Andro 16 Hanentanana Ho Fanoherana Ny Herisetra Atosiky Ny Tsy Fitoviana Ara-Pananahana

Avy ao amin'ny tranonkalan'ilay fanentanana

Ho fandrisihana ny hetsika hanoherana ny herisetra amin'ny ankapobeny sy indrindra fa ny atao noho ny tsy fitoviana ara-pananahana, ny “Center of Women’s Global Leadership (CWGL), ao amin'ny Anjerimanontolon'i Rutgers any Etazonia dia nanomboka fanentanana iray maharitra 16 andro “Fandriampahalemana Miainga Avy ao an-Tokantrano mankany amin'ny Fandriampahalemana Erantany”. Nanomboka ny 25 Novambra ireo mpandray anjara amin'ilay fanentanana dia “hanasongadina ny endrika maha-ara-drafitra ny herisetra atao noho ny tsy fitoviana ara-pananahana ary ny fitolomana izay manome vahana ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana”.

Handray anjara amin'io fanentanana io ny Global Voices Online ;  ho avoakanay ireo tantara, adihevitra sy dinidinika manerana izao tontolo izao ety anaty media sosialy momba ny herisetra eny anivon'ny fiarahamonina sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy. 

Kendren'ilay fanentanana ihany koa ny hanaitra ny saina manodidina ny hoe omen'ny ankamaroan'ny governemanta lanja be kokoa ny resaka fandaniana ho an'ny fitaovam-piadiana raha miohatra amin'ny famatsiana vola ireo tetikasa natokana ho an'ny fanabeazana, ny fitoviana ary ny habaka azo antoka atokana ho an'ny daholobe. Na eo aza ny fanekena ny herisetra atao noho ny tsy fitoviana lenta ho toy ny olana ara-pahasalaman'ny daholobe sy resaka zon'olombelona ataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena, ny zara fa fanomezana lanja azy io any anatin'ny fandaharan'asa iraisam-pirenena dia mitohy mametraka ahiahy. 

Araka ny lazain'ny Fikambanana Erantany Momba ny Fahasalamana :

Ny herisetra atao amin'ny vehivavy – indrindra fa avy amin'ireo mpiara-monina aminy akaiky sy ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy – no olana fototra ho an'ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona ny vehivavy.

Raha ny tarehimarika voaray farany momba ny taham-pitrangan'izany manerana izao tontolo izao dia manondro fa 35% amin'ireo vehivavy maneran-tany teo amin'ny androm-piainany no niaina, na herisetra nataon'ireo olona iarahany miaina, na niharan'ny fanolanan'olon-kafa.

Raha ny salanisa, 30% amin'ireo vehivavy nanana fifamatorana (manana olona iarahana) no nitatitra fa niaina endrika herisetra ara-nofo na fanolanana nataon'ireo olona niarahany izy ireo.

Raha bangoina tokana, hatramin'ny 38% tamin'ny famonoana ho faty nanjo ny vehivavy no nataon'ireo olona niarahany niaina.

Mety hitondra olana ara-batana, saina, fananahana, fanànana taranaka na hafa koa ny herisetra, ary mety hamparefo ka hampitombo ny vintana ho tratry ny VIH.

Antony mety hahatonga ny olona iray hirona amin'ny fanaovana herisetra ny tsy nahazoany fanabeazana loatra, ny niainany fahazazàna feno korontana na niatrehany herisetra tao anivon'ny fianakaviana, ny fidorohana alikaola, ny fihetsika manaiky ny herisetra na ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy vavy.

Antony mety hahatonga ny olona iray iharan'ny herisetran'ny olona iarahany sy ny fanolanana ny tsy fahampian'ny fanabeazana azony, ny herisetra hitany nifanaovan'ny ray aman-dreny, ny niainany herisetra sy fanararaotana nandritry ny fahazazàny ary ny fihetsika manaiky ny herisetra na ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy vavy.

Eny anivon'ny fiarahamonin'ireo be vola, ny fandaharam-pianarana mifototra amin'ny fisorohana ny herisetra ifanaovan'olon-droa miaraka eny anivon'ny tanora (na herisetra mandritra ny fihaonana) dia tohanan'ireo porofo sasantsasany amin'ny fahombiazana hita.

Eny anatin'ny fiarahamonin'ireo ambany fidiram-bola, tetikady hafa indray no natao, toy ny fampindramam-bola madinika nampivadiana tamin'ny fanofanana momba ny fitoviana lenta sy ny finiavana miainga avy amin'ny fiarahamonina, izay mandray an-tànana ny tsy fitoviana ara-pananahana sy ny fahaizana amin'ny fifampiresahana sy ny fifandraisana, no manome toky.

Ny toe-draharaha misy fifandonana, taorian'ny fifandonana ary ny famindran-toerana dia mety vao mainka hanaratsy ny herisetra efa misy ary hampisy endrika herisetra fanampiny atao amin'ny vehivavy.

Mba hanitàrana ny tetikady sy hampirobohana vondrona samihafa ho ao, natomboky ny CWGL  tamin'ny Andro Iraisampirenena Ho Fampiatoana ny Herisetra Atosiky ny tsy Fitoviana ara-Pananahana (25 Nov) niaraka tamin'ny Andron'ny Zon'Olombelona (10 Dec) ilay fanentanana :

Ny fifanojoan'ny taona, ny saranga, ny maha-lahy na vavy, ny toerana onenana eto ambonin'ny tany, ny fironana ara-pananahana, ny ara-pinoana, ny foko/fiaviana, ankoatry ny sokajy hafa amin'ny fanadihadiana dia mampahafantatra ireo fomba iainan'ny vehivavy sy hamaliany ny herisetra atao azy, ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana. Miantraika ihany koa amin'ny fomba fandraisan'ny fiarahamonina sy ny fanjakàna izy ireny satria elanelanin'ireo sokajy eo amboniny ny fifandraisan'ny fanjakàna amin'ny vahoaka […] Ampahany feno sy tanteraka ao anatin'ny tontolo iray tsy misy herisetra atosiky ny tsy fitoviana ara-pananahana ka ahafahan'ny rehetra miaina fahalalahana tsy misy tahotra sy iriana dia ny, amin'ny ampahany, fanekena ny tsy azo anasamantsamahana ny zon'olombelona, ary zon'olombelona ny zon'ny vehivavy.

Nametraka faritra telo hiasàna ho laharam-pahamehana ilay fanentanana : ny herisetra ataon'ireo mpisehatra avy amin'ny fanjakàna, ny fitàran'ny fitaovam-piadiana madinika raha amin'ny resaka herisetra ataon'ireo olona iarahany miaina, ary ny fanolanana ara-nofo mandritra sy aorian'ny fifandirana, mba hanairana ny saina sy handraisana anjara amin'ilay tolona hanoherana ireo  fanararaotana ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.