Iran: Hihetsika sa tsia amin'ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny fifidianana

Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karroubi, endrika roa fanta-daza amin'ny fanoherana Iraniana dia nangataka ampahibe maso tamin'ny manam-pahefana hahazo alalana hanao fihetsiketsehana amin'ny tsingerin-taonan'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jiona. Naneho ny ahiahiny amin'ny fiarovana ny mpanohitra tamina fanambarana iombonana ry zareo.

Maro ireo Iraniana no tsy nankasitraka ity fihetsika mailomailo ity tamin'ny aterineto, ary maro ireo nampiseho afisy mandrisika ny hetsika atao rahampitso [fotoana efa lasa] (ohatran'ity eo ambony ity) ao amin'ireo blaogy sy ireo tranonkala samihafa.

Webneveshteha mandrisika [fa] ny olona hikalo ny Allaho Akbar (Lehibe Andriamanitra) eny an-tampontrano androany tahaka ny nataony nandritra ny krizy taorian'ny fifidianana ho mariky ny fanoherana ny Governemanta Iraniana. Nanampy koa ity mpitoraka blaogy ity :

raha manokatra ny varavarankelinao ianao ary tsy mahare feo, mankanesa eny an-tampontrano mihiaka ny Allaho Akbar. Ianao no media [mpampita hafatra].

Dulatemeli nanoratra [fa]:

hiara-dalana amin'ny renin'ireo maritiora izahay, Mr. Mousavi sy Mr. Karoubi afaka miaraka aminay koa ianareo. Raha tsy miseho isika ny 12 Jona dia hihamavesatra ny fanerena ireo gadra politika. Ity hetsika atao amin'ny Sabotsy ity dia tsy safidy fa adidy. Tsy tokony hatahotra isika ary tsy tokony hijanona any an-trano. Raha manao an'io isika, dia hanimba ny anjaran-tsika.

Afkare Farda manoratra [fa] fa manana safidy roa ireo mponina na hiaina amin'ny fahafaham-baraka eo ambanin'ity fitondrana ity na hanilika azy, ary very ny fahatombenan'ity fitondrana ity.

Sight miteny: “olon-tsotra aho ary anisan'ny mpitarikaan'ity hetsika ity. Rahampitso dia hiainga any amin'ny anjerimanontolon'i Teheran ka hatrany amin'ny kianjan'i Azadi any Teheran aho. Handeha hiaraka amiko ve ianao? Misy vidiny ny fahafahana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.