Selfies, ‘Fihaonana Sandwich’ ary ‘The Hunger Games': Ahoana Ny Ihaikan'ny Mpikatroka Ny Lalàna Miaramila ao Thailandy

Armed soldiers stand on guard during an operation to control anti-coup protesters in Bangkok. Photo by Matthew Richards, Copyright @Demotix (5/25/2014)

Miaramila mitam-piadiana mijoro mandritra ny bemidina ifehezana ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana ao Bangkok. Saripikan'i Matthew Richards, Copyright @Demotix (25/5/2014)

Enimbolana izay no lasa raha norombahin'ny fitondra-miaramila ny fifehezana ny governemanta thailandey ary nandroaka ny mpitarika nofidiam-bahoaka, Yingluck Shinawatra, tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 Mey. Nahanton'ny fitondrana miaramila haingana ny lalampanorenan'ny firennea, nofoanany ny fanaovan-dalàna, napetrany ny fanasaziana ny fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana mivory, ary notazonina vonjimaika ny mpitarika politika maro.

Na dia teo aza izany dia nampiasa ny fampitam-baovaom-piaraha-monina ny olom-pirenena Thailandey hanandra-peo sy hanintona ny fifantohana amin'ny toe-draharaha mihatra amin'ny firenena. Ireto sary manaraka ireto dia nandritra ny enimbolana farany: 

1. Selfies-n'ny fanonganam-panjakana

Vaovao be sa mankaleo – tsy misyselfie tahaka ny selfie-n'ny fanonganam-panjakana thailandey.

Nitondra miaramila an-jatony sy fitaovam-piadiana mavesatra tao an-drenivohitra ny fitondrana miaramila tamin'ny 22 mey. Maromaro ihany ny olona nihazakazaka nanatona ny miaramila haka ‘selfies-n'ny fanonganam-panjakana’ izay sady nampiasaina ho fanambarana ara-politika no fanomezana fanampim-baovao momba ny hetsiky ny andia-tafika hoan'ny tontolo ivelan'ny firenena.

2. Fisamborana sy fitazonana

Hoan'izay tsy mahalala, io vehivavy ahitana fandraiketana miloko mena amin'ny molony io dia mpanao gazety (sahisahy)

“Nitrerona” ireo mpitarika ara-politika sy mpikatroky ny demaokrasia maro ny fitondra-miaramila. Nosamborina sy notazonina ireo tsy nanaiky hitatitra tamin'ny voalohany, saingy miatrika fanagadrana taona maro any am-ponja amin'izao fotoana izao.

3. Fandrarana Sandwich

Some students organized a picnic against the coup but it was stopped by police forces. The police and students shared some sandwiches. Photo by Atiwat Silpamethanont, Copyright @Demotix (6/6/2014)

Nanomana fitsangatsanganana manohitra ny fanonganam-panjakana ny mpianatra sasantsasany saingy voasakan'ny polisy izany. Nifampizara sandwiches ny polisy sy ny mpianatra. Saripika avy amin'i Atiwat Silpamethanont, Copyright @Demotix (6/6/2014)

Nametrahan'ny fitondra-miaramila fetra haingana ny zavatra rehetra mety azo raisina ho fitsipahana ara-kevitra. Taorian'ny fandrarana fivoriana politika ataon'olona dimy noho ny mihoatra, dia nanomana ‘fihaonana miaraka amin'ny sandwich’ tao amin'ny fifampitam-baovaon'ny fiaraha-monina ny mpikatroka sasantsasany. Voamariky ny fitondra-miaramila haingana izany ka nampitandrina ny mpikatroka hampitsahatra izany haingana ry zareo.

4. Kahie famerenan-desona

Student activists protesting in front of the Thai Education Department. Image by Nattanan Warintarawet (second from right).

Mpianatra mpikatroka manao fihetsiketsehana manoloana ny Departemantam-pampianarana thailandey. Saripikan'i Nattanan Warintarawet (faharoa avy eo ankavanana).

