Fiovaovan'ny Toetrandro, Ebola, Okraina: Tsy Resaka Ara-toekarena Fotsiny No Natao Tamin'ny Fihaonana An-Tampon'Ireo G20 Tany Brisbane

The G-20 Leaders - Caricatures. Flickr photo by DonkeyHotey (CC License)

Nisy adihevitra nihitatra be tamin'ny zavatra noresahana tao amin'ny Fihaonana an-tampon'ireo G20 tany Brisbane, ny 15-16 Novambra lasa teo. Araka ny nozarain'i Clarencegirl tao amin'ny bilaoginy Feon'ny Morontsiraka Avaratra (North Coast Voices), na dia ny Papa François aza dia manana ny heviny ho an'ilay mpikambana malaza be ao amin'ny andian'ondriny Katolika, ilay praiminisitra Aostraliana Tony Abbott:

…be loatra ireo vehivavy sy lehilahy izay mijaly amin'ny tsy fahampian-tsakafo tafahoatra, ny fitomboan'ny olona tsy an'asa, antontan'isa midangana be an'ireo tanora tsy an'asa ary ny fiakaran'ny fanilikilihana amin'ny lafiny ara-tsosialy izay mitondra ho any amin'ny fanaovana heloka bevava, ary hatrany amin'ny fanangonana olona ho mpampihorohoro mihitsy aza. Ho fanampin'izany, misy hatrany ireo fanimbàna ny tontolo iainana natoraly, vokatry ny fanjifàna tsy voafehy, ary hisy fiatraikany lehibe amin'ny toekarena maneran-tany izany.

Inona loatra araka izany no zava-miseho any amin'ireo fivoriana manokana sy ireo fihaonana ofisialy? Nanan-javatra maro ho tenenina ireo mpisera amin'ny Aterineto.

Ny kabarin’ny Filoha Amerikana Barack Obama, tany ivelan'ny fihaonana ofisialy dia niantso an'i Aostralia “mba ho taitaitra” amin'ny fiovan'ny toetrandro. Nahazo fideràna maro io, tao anatin'izany i Meg Watson ao amin'ny Junkee:

Hitanao rehefa tsy teo ela ny rainao, ary mibedy anao noho ny tsy nanarianao ny fako nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy? Milaza izy fa tsy tezitra mafy, fa diso fanantenana fotsiny, avy eo izy manao resaka mampieritreritra ny amin'ny tokony handraisantsika rehetra anjara amin'ny raharaha ao an-tokatrano. Izany amin'ny ankapobeny ny zavatra miseho amin'ny firenenantsika manontolo. Tany Aostralia tao anatin'ny ora vitsy fotsiny ny Filoha Obama ary nahavita nihantsy ny olona handray fepetra amin'ny fiovan'ny toetrandro sahady.

Lasa bitsika nalaza be naverimberina, ny fomba fijerin'i Julian Burnside, ilay mpisolovava fanta-daza ary mpitaky ny zon'olombelona :

Hampieritreritra andian-taranaka iray ilay kabarin'i Obama ho an'ireo mpianatry ny UQ. Tena nahasadaikatra be mihitsy ny kabary fanokafan'i Abbott tao amin'ny #G20. #auspol 

Nahazo tsikera maro ilay kabarim-panokafan'i Abbott:

“Namelombelona mihitsy ny fihainoana ny Filoha Obama taorian'ny resaka nahamenatra /nampihidy vazana nataon'i Abbott…”

Nibitabitaka mihitsy ilay vohikala mahamay “Shovel” nanatefotefoka votoatin'ny kabariny:

TPT Volamena: “@The_Shovel_: horesahan'i Tony Abbott amin'ireo filoha ao amin'ny #G20 androany ny olan'ny fiantsonan'ny fiara tamin'ny firotsahany hofidiana tany “Warringah” #G20Brisbane

Maro ireo diso fanantenana tamin'ny tsy fahampian'ny fifanenjanana teo amin'ny Praiminisitra Aostraliana Tony Abbott sy Vladimir Poutine an'i Rosia. Tsy nisy marika nahitàna ny fandrahonana “hihazona vozon'akanjo” nataon'i Abbott mihitsy.

