Fifarimbonana Antserasera Amin'ny Teny Maya Tz'utujil Jerena Amin'ny Antontanisa

Mazoto mandefa hafatra ao amin'ny vondrona ireo mpiserasera ao amin'ny vondrona Facebook Tz’utujil Tziij. Nandritra ny volana Septambra, olona 29 no nandefa lahatsoratra 96 tamin'ny teny Maya Tz'utujil, sary 20, ary rohy dimy izay niteraka “tiako” 329 sy fanehoan-kevitra 356 tao anatin'ny iray volana monja.

Milaza amintsika izany fa mamaky sy mamaly ireo hafatra zaraina ireo mpiserasera ao amin'ny vondrona. Misy ny tombotsoa amin'ny fizarana ny teny eo amin'ny fiarahamonina, saingy mbola ilaina hatrany sy bebe kokoa ny fanentanana ny fiarahamonina, sy ny sehatra hizarana ny teny. Mihamaro isan'andro ireo olona manatevin-daharana ny vondrona.

Photo provided by grantee project.

Sary avy amin'ny tetikasa.

Tao amin'ny pejy Facebook Maya Maya Tz'utujil, nanomboka tamin'ny volana Aprily ka hatramin'ny Septambra, fehezanteny amin'ny teny roa 42, sary 14, rohy 19 mikasika ny teny indizeny, raki-peo 2, sy lahatsary fohy dimy no nozaraina. Niteraka “tiako” 262 sy fanehoan-kevitra 101 amin'ny teny Maya izany. Mampiseho izany antontanisa izany fa efa nahatratra  9487 ireo olona mifarimbona ao amin'ny pejy.

Misokatra hoan'ny rehetra ity pejy ity ary manana mpankafy avy amin'ny firenena maro manerantany izahay izay manampy anay hampiroborobo ny teny amin'ny teny roa mifanindran-dalana dia ny  Maya Tz'utujil sy ny Espaniola. Mahita izahay fa nifarimbona amin'ny votoaty ireo olona amin'ny alalan'ny fanontanian'izy ireo. Maharay hafatra mitady vaovao momba ny fomba ahitana fampahafantarana mikasika ny teny Mayana ihany koa izahay, ary manampy azy ireo hahita ireo fampahafantarana izay tadiavin'izy ireo izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.