Fotoana fohy taorian'ny nandraisany ny fahefana, dia nandrara famakian-teny, fihaonana, ary fihetsiketsehana heverin-dry zareo ho mety hampitahotra ny fitondra-miaramila. Nosamborina sy notazonina ireo mpianatra sy mpampianatra nanao fihantsiana ilay fandrarana. Nametraka ho adidy ny fitadidiana ny “Soatoavina 12” izay mifantoka amin'ny fankatoavana ny fahefana ny fitondra-miaramila, ary nitsongo dia izay hetsik'ireo tsy mankasitraka izany. Nanova ihany koa ny lesona amin'ny tantara izay manaisotra ny anaran'ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra, izay nahazo ny fandresena rehetra hatramin'ny 2001 ny antoko nisy azy, ny fitondra-miaramila.

5. Sivana

Activists reading books on BTS sky train as a protest against coup. Photo by Yostorn Triyos, Copyright @Demotix (6/13/2014)

Mpikatroka mamaky boky ao anaty fiaran-dalamby haingam-pandeha BTS ho fanoherana ny fanonganam-panjakana. Saripikan'i Yostorn Triyos, Copyright @Demotix (13/06/2014)

Ao anatin'ny endrika fanoherana rehetra, dia mandrara ny boky rehetra mety mahatonga adihevitra, toy ny “1984” an'i George Orwell ny fitondra-miaramila.

6. Tahotra panda

Former Thailand Prime Minister Yingluck Shinawatra (left) with her brother,  ousted Prime Minister Thaksin Shinawatra (center).  Photo from Facebook of Yingluck.

Ny Praiminisitra Thailandey teo aloha Yingluck Shinawatra (ankavia) miaraka amin'ny anadahiny, ilay Praiminisitra voahongana Thaksin Shinawatra (afovoany). Saripika tao amin'ny Facebook-n'i Yingluck.

Nitrerona sy nampitandrina ny mpanao gazety tsy hitatitra ny sary ahitana ireo praiminisitra roa an'i Thailandy teo aloha, Thaksin Shinawatra sy Yingluck Shinawatra, manafosafo panda nandritra ny fitsidihany tany Shina, ny mpitarika ny fitondra-miaramila satria miteraka “loza hoan'ny filaminam-pirenena ao Thailandy.” Ny sary moa dia raisin'ny sasany ho endrika fanohanana ara-politika avy any Beijing hoan'ireo hery demaokratika ao Thailandy.

7. Hunger Games ao amin'ny #DistrictThailandey

Anti Coup protesters raise their hands in a three finger salute as a symbol of struggle. Photo by Gonzalo Abad, Copyright @Demotix (6/1/2014)

Mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana manangana ny tanany amin'ny rantsan-tanana telo ho endrika famantarana ny tolona. Saripikan'i Gonzalo Abad, Copyright @Demotix (1/6/2014)

Fotoana fohy taorian'ny fanonganam-panjakana, misy ireo mpikatroka sasantsasany nampiasa ny fiarahabana amin'ny rantsa-tanana telo malaza tamin'ilay sarimihetsika “The Hunger Games” ho endrika fanoherana ara-politika.  Koa satria moa misy ny sombin-tsarimihetsika navoaka ho hita manerantany, dia nanomena fanairana ara-politika momba ny fahefana manjakazaka ao amin'ny firenena ny Thailaney mpikatroka. Nikarakara fihetsiketsehana eo antokotanin'ny trano fijerena sinema any amin'ireo tanandehibe maro izy izao ary nanery ny fanafoanana ilay sarimihetsika tany amin'ireo trano fandefasana sinema tao Thailandy.

Ny mpifehy ny tafika Thailandey ary efa notondroinaho Praiminisitra Prayut Chan-o-cha amin'izao fotoana izao dia efa nampanantena fa hamerina amin'ny toerany ny fitondrana sivily amin'ny alalan'ny fanatontosana fifidianana — saingy rehefa tafapetraka soa aman-tsara ny fanitsiana ara-politika sy ara-pifidianana ilaina hifaharan'ny toe-draharaha politika ao amin'ny firenena. Mandritra izany fotoana izany, tsy mitsaha-mitaky ny famaranana ny jadona ara-miaramila ny Thailandey mpikatroka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.