Toa fotoanan'ny fifanorohana sy fifanamboarana io, araka ny @lynlinking:

‘koala no iantsoana an'ity ry Tony': Nipoaka ny Twitter taorian'ny nanakalozan'i Abbott ny “fandraisana ny vozon'akanjon'i Poutine”  tamin'ny fakàna sary miaraka mifanoroka

Tamin'izany fotoana izany, nisy ny fihetsiketsehana araka ny efa nahiana, niaraka tamin'ny fisamborana olona vitsivisty fotsiny ny Sabotsy. Ahitàna io fa nanatrika tao amin'ilay hetsika mba nanara-maso ireo mpanara-maso ara-dalàna tsy miankina. Manana sary maro Creative Commons mikasika ny fihaonana an-tampon'ireo G20 ny Flickr, ito ny iray amin'ireo:

Independent legal observers

Afaka ny ahiahy momba ny tsy hahatafiditra olan'ny fiovan'ny toetrandro sy ny Ebola tsy ho ao anatin'ny fanambaràna farany:

 #Fiovàn'nytoetr'andro #Ebola #Asa, ireo no nandrafitra ny Lohahevitra lehibe tamin'ny andro voalohan'ny #G20…http://t.co/DkZn1gpvp4 #auspol #G20Brisbane pic.twitter.com/0RD7Od5QEf

Hahatsiarovana ny #G20Brisbane ny tsy nahavitan'i Abbott nandresy lahatra ny firenena hafa mba tsy hieritreritra ny #fiovàn'nytoetr'andro #faharesena #auspol

Nampiaiky sy nampiakatra ireo ankihiben'ny maro tamin'ny Aterineto ny fandraisana andraikitra hampitombo ny toekarena (fiakaran'ny harin-karena faobe ho 2,1 isan-jato ny taona 2018) sy ny fanovàna:

Nilaza ny @dailytelegraph fa “nanodina” ny #g20 i @BarackObama mba hampiditra ny fiovàn'ny toetrandro, ary i Abbott kosa “nandresy tamin'ny … fiakaran'ny toekarena”

Kanefa, toa naneso ihany i Robert Fairhead tamin'ny vokatra ara-toekarena tena misy:

Fanambaràna, fanambaràna t$# ! Milokà 10 taona, tsia! HT #G20 fanambaràna mitanisa ireo fepetra miisa 800 mba hiakaran'ny toekarena

Tsy nanao ilay fanambaràna i Okraina, fa toa nasiasian'ireo mpitondra hafa tany ambadimbadika tany i Vladimir Poutine. Lasa saina i Ed Johnson, lehiben'ny biraon'i Sydney ao amin'ny Bloomberg News:

Tsy miraharaha ireo tafiotran-tsikeran'ny #G20 tamin'ilay fihetsik'i Okraina i Poutine 

Tany ivelan'ilay fihaonana an-tampony, naka lahatsary ireo mpanao hetsi-panoherana an'i Poutine i Tim O'Keefe:

https://www.youtube.com/watch?v=VIZHsIF02Fk

Ny farany, tafiditra tanaty lahadinika ihany ny olan'ny Ebola:

Mampandray andraikitra ireo mpikambana hanao ny “tokony ilaina atao” ny tatitra amin'ny #Ebola avy amin'ny #G20. Ny enti-manana, ny fizahàna ilaina atao @MSFAustralia @MSF @aspen_medical #auspol

Araka izany, tena tamin'ny zavatra tena nanana ny lanjany tokoa va re no nandanian'ny governemanta Aostraliana ilay 400 tapitrisa dolara Aostraliana (350 tapitrisa dolara Amerikana) lany tamin'ny fihaonana an-tampon'ny G20? Ianareo no aoka hitsara!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.