Nanangana Hetsika Diezy Twitter Hanoherana Ny Orinasam-pifandraisana Goavana Iray Ny Ogandey

An MTN vehicle in Uganda, November 28, 2005, CC 2.0

Fiaran'ny MTN ao Oganda, 28 Novambra 2005, CC 2.0

Olona valo tapitrisa no mampiasa MTN Uganda, izay mahatonga ity orinasam-pifandraisana ity ho anisan'ny goavana indrindra ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny Chimpreports.com, nimenomenona ireo mpanjifa nandritra ny taona maro noho ny volabe fanampiny alòatsy misy antony sy ny fampihenana ny tolotra noho ny antony tsy fantatra. Tsy mba nisy nihaino nandritra ny fotoana maharitra izany fitarainana izany.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, na dia izany aza, nanapa-kevitra hanambatra ny heriny ireo Ogandey ary nanangana ny hetsika diezy Twitter manohitra ny MTN.

A screenshot of  MTN customer's phone Belinda Kyomuhendo saying the service request was unsuccessful. Image used with permission.

Pikantsarin'ny findain'i Belinda Kyomuhenedo, mpanjifan'ny MTN milaza fa tsy mety ny fangatahana. Nahazoana alalana ny sary.

Justus Amanya, mpanoratra gazety ao an-toerana, nilaza tamin'ireo mpampita vaovao:

This week starting tomorrow 17th Nov 2014, we are going to officially hand in our dissatisfaction note and complaint to the Minister of ICT Hon George William Nyombi Thembo at his office on Parliament Avenue,” announced Justus Amanya who is leading efforts to pressure government to crack down on MTN’s “undemocratic and 24/7 robbery.

Amin'ity herinandro ity manomboka amin'ny 17 novambra 2014, handeha hametraka amin'ny fomba ofisialy ny tsy fahafahampontsika isika ary hitaraina any amin'ny minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, George William Nyombi Thembo ao amin'ny biraony ao amin'ny Araben'ny Parlemanta “, hoy i Justus Amanya izay mitarika ny ezaka fanerena ny governemanta mba hanasazy ny halatra 24/7 sy tsy demaokratika ataon'ny MTN.

Ekipa bilaogera ao amin'ny Willappsug, bilaogy momba ny teknolojia, namintina ny fahatezeran'ireo mpanjifan'ny MTN tahaka izao:

It is believed that Uganda is falling victim to multinational corporations who are now controlling politicians, media, government officials and pattern of consumption thus the misconduct of such big brands.

Ogandians who have always complained about the country’s leading Telecom Company, MTN Uganda, of charging their humble customers abnormal rates and unjustifiably deducting their airtime and internet bundles through Justus Amanya who is leading the protests for the government to crack down on MTN’s undemocratic exploitation have come out to say “This week, we are going to officially hand in our dissatisfaction note and complaint to the Minister of ICT Hon George William Nyombi Thembo at his office on Parliament Avenue.”

Noheverina fa lasibatr'ireo orita (orinasa maro rantsana) izay mifehy ireo mpanao politika, fampahalalaham-baovao, manampahefana ao amin'ny governemanta ary ireo lalam-panjifana i Ogandà ka mahatonga ny fihetsika tsy mety ataon'ireo orinasa manana marika goavana tahaka ity.

Tonga hilaza amin'ny alalan'i Justus Amanya izay mitarika ny fihetsiketsehana fandrisihana ny governemanta mba hanasazy ny fanararaotana ataon'ny MTN ireo Ogandey izay nitaraina hatrany momba ny Orinasam-pifandraisana goavana ao amin'ny firenena, MTN Ouganda, noho ny fampandòavana ireo mpanjifany volabe tsy ara-dalàna sy fampihenana tsy amin'ny antony ny fotoana fiantsoana sy ny tolotra aterineto: «Amin'ity herinandro ity, handeha hametraka amin'ny fomba ofisialy ny tsy fahafahampontsika isika ary hitaraina any amin'ny minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, George William Nyombi Thembo ao amin'ny biraony ao amin'ny Araben'ny Parlemanta.”

Tao amin'ny Twitter, mponin'i Kampala iray nanontany hoe:

Fanontaniana: Inona no mamaritra ny MTN? a) Tolotra tsy mila ilàna azy b) tsy mpanaja ny mpanjifa c) bolongan-tolotra mpihinam-boay d) ireo voatonona eo ambony rehetra ireo

Qwenga, bilaogera sy matihanina momba ny seraseram-bahoaka nanamarika ny dokambarotra mahatsiravina aterak'ity fanentanana ity hoan'ny MTN:

Nofy Ratsy >>>>> #OccupyMTN

Tsy manana teny tsara hoan'ity orinasam-pifandraisan-davitra ity i Samson Tumusiime, mpitantana media sosialy sy mpiara-manorina ny Veritas Interactive:

Inona no olana amin'ny fahafaham-baraka aminà milliara momba ny CSR [Andraikitra Ara-tsosialin'ny Orinasa] sy ny lanonana hafa rehefa tsy afaka mandany na dia ampahany amin'izany ho amin'ny Fikarohana sy Fampivelarana ianao?

Nandritra izany, Bob Muheebwa kosa tiany haverina fotsiny ny volany:

Eny, tokony hamerim-bola izy ireo, tsy miala amin'ny volako aho, na dia tsy miraharaha ahy aza ianao. Avereno ny volako!!! “

Nanamafy ny voalaza i Hot Kitakuli:

Nivadika tany amin'ny fanontaniana mivelatra kokoa ireo mpiserasera hafa. Mwine Edgar mpaneho hevitra ara-politika, ohatra, nampihevaheva teorian'ny teti-dratsy :

Tokony efa nandòa vola tany amin'ny UMEME [Orinasan'ny herinaratra ao Oganda] ny MTN mba hanapaka ny jiro ao amin'ny faritra misy ahy, amin'izay lany ny vatoaratro ary hijanona hisioka momba ny tolotra fadiranovan'ny MTN aho

Mitohy ny tabataban”ireo mpanjifa tezitra:

Fifandraisana amin'ny mpanjifa: Fitsipika voalohany: Mivarotra lafo ireo entana tsy mila ilàna azy amin'ireo mpanjifantsika. Fitsipika faharoa: Tsy manitsakitsaka ny fitsipika laharana na oviana na oviana

Tokony teny filamatra vaovaon'ny MTN ny hoe «Miala tsiny Tsy Tontosa Ny Fangatahana»

Misy kosa anefa ireo fanehoan-kevitra manohana ny MTN, Akampa Aaron, iray amin'ireo mpanjifa toa afa-po nanome teny fohy lafiny tsara hoan'ny orinasa:

Tsy rariny izao fanebahana izao. Nihatsara tanteraka ny kalitaon'ny tambajotran'izy ireo, mihatsara kokoa ny tolotra [fitehirizam-]bola amin'ny finday, ary misy maimaim-poana ny antso omen'izy ireo amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.