Fihovitra Maherin'ny Tany Tao Nagano, Japana Nandratra Olona Am-polony sy Nandrava Fonenana

nagano earthquake

Pikantsarin'ny fihovitrovitry ny tany 6,8 refy Richter tao Nagano avy amin'ny ANN News.

Nisy horohorontany nandona ny afovoan'i Japan tamin'ny Asabotsy 22 Novambra, izay nandratra olona 41 sy nandrava tranom-piompiana ampolony, nandrava lalana ary namotika fasana tao an-tanànakelin'i Hakuba ao amin'ny prefektioran'i Nagano.

Nahafandrika olona 21 hihitsoka tao anaty trano ravany ilay horohorontany mahatratra ny maridrefy 6,8 saingy avotra avokoa izy rehetra ka tsy nisy ny olona maty.

Maro ny trano nianjera, 41 no naratra taorian'ny fihetsehana maherin'ny tany nandòna an'i Nagano tao Japana

Horinouchi Ward tao an-tanànakelin'i Hakuba. Potika tanteraka ny rihana ambany.

Miorina 200 kilaometatra avaratra andrefan'i Tokyo i Hakuba ao amin'ny Prefektioran'i Nagano, ary toerana nanatontosana ihany oa ny Lalao Olaimpikan'ny Ririnina 1998.

Hita taorian'ny hovitrovitra fa miorina eo ambonin'ny tany mihetsiketsika ny [faritra] Hakuba. Niteraka fahasimbana maro dia maro tamin'ny lalana sy ny fotodrafitrasa maro hafa tao an-tanànakely, mbamin'ny fasana ihany koa ny fikisahan'ny tany.

Potika ny lalambe Olaimpika, mampalahelo tokoa. #地震 (horohorontany) #白馬 (Hakuba)

Niteraka fahatapahan-jiro izay nisy fiantraikany tamin'ireo fiaran-dalamby haingam-pandeha mpivezivezy any amin'ny faritra maro tao afovoan'i Japana ihany koa ny horohorontany. Maro tamin'ny mpisera Twitter no nandeha hafatra fa tafahitsoka anaty fiaran-dalamby tafajanona tampoka.

Manontany tena aho raha tompon'antoka tamin'izy ity ny fihovitrovitry ny tany? nanambara ny mpanamory fa nisy ny fahatapahan-jiro nanelanelana an'i Yokohama sy i Gifu tao afovoan'i Japan niteraka ny fijanonan'ny fiarandalamby Shinkansen .

Namoaka ny sarin'ny vokatry ny fihovitrovitry ny tany ny mpisera Twitter nonina nanakaiky izany tao Nagano:

Tsia kosa e! Nanakorontana tao amin'ny talantalan'ny zava-pisotro ny fihovitrovitry ny tany!

Taorian'ny fihovitry ny tany tao amin'ny tranombarotra mpanao varoboba Don Quixote tao an-tanànan'i Nagano.

Mbola nitotaly 53 ny setriny taorian'ny fihovitry ny tany voarakitra talohan'ny mitataovovonan'ny alahady, hoy ny sampan-draharahan'ny mpamantatra ny toetrandro misahana ny fihovitrovitry ny tany sy ny tsunami. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.