Nepal : Firy Ny Biby Ho Faty Amin'ny Fetiben'ny Gadhimai Amin'ity Taona Ity ?

Butchers ready to sacrifice water buffaloes at the Gadhimai festival in Nepal (C) Diwakar Bhandari

Mpanimbin-kena vonona ny hamono ireo ombin-drano amin'ny fetiben'ny Gadhimai ny any Nepal (C) Diwakar Bhandari, nahazoana alàlana.

Vonona ny hampiantrano ny iray amin'ireo famonoana biby betsaka indrindra maneran-tany noho ny fombam-pivavahana i Nepal taorian'ny Eid-ul-Azhal, fetibe ho an'ny Silamo. Handray mpivahiny an'hetsiny ao amin'ny distrikan'i Bara ny fetiben'ny Gadhimai izay indray mandeha isaky ny dimy taona no ankalazaina. Hajaina/Arahana mandritra ny iray volana ilay fety izay nanomboka tamin'ity herinandro ity. Amin'ny herinandro ambony, ny 28 sy 29 Novambra, no heverina hanaovana ny famonoana biby hatao sorona. 

Na eo aza ny fiarahana manandratra ny feo manohitra ny zavatra ampiharina amin'ny biby amin'ilay fetibe, dia nanapa-kevitra ny hiroso amin'izay efa nomanina ireo komity mpikarakara.

Tsy misy ifandraisany amin'ny famonoana biby amin'ny #Gadhimai ny famonoana vovontsiloza any Etazonia. Ratsy avokoa rehefa famonoana, fa ratsiratsy kokoa ny sasany, ohatra ny Gadhimai. Haratsiam-panahy/mampihoron-koditra izany. Atsaharo.

Biby 500.000 any Nepal no mila ny feonareo. @kirstiealley mbà ampio azafady ny fanakànana ny famonoana ara-pomba mampihoron-koditra fanao rehefa #Gadhimai

Misy olona fetsy ratsy mitondra, mitrandraka sy manova ilay finoana taloha ao ambadik'io finoana ara-pivavahana io.

Mamono biby atao sorona efa ho 500.000 mandritra ny roa andro ireo mpandray anjara ireo, amin'io fetibe io. Avy any India ny 70 isanjaton'ireo biby ireo. Namoaka didy fampitandremana mba hanakànana ny fanondranana biby amin'ny tsy ara-dalàna mankany Nepal ny Fitsarana Avo any India.

Animal rights activists of Animal Equality protested at Brandenburg Gate against the world's biggest animal sacrifice in Gadhimai in Nepal, with blood on the hands and signs with sacrificed animals. Image by Florian Boillot . Copyright Demotix (28/10/2014)

Ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby ao amin'ny Animal Equality, nanao hetsi-panoherana teo amin'ny vavahadin'i Branderburg hanohitra ny famonoana biby betsaka indrindra eto an-tany hatao sorona amin'ny Gadhimai any Nepal, miaraka amin'ny tànana mihosin-drà sy ny sarin'ny biby natao sorona. Sary avy amin'i Florian Boillot. Fizakàmanana Demotix (28/10/2014)

Joanna Lumley, izay mpiaro ny zon'ny Gurkhas, dia nitaky ireo manam-pahefana mba handrara ny famonoana biby atao sorona amin'ny fetiben'ny Ghadimai. I Lumley no masoivohon'ny fikambanana britanika Compassion in World Farming (CIWF), izay mampiroborobo ny fikarakaràna ny biby. Miaraka manohana fangatahana iray iombonana ety anaty aterineto manohitra ilay fetibe ny CIWF sy ny tambajotra Nepale Animal Welfare (Fikarakarana Biby), fikambanana iray mitovy amin'ny CIWF. 

Misy fangatahana hafa mipoitra ihany koa ety anaty aterineto manohitra ny famonoana biby amin'ny fetiben'ny Gadhimai. Maro ireo fanentanana mavitrika ety anaty media sosialy mba hanakànana ny fanaovana sorona amin'io fotoana io, manery ireo manampahefana mba hanafoana ny herisetra atao amin'ny biby.  

Na izany aza, tsy ireo mpikatroka mafana fo manohitra ny fombafomba fanao amin'ny biby amin'ilay fetibe ihany no manandra-peo ety anaty aterineto. Asongadin'ireo mpankasitraka ny fomba famorian'ilay fetibe ny fianakaviana, ny fampihaonana ny mpianakavy miaina any amin'ny lafivalon'i Nepal. Ny fankalazana no manampy amin'ny fanamafisana ny rohim-piarahamonina hoy ny filazan'ireo olona ireo. Ny mpitondra fivavahana ao amin'ny fiangonan'i Gadhimai, ohatra, dia Tharu iray, fa ny ankamaroan'ny mpivavaka kosa dia avy amin'ny foko Madhesi, saranga voaavaka ao amin'ny rindran-damim-piarahamonina any Nepal. 

Mass slaughter of animals dedicating the Hindu goddess of power, Gadhimai. Image by Koji. Copyright Demotix (23/11/2009)

Famonoana biby faobe atolotra ho an'ny andriamanibavin'ny hery Hindo. Gadhimai, Nepal. Sary avy amin'i Koji.  23 Novambra 2009. Fizakàmanana Demotix.

Ny sasany kosa dia manamafy fa tsy misy dikany ny famonoana biby amin'ny fetibe raha oharina amin'ny indostria fiompiana omby any amin'ny firenena toa an'i Etazonia, izay biby 9,1 lavitrisa no novonoina natao sakafo tamin'ny taona lasa, manome salan'isa manodidina ny biby 25 tapitrisa isan'andro. 

Ny mahasosotra ahy dia ny voambolana ampiasain'ny mpanohitra ny fetiben'ny Gadhimai : ‘biby fiaina’, ‘ratsy fanahy’, ‘toy ny tsy olona': @DeepakAdk http://t.co/pHJ9UOsbB2 #Gadhimai #nepal

Hanome vàhana miandalana hatrany ny Hindo mpitàna ny nenti-paharazana ny fanaratsiana ny hindoisma sy ny fanesoan'ireo nahazo ny fomba fisainana tandrefana ny kolontsaintsika #Gadhimai

Miaraka amin'ny fizarazaran'ny hevitry ny olona momba ilay fetibe, tsy afaka hanao inona faf-tsy ny manantena ireo mpikatroka sy ireo mpomba azy fa hanaitra ny feon'ny fieritreretana amin'ny fitaonana olona maro ho any amin-dry zareo.

Inoan'ireo sasany amin'ireo mpanohitra ilay fetibe fa ny fanentanana anatiny no fomba mahomby amin'ny fampiatoana ny fanararaotana ny biby any Gadhimai fa tsy ny fitadiavana fanerena avy any ivelany.

I S.S. Pokharel, mpianatra ho mpitsabo, ohatra,  dia manoratra :

Mila ezaka sy fotoana be ny fanafoanana ny #Gadhimai. Ny fanentanana anatiny sy ny fiarahana no ilaina betsaka miohatra amin'ny fitadiavana vonjy any ivelany. #Disgrace (mahamenatra)

Gadhimai temple in Nepal. Image by  Diwakar Bhandari, used with permission.

Ny fiangonan'i Gadhimai any Nepal. Sary avy amin'i Diwakar Bhandari, nahazoana alàlana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.