Mety Ho Lany Taranaka Ny Lamàtra Mena Noho Ny Fitiavan'ny Japoney Azy

japan bluefin tuna consumption

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Stewart Butterfield. CC BY-NC-ND 2.0

Mifanehatra amin'ny olan'ny lamàtra mena izay efa ho lany taranaka amin'izao fotoana izao ny sakafo japoney araka ny filazan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Zava-boahary (IUCN). Teo aloha, isan'ireo  sokajy tsy dia natahorana ho lany ringana ny lamàtra mena ao Pasifika . 

Vao haingana no nosokajian'ny IUCN, miorina any Soisa,  ho ao anatin'ny  lisitra menan’ ireo karazana atahorana ho lany taranaka ny lamàtra menan'i Pasifika. Hatairana no nandraisan'ireo japoney sasany mpisera amin'ny aterineto ilay fanambarana sy izay mety ho atao amin'ireo tahirin-trondro hafa. 

Atahorana ho lany taranaka ny karazana lamàtra menan'i Pasifika amin'izao fotoana izao ary efa ao anaty lisitra menan'ny IUCN.

Mpisera hafa amin'ny Twitter nitatitra hoe :

Karazana atahorana ho lany taranaka ny lamàtra menan'i Pasifika araka ny filazan'ny IUCN (http://t.co/ZuirAwncag), tahaka izany ihany koa ny karazana botàna manjelatra (Takifugu chinensis) izay nihena 99,99 isanjato nandritra ny 40 taona lasa. Efa reko ny amin'ny amalona, ny lamàtra mena ary ny ‘hareng’ , nefa ankehitriny ny botàna ? Ohatra ny hoe tsy eritreretina ny fitantànana (maharitra) ny harena. 

Ny antony mahatonga ny lamàtran'i Pasifika ho amin'izao toerana izao, araka ny filazan'ny IUCN ? Ny fanjonoana azy be loatra. Manodidina ny 70 isanjaton'ny lamàtra jonoina manerana izao tontolo izao no lamàtran'i Pasifika. Trondro madinika ( kely latsaky ny telo taona izay tsy mbola afaka hanarànaka) ny 97 isanjaton'ny jono lamàtran'i Pasifika.  

Nanao fanadihadiana momba ilay vaovao i Sumio Horikawa mpikaroka momba ny jono :

Bruce Collete, lehiben'ny vondrona momba ny lamàtra mena ao amin'ny IUCN dia nilaza fa raha toa tsy ahena ny fanjonoana ataon'ny [Japoney] any amin'ny faritra andrefan'i Pasifika  indrindra ireo trondro mbola tanora, afaka fotoana fohy dia tsy ho avotra ireo tahirinà lamàtra menan'i Pasifika. Manaiky io tombana aho.

Raha toa ka ny ampahefatry ny lamàtra jonoina maneran-tany no jifain'i Japana, ny lamàtra mena kosa no tena alain'ny indostrian'ny jono ho an'ny tsenan'ny Sushi sy ny sashimi manerana an'i Azia Atsinanana.

Hatramin'ny naha-be dia be ny lamàtra mena kely tsy mbola afaka ny hanome taranaka voajono tany Pasifika, dia novinavinaina ho tafidina 19 ka hatramin'ny 33 isanjato ny habetsahany nandritra ny 22 taona farany teo.

Iray amin'ny trondro be mpitady any Japana ny lamàtra mena. Na dia eo aza ny tsindry atao amin'ny tahiry maneran-tany, dia mbola betsaka ihany ireo trondro hita amin'izao fotoana izao, ary tsy any amin'ny toeram-pisakafoanana mihaja ihany.

Jereo ny fihenam-bidy azonao amin'ny 800 JPY (8 dolara amerikana). Tena mora ny FIREBIRD, sakafo manokana amin'ny lamàtra mena, ary lafatra kokoa ny vary donburi anaty tsatokaty miaraka amin'ny lamàtra.

- Spotlight LLC (@misterspotlight)

Nanjary foto-tsakafon'ny olona ny lamàtra mena taorian'ny ady lehibe faharoa, rehefa nisy ny hetsika maro natao nitadiavana sakafo ho an'ireo vahoaka noana. Efa raiki-tampisaka tantenraka ao amin'ny hainahandro japoney ny trondro :

Nandeha tany amin'ny tora-pasika tany Shiomisaka, Shizuoka izahay. Marina fa toerana tsara tsy hay lalovam-potsiny ny ranomasina! Nihinana masikitanà lamàtra mena izahay, ary nitono lohanà lamàtra iray manontolo.LOL.

Any Kesennuma, fiadidian'i Miyagi, no fitodian'ny ankamaroan'ny lakana mpanjono lamàtra amin'ny haran-jono. Tanàna kely mitoka-monina any amoron'i Pasifika izay ravan'ny horohorontany sy ny ‘tsunami’ tamin'ny 2011 i Kesennuma. Ao anatin'ny ezaka ho famelomana indray ilay tanàna rava dia nosesehan'ny fitondrana foibe vola ny indostria momba ny jono any Kesennuma, ary mivelona indray mivarotra trondro ho an'ireo mpanjifa izay mila trondro tsy niloak'andro ilay tanàna, ary tsy ny lamàtra mena ihany : 

 Fotoanan'ny ‘espadon’ matsiro avy any Kesennuma sy morontsirak'i Sanriku indray izao, ary azo vidiana amin'ny aterineto. Be mpitady kokoa noho ny làmatra mena ny ‘espadon’ sashimi any Tohoku. Matsiro ilay nofo misy taviny. Tahaka ny eo amin'ny sary, alefa avy hatrany any aminao ny ‘espadon’-n'i Kesennuma sokajy A! 

Trondro mpihaza lehibe izay mitarazoka amin'ny fananahana ny lamàtra sy ny ‘espadon’  ary mazàna miriaria eran'ny tontolon'ny ranomasina amin'ny fitadiavana sakafo sy toerana hanatodizana. Ny làlany amin'ny firiariavany any afovoan-dranomasina no mampananosarotra ny fifehezana ity karazan-trondro ity. 

Ny lamàtra mena avy any atsimo, tsy mitovy amin'ny karazana lamàtra mena izay manaranaka any amin'ny ranomasimbe Indiana, dia voasokajy amin'ireo karazana tena atahorana ho lany tamingana ao amin'ny lisitra menan'ireo karazana tandindonin-doza nataon'ny IUCN, ary manodidina ny 80 isanjaton'ny habetsahany ara-tantara ny fanjonoana azy amin'izao fotoana izao.

Vaovao iray tsaratsara kokoa, eo an-dàlam-piverenana ny lamàtra menan'i Atlantika taorian'ny faharavàna am-polo taona izay tonga hatramin'ny fihenan'ny isan'ny trondro jonoina. Efa ho avo roa henin'ny tamin'ny taona 1950 ny habetsaky ny tahirinà lamàtra mena miriaria ao Atlantika Atsinanana sy Mediteranea tamin'ny 2013, araky ny vinavinan'ny ICCAT. Noho izany, nampitomboin'ireo firenena sasany ny isan'ny lamàtra mena jonoiny tany Atlantika tamin'ny Novambra 2014, hetsika izay mampifanolana.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.