Vokatra Landihazo ao Ouzbékistan : Volamena Fotsy Mampanankarena Ny Fitondrana Fa Tsy Ny Vahoaka

Buses take children and adults alike to pick cotton in Uzbekistan's fields. Screenshot taken from video uploaded by Kudrat Babadjanov.

Tsy ny olon-dehibe ihany no taterin'ny bus fa ireo ankizy ihany koa amin'ny fanangonam-bokatra landihazo any an-tsaha ao Ouzbékistan. Pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary nampiakarin'i Kudrat Babadjanov.

Efa tapitra amin'ny fomba ofisialy ny fotoam-piotazana landihazo ao Ouzbékistan. Na dia izany aza, araka ny tatitra voaray, dia manohy ny asa any an-tsaha ireo mpampianatra sy ankizy tokony handeha hianatra. Fantatra terivaimanta ataony amin'ireo tantsaha tsy mahatratra ny tanjona amin'ny fiotazam-bokatra ireo mpitondra ao amin'ny faritany, nefa nisy ny fampitam-baovao vao haingana nilaza fa mandeha lalan-kafa fa tsy mankany amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny vola miditra amin'ny vokatra. Olona vitsy manana fifandraisana amin'ity repoblika karazana jadona ity no gaga tamin'izany zavamisy izany.

Fantatra amin'ny fampanaovana asa an-terivozona ary indrindra amin'ny fampiasana ankizy i Ouzbékistan. Tamin'ny taona 2009, nitatitra ny vaovao avy amin'ny Sekolin'ny Fianarana ny [fisainana] Tatsinanana sy Afrikanina ao Londra fa farafahakeliny 86% n'ireo sekoly tao amin'ny faritra nandalovan'ireo mpikaroka momba ity fanadihadiana ity nandritra ny fiotazam-bokatra tamin'ny taona 2008, no niharan'ny fanerena avy amin'ny governemanta tsy maintsy hiasa. Ankizy tanelanelan'ny 11 ka hatramin'ny 14 taona ireo niharan'izany ary noheverina fa haangona landihazo 15-70 kilao isan'andro, arakaraky ny taonan'izy ireo sy ny fotoam-pahavokarana. Enin-taona taty aoriana, na dia teo aza ny fahombiazana teo ho eo ihany tamin'ny fanentanana hanerena ireo orinasa hanao fahirano ny landihazo ouzbek, tsy dia nampiova zavatra firy tao amin'ny firenena izany. Ouzbékistan no mpamokatra be indrindra fahaenina manerantany tamin'ny fiotazana farany teo, ary nanampy tamin'izany ny fampiasana ankizy.

Nilaza ny tatitra tamin'ny volana lasa teo fa mankany amin'ny renivola ampiasaina ivelan'ny tetibola antsoina hoe Selkhozfond, izay manjavozavo tanteraka ny momba azy ny vola miditra avy amin'ny vokatra. Voatery nampiasa ny loharam-baovao rehetra teo am-pelantanany ireo mpanoratra ny tahirin-kevitra avy amin'ny fikambanana Soros miresaka ny Sehatry ny landihazo ao Ouzbékistan : fitobaky ny vola sy fizarana loharanon-karena, izay niara-niasa tamina mpiasam-panjakana teo aloha tamin'ny fanatontosana ny tatitra mba hamantarana fotsiny ny anaran'ny talen'ny Selkhozfond, Shukrullo Umurov.  

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Uznews.net, tranokalam-baovao tantanin'ireo mpila ravinahitra ouzbek, nilaza ny iray tamin'ireo mpanoratra ny tatitra, Alisher Ilkhamov, fa mino izy fa ny filoha ouzkbek Islam Karimov no mahazo tombotsoa voalohany indrindra amin'ny fidiram-bola. 
 
Niombo-kevitra amin'izany i Chip, mpaneho hevitra ao amin'ny Uznews.net:
 
Каримов бессовестно нарушает уголовный кодекс по статьям “мошенничество” “присвоение государственнного имущества” и т.д. Вся экономика построена как криминальная. Всё наворованное отправляется в банки Запада, и поэтому “белых и пушистых” банкиров можно рассматривать как главных виновников всех бед страны

Manitsakitsaka tsy amin-kenatra ny fehezan-dalàna famaizana amin'ny andinin-dalànany mikasika ny “hosoka”, “fakana harem-bahoaka”, sns [ny Filoha ouzkbek Islam] Karimov. Novolavolaina ho ao anatin'ny toekarenan'ny mafia avokoa ny toekarena rehetra. Mankany amin'ny banky Eoropeana ny vola nangalarina. Tompon'andraikitra amin'ny fahantran'ny firenena ireo mpiandraikitra “fotsy sy malefaka” ao amin'ny banky .

 
Mpamaky iray hafa, Nablyudatel, nangataka an'i Ouzbékistan mba hanisy fanitsiana ny sehatry ny landihazo, izay mampidi-doza, na eo amin'ny tontolo iainana na eo amin'ny sosialy. 
 
Нужно ли реформировать отрасль, которая постоянно испытывает такие напряжения и всё больше разрушает экологическую среду? В климатических условиях Узбекистана гораздо более прибыльным и экологически безопасным было бы выращивать и перерабатывать овощи и фрукты, а хлопок – это культура рискованная для земледелия страны. 

Tsy tokony hanisy fanitsiana sehatra iray tsy mitsahatra mizaka olana sy miha-manimba hatrany ny tontolo iainana ve isika? Manoloana ny fepetran'ny toetr'andro ao Ouzbékistan, tsara kokoa sy miaro ny tontolo iainana kokoa ny mamboly voankazo sy legioma. Mampidi-doza hoan'ny fambolena ao amin'ny firenena ny landihazo.

 
Na dia izany aza, hoy izy nanampy :
 
Но реформировать хлопковую отрасль (а тем более отказываться или резко уменьшать площади под хлопок) режим Каримова не в состоянии, потому что, как справедливо указано в статье, хлопок кормит этот режим. Именно режим, а не граждан страны.

Tsy mahavita mitondra fanitsiana amin'ny sehatry ny landihazo ny fitondrana Karimov (na koa manafoana izany na mampihena ny famokarana) satria araka ny voalaza indrindra amin'ny lahatsoratra, mampanankarena ny fitondrana ny landihazo, fa tsy ny olom-pirenena.

 
 
Manampi-tsofina ny governemanta ouzbek manoloana ireo antso mba tsy hampiasa ankizy intsony amin'ny famokarana. Fanampin'izany, nitatitra ny mpanao raharaha ouzbek RFE/RL, Ozodlik, tamin'ny 29 oktobra fa namono ireo tantsaha izay tsy manaja ny fetra tratrarina amin'ny famokarana ireo hokims sasany [lehiben'ny fitantanana ny faritra] no .  
 
Nilaza i lkhamov sy ny mpiara-manoratra taminy Bakhodyr Muradov fa noho ny tahotra eo amin'ireo hokims sao ho very asa no anton'izany fihetsika izany:
 
Noho ny tsy fahatratrarana ny tanjona, mety ho tafala amin'ny asany ireo hokims ao an-toerana. Mety iharan'ireo andian-tsazy ara-toekarena sy ara-panjakana ireo tantsaha, tafiditra amin'izany ny fanenjehana ho nanao heloka bevava sy ny fanomezana indray ny tany fambolen'izy ireo hoan'ireo tantsaha hafa. 
 
Tamina lahatsoratra bilaogy tao amin'ny Uznews.net, “Nahoana no tsy maintsy mamokatra landihazo aho?”, nanazava ny antony mahatonga ny Ouzbek manohy ny asa asa mafy hoan'ny governemanta tsy andraisan-karama ilay mpanoratra gazety Kudrad Babadjjanov :
 
согласно 37 статье конституции страны, принудительный труд запрещается. И этот запрет подкреплен седьмой статьей Трудового Кодекса Республики Узбекистан. Но что если такой приказ отдает премьер-министр, а то и президент, а привлекается многомиллионное население? А если те самые, кто написал эти законы, те же прокуроры, милиция, спецслужбы и армия направлены на тебя, чтобы ты собирал хлопок – куда денешься?

Mandràra ny asa an-terivozona ny adinin-dalàna faha-37 ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblikan'i Ouzbékistan sy ny andinin-dalàna faha-7 amin'ny fehezan-dalàna momba ny asa. Kanefa, saintsaino hoe ny Praiminisitra na indrindra koa ny filoha no manome baiko [hamokatra landihazo], ary mankatò ireo olona an-tapitrisany? Saintsaino hoe mitodika any aminao ary manery anao hamokatra landihazo ireo olona namolavola izany lalàna izany, ny mpampanoa lalàna, ny polisy, ny sampam-piarovana sy ny tafika  – inona ary no hataonao? 

 

 
Mpaneho hevitra iray ao amin'ny Uznews.net, A.Sh., nanome ny valinteniny manokana mikasika ny fanontanian'i Babadjanov voalohany:
 
“Почему я должен собирать хлопок?” Потому что его насадили. Нужно отказаться от выращивания хлопка вообще в Узбекистане. Хлопчатник плантационная техническая культура, требующая непрерывного ухода и много воды.
А любые плантации требуют рабов и колониальной системы управления. В Узбекистане с его многочисленным населением нужно выращивать продукты питания. Но тогда рухнет этот колониальный режим. Можете представить Узбекистан без хлочатника? 

Nahoana no tsy maintsy mamokatra landihazo aho? Satria efa nambolena izy. Tokony handao tanteraka