ary taty aoriana dia noho ny kaonty Twitter-ny, izay nanana mpanjohy maherin'ny efatra tapitrisa sy naharaisany fankasitrahana isanandro noho ireo zavatra rehetra vitany.
 
Tety anaty media sosialy, nanao veloma farany an'ilay olo-malaza ireo olona mpikambana ao anatin'ny ekipam-pirenena mpilalao “soccer” ao Meksika :
 

 Ho eto aminay mandrakariva ny lova navelanao. Mandria am-piadanana ry Roberto Gómez Bolaños

Ao anaty sary iray, mizara ireo mpiantsehatra malaza indrindra i Cristian Fernando :

Nodimandry i Roberto Gómez Bolaño. Ireo mpiantsehatr'i  Chespirito atao anaty sary iray.

Nofaritan'i Eduardo Marín hoe hatraiza no fitiavan'ny olona ireo mpiantsehatr'i  Chapulín Colorado :

 Eto, tianay lavitra noho i Batman i Chapulin. Vaovao ratsy, mandria am-piadanana.

Mandritra izany fotoana izany, nofintinin'i Sergio Marentes sy Raúl Ramírez ny lova navelan'i Chespirito :

Nodimandry i Roberto Gómez Bolaños , saingy tsy maty vonoina i Chespirito. 

 Fa iza no niteny hoe mety maty ny tsy azo vonoina?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.