Nofinofy Nivadika Nofiratsy ny An'Ilay Amerikana Mpizahatany Rehefa tao Timor Atsinanana

10734239_1500787266837733_8333052062905438462_n

Stacey Addison voatazona ao Timor Atsinanana. Saripika: Facebook. Famokarana indray nahazoana alalana.

Avy any Portland, Etazonia, izay toera-niasany amin'ny maha-veterinera azy nandritra ny folo taona i Stacey Addison. Tokony ho 20 volana lasa izany, dia nanapa-kevitra ny hivarotra ny fananany rehetra i Stacey 41 taona ary nandao ny toerana hanaovany ny fitetezana izao tontolo izao.

Ilay noheverina ho nofinofy nanomboka tamin'ny Janoary 2013 ankehitriny no nivadika ho nofy ratsy. Niampita ny sisintany manasaraka an'i Indonezia tamin'i Timor Atsinanana tao anaty taxi niarahana tamin'olon-kafa i Stacey Addison tamin'ny Septambra 2014. Tamin'ny fahatongavany tao Dili, dia niangavy ny hijanona eo amin'ny biraon'ny paositra DHL iray haka fonosan'entana ao ny iray amin'ireo mpandeha. Nisy rongony tao anaty fonosan'entana. Tamin'io fotoana io, nanomboka ny nofiratsin'ny mpizahatany tafiditra amin'ny toerana sy amin'ny fotoana diso. Nangataka fanohanana tao amin'ny pejy Facebook, izay natsangan'ny reniny, Bernadette Kero, sy ny namany izy.

Taorian'ny fitazonana vonjimaika voalohany [Tetum], rehefa nokarohina sy nandany ny alina efatra tao amin'ny fonjan'i Dili iray, dia navoaka i Stacey saingy voarara tsy hahazo hivoaka ny firenena. Noraofina ny pasipaorony ary nalefa tany amin'ny Fampanoavana hampanaovana famotorana ny raharaha.

Diso toerana diso fotoana i Stacey Addison izay niditra tanaty taxi ary niafara tany am-ponja. Ampio i Stacey

Tapaka ny famotorana tamin'ny 27 Oktobra. Noroahina fa tratra tamin'ny tranga izay nanozongozona ny rafi-pitsarana ao Timor Atsinanana [pt] ny mpitsara nisahana ny raharaha.

Tamin'ny 29 oktobra, notazonina indray ilay veterinera fa nafindra tany amin'ny fonjan'ny vehivavy any Gleno, ora vitsy miala an'i Dili. Nahita didy fampisamborana tamin'ny anarany miandry azy ilay Amerikana mpizaha tany. Nilaza izy fa tsy mbola nisy fiampangana sy famotopotorana nataon'ny fampanoavana azy mihitsy.

Women's prison in Gleno, East Timor.

Fonjan'ny vehivavy ao Gleno, Timor Atsinanana. Saripika: Facebook

Nanambara tamin'ny gazety Amerikana Tavaratra ny mpisolovava azy, Paulo Remédios, fa manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena ny fitazonana an'i Addison.

Ny Ambasady Amerikana Tavaratra ao Dili, izay tsy manana ambasadera amin'izao fotoana izao, dia nilaza fa tsy afaka mitsabaka ao amin'ny rafi-pitsaran'ny firenena. Na izany aza dia mahazo tsindry hiditra an-tsehatra ao anatin'ny raharaha ny governemanta Amerikana ary nanendry Ambasadera vaovao hoan'i Timor Atsinanana ihany koa. Nanamafy tamin'ny Global Voices ny Masoivoho fa “i Etazonia dia isoloan'ny attaché-n'ny Raharaham-bahiny , Katherine Dueholm, tena ao Timor Atsinanana raha mbola eo am-piandrasana fanendrena ambasadera amin'izao fotoana izao”.  

Efa manomboka mandray endrika ao amin'ny Twitter ny firaisankina amin'i Stacey natomboky ny namany sy ny fianakaviany amin'izao fotoana izao :

Tratran'ny vela-pandrika tao Timor Atsinanana tamin'ny fiarahana nandeha tamin'olon-tsy fantatra ny naman'ny namako Stacey… Ampio izy.

Inona no ataonareo ao amin'ny Departemantam-panjakana mba hanafahana ny dokotera Stacey Addison any Timor Atsinanana? Amin'ny maha-mpanao fiteteza-tany dia te-handre aho fa hamonjy ianareo

Voafonja tsinahy tai Timor Leste ny veterinera Stacy Addison. Ampio Stacey

Nandany ny aniverserany tany amin'ny fonja indôneziana ny dokotera Stacey Addison rehefa maimbon'ny nofiratsy raharahan-drongony

Andao hiara-mijery isika raha manao ny asany ny governemanta ary hanampy azy. Fizarana 22, andininy 1732 amin'ny Lalànan'i Etazonia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.