Alzeria: Fahadisoam-panantenana sy hatezerana taorian'ny faharesena nanoloana an'i Slovenia

Mpanohana mijery amin'ny alalan'ny Amenkifo ao amin'ny Flirck nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons

Taorian'ny fiandrasana naharitra 24 taona, dia nandray anjara indray tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny baolina kitra natao nanomboka ny 11 jona any Afrika Atsimo ny Alzeriana. Ireo alzeriana “niharan-doza” noho ny resaka navoakan'ny fampahalalam-baovao ofisialy (radio sy fahitalavitra), izay namela ny zavatra rehetra ho ambiny ankoatr'ity fiadiana ny tompondaka erantany ity, manantena fa hanadino ny andavanandrony, no diso fanantenana tanteraka nahita ny faharesen'ny ekipany nanoloana an'i Slovenia.

Une équipe de foot à l'image du pays: boiteuse et poussive…Félicitations pour la Slovénie, qui s'est assurée une place confortable pour passer au 2ème tour

Ekipa mpanao baolina kitra reharehan'ny firenena: mandringa, malemy…arahabaina i Slovenia, izay manana toerana tsara hahatongavana amin'ny dingana faharoa.

Manoratra i Ahcene, tanora mpitolona ho an'ny zon'olombelona any Alzeria ao amin'ny Facebook [fr].

Abderahmane, mpanao gazety diso fanantenana koa, mananihany ao amin'ny pejiny ao amin'ny facebook [fr]: :

Le coaching de Saâdane est merveilleux !! Il laisse Boudebouz, une perle rare, sur le banc et fait jouer un nullard comme Ghezzal, et Saifi qu'est-ce qu'il est rentré foutre sur le terrain ?

Tsara be ny nataon'ny mpanazatra Saadane!! Navelany teny amin'ny dabilio i Boudebouz, mpilalao mamiratra tsy fahita firy fa nampilalaoviny ilay vendrana be Ghezzal, ary Saifi, inona no nataony teny ambony kianja teny?

Samir, mpianatra, manontany mikasika ilay mpilalao Ghezzal, ilay mpilalao nahazo karatra mena nandritra ny lalao [fr]:

Abdelkader Ghezzal…tu es sélectionné contre l'Ireland comme joueur de rugby…et contre la Slovénie, t'es devenu un handballeur….et quand tu joueras au football

Abdelkader Ghezzal … nandritra ny lalao tamin'i Ireland ianao mpanao baolina lavalava… rehefa nilalao tamin'ni Slovenia indray ianao lasa mpilalao handball…oviana  no hilalao baolina kitra ianao?

Fihetseham-po mankahala tahaka izany koa ny an'i Yahia, mpianatra any Parisy, izay nandefa ankamantatra mikasika ny mpanazatra Saadane[fr]:

Un mec avec une roche à la place de la cervelle c'est qui ??? A vous de deviner

Iza àry ilay olona vato no solon'ny atidohany???

Toufik manontany mikasika ny vintan'ny ekipa alzeriana[fr]:

Alors que nous n’arrivons pas à gagner contre la Slovénie, comment voulez-vous qu’on batte les Anglais avec un Rooney percutant et les missiles de Steven Gerrard et Lampard

Raha tsy vitantsika ny nandresy an'i Slovenia, ahoana no fomba handresentsika ny anglisy miaraka amin'ny herin'i Rooney sy ny tifitra be an'i Steven Gerrard sy Lampard!

Ilay mpitoraka bilaogy RZ nisafidy ny haneso ny mpanazatra Saadane [fr]:

En plus du fait de ne rien apporter à l'équipe dans les moments difficiles du match, en matière de coaching, puisque, comme il l'a affirmé il y a quelques jours, «J'ai un bon banc de touche» Il n'a pas tort… Le «Cheikh» suit le match de son «banc de touche» comme tout spectateur… «Sollicité à donner son impression à la fin de la rencontre face à la Slovénie, le «cheikh» a déclaré ni plus ni moins: «El hamdou li Llah !» Louange à Dieu ! S'il y a un sélectionneur qui puisse louer Dieu, c'est bien celui de la Slovénie, puisqu'il a réussi à damer le pion à Saâdane qui se dissimule derrière ce titre de “Cheikh”.

Fanampin'ny tsy hitondrany na inona na inona ao amin'ny ekipa tamin'ny fotoan-tsarotra nandritra ny lalao, amin'ny mahampanazatra azy, satria namafisiny andro vitsivitsy lasa izay fa “manana dabilio tsara be apetraka eny amin'ny sisiny izy”. Tsy diso izy…nanaraka ny lalao teny amin'ny dabilio tokoa i “Sheikh”, tahaka ny mpijery rehetra… Nandefa ny heviny i Sollicité rehefa vita ny lalao nikatrohana tamin'i Slovenia, nanambara i “Sheikh” : Voninahitra ho an'Andriamanitra ! Raha misy mpanazatra afaka midera an'Andriamanitra dia ny mpanazatra an'i Slovenia, satria nahavita nandavo ny mpilalaon'i Saadane izay niery tambadiky ny hoe “Sheikh” izy”.

Amin'ny lafiny hafa indray, ilay mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Djamel Benchenouf, mody taitra tamin'ny hafanam-po nomen'ny ekipa alzeriana ny vahoaka… izay tsy nanaiky hihetsika tamin'ny zavatra hafa[fr]:

Un peuple qui ne se mobilise pas pour les plus faibles d’entre ses citoyens, qui subit l’oppression sans se révolter, qui se laisse dépouiller de ses richesses par des malfaiteurs de la pire espèce, qui se détourne du sort affreux qui est fait à toute la nation, et même de l’avenir de ses propres enfants, mais qu’un match de football fait vibrer, dans un incommensurable enthousiasme, ce peuple là doit craindre le pire

Vahoaka izay tsy mihetsika hiaro ny madinika indrindra ao aminy, izay voageja kanefa tsy mitroatra, izay nanaiky norobain'ireo olon-dratsy fara-tampony ny fananany, izay nitodihana lamosina tamin'ny zavatra rehetra tao amin'ny firenena, eny fa na dia ny ho avin'ny taranany aza, kanefa lalao baolina kitra no mahataitra, mampihetsika tsy hay tohaina, izany vahoaka izany no tokony hatahotra ny zavatra ratsy indrindra miandry azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.