Ampiomanana ny Fetibe Ara-kolontsaina Chariboan Joi Ao Amin'ny Fiarahamonina Shipibo

Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

IMG_0962

Tanora Shipibo ao amin'ny fiarahamonina. Sary avy amin'ny tetikasa.

Nonra mato jatibi saludanai, midika hoe «miarahaba anareo rehetra” amin'ny teny Shipibo. Te-hizara fandrosoana, traikefa, sy lesona azo nandritra ny volana faharoan'ny tetikasa izahay. Ny fikarakarana ny fandaharana rehetra amin'ny fetiben'ny kolontsaina amin'ny fomba ahafahan'ny rehetra mandray anjara no andraikitra voalohany sahanin'ny ekipa Chariboan Joi. Niarahanay tamin'ireo solontena avy amin'ireo fiarahamonina efatra voakasika, Betania, Palestina, Béthel, ary Alva Castro izany. Amin'izany, mahita sy tompon'ity hetsika ity ireo fiarahamonina mba ahatsapan'izy ireo fa fetiben'izy ireo izany.

Mba hanatanterahana izany, nanatontosa fitsidihana fandrindrana, notarihan'i Douglas Tangoa avy ao amin'ny fiarahamonina Betania izay rohy fototra eo amin'ireo fiarahamonina ny ekipan'ny Fikambanana Tanora Indizeny avy ao amin'ny faritra Ucayali (OJIRU amin'ny fanafohezana amin'ny teny Espaniola). Nihaona tamin'ny lehiben'ny avy ao Betania sy ireo manampahefana misahana ny fampianarana avy amin'ireo fiarahamonina izahay. Nisy ny fientanam-po betsaka tamin'ny tolo-kevitra, ary nanolo-kevitra izy ireo fa tokony ahitana hira, dihy sy tantara an-tsangana nentim-paharazana Shipibo ny fetibe. Hisy ihany koa ny fifaninanana fanatanjahan-tena fohy.

Maro ireo singa nilaina handrindrana ny fetibe, tahaka ny fitaterana, zavamaneno, sy mpamelona herinaratra. Mikasika ny sakafo kosa, niombon-kevitra tamin'ny nahandron'ny fiarahamonina izahay. Ho takalon'ny raharaha ataon'izy ireo, nanome ny fitaovana sasany ilain'izy ireo izahay. Nahafinaritra tokoa ny nihaona tamin'ireo zoky izay nizara ny tantaran'izy ireo; anisan'izany ny lehilahy iray mpitsabo nentim-paharazana izay nizara ny traikefany teo anoloan'ny fakantsary, ary havan'i Douglas.

PUC_1751

Lakana nampiasaina hiampitàna ao amin'ireo fiarahamonina. Sarin'ny tetikasa.

Etsy andaniny, talanjona izahay satria na dia am-bava nentim-paharazana aza ny kolontsaina  Shipibo, nangataka antonta-taratasy ofisialy taminay momba ny tetikasa sy taratasy fanasana ofisialy izy ireo. Hiravina tsy ho ela izany rehetra izany. Toa hita fa ireo andrim-panjakana natsangan'ny fanjakana, tahaka ny komitin'ny fokonolona, ny filoha, na ireo ivom-pampianarana sy ny mpitantana azy dia manaraka fepetra somary tandrefana kokoa.

Tamin'ny voalohany, tsy nisy ny endrika mibahana hoe filoha, fa fokom-pianakaviana miaraka amin'ny solontenan'izy ireo. Ankehitriny, ny filoha no tena misolo tena sy mitantana ary mifandray amin'ireo mpiasa ivelan'ny fiarahamonina, tahaka ireo mpandraharaha, ONG sy Fanjakana Peroviana. Amin'ny ankapobeny sy amin'ny fiainana andavanandro, fantatra mazava amin'ny dikan'ny voambolana ny fifehezan'ny lalàna ara-pomba sy ny tsy fisian'ny mpitondra manampahefana ao anaty filaminana, .

Nandritra izany, niandry ny fiverenan'ny ekipa tamin'ny Alatsinainy 3 Novambra tao an-tanàna izahay, saingy nanomboka mivatravatra ny orana mandritra ny ora maro isan'andro, ary noho ny antony ara-piarovana, tsy afaka nandeha ny sambo. Rehefa nihena ny orana, tsy dia nisy mpandeha sambo firy intsony. Ka voatery nijanona nandritra ny fotoana lava ny ekipa, tahaka ny voatery nanao fialan-tsasatra tsy fidiny. Tsy afa-nanatrika ny fampianarana sasany ireo tanoran'ny OJIRU, saingy nanararaotra ny fotoana izy ireo mba hahafantatra tsara kokoa ny fiarahamonina, sy ny fanampiana tamin'ny fanamboarana madinidinika ao an-tranon'ny fianakaviana Douglas.

Farany, niverina tamin'ny Alakamisy 5 Novambra izy ireo. Nivory izahay ny Asabotsy 8 Novambra mba hametrapetraka farany ny fandaharana amin'ny fetibe:

Toerana: Fiarahamonina Betania / Daty: 2 Desambra 2014

Atrikasam-pampitambaovao ataon'olon-tsotra (tanora 50)

  • Sakafo maraina
  • 08:30 maraina: Fiofanana momba ny fampitam-baovao ataon'olon-tsotra amin'ny alalan'ny fampiasana finday
  • Fampiharana: Fitsangatsanganana manerana ny fiarahamonina amin'ny fanatontosana tatitra am-peo
  • 11:30 maraina: Tombana momba ny tatitra sy tamberin'asa
  • 01:00 atoandro Sakafo atoandro
  • 02:00 hariva: Hetsika ara-panatanjahatena

Ny fandaharan'ny fetibe:

  • 05:00 hariva: Fiarahabana sy fanokanana ny Fetibe (mpanatrika 300)
  • 05:30 hariva: Hetsika ara-kolontsaina, hira, dihy sy tantara tsangana
  • 06:15 hariva: Fandefasana tantara am-peo 3 avy amin'ny atrikasa maraina
  • 06:30 pm Fitantarana ataon'ireo zokibe Shipibo momba ireo tantara 4 nentim-paharazany
  • 07:30 hariva: Fanomezana loka hoan'ireo hetsika ara-kolontsaina
  • 08:00 hariva Famaranana
  • 08:15 hariva Sakafo hariva

Hahazo fiofanana fanamafisam-pahaizana amin'ny volana Janoary 2015 izay hotontosaina ao amin'ny biraon'ny Fikambanana Arkana ireo tanora izay nahavita tatitra am-peo 12 tsara indrindra. Harakitra mba hatonta sy hadika amin'ny teny Espaniola sy Anglisy ireo tantara ara-kolontsaina ireo.

Amin'ny toro-hevitry OJIRU, mpianatra telo avy amin'ny Oniversiten'ny Kolontsaina mifandray ao Amazonia Peroviana no hanatevin-daharana ny ekipa Chariboan ho fomba iray hanamafisana ny fanohanana. Fanampin'izany, hanome fanohanana ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo Sydney Morical, Arkana Alliance, indrindra amin'ny fanaovana tatitra. Miandry fanamafisana hafa amin'ny fandraketana an-tsarimihetsika ny fetibe ihany koa izahay.

IMG_1081

Masoandro mody ao Betania aorian'ny orana. Sarin'ny tetikasa.

Misaotra namaky ny lahatsoratra, ary miarahaba ny rehetra.

Nadikan'i Eddie Ávila tamin'ny teny Espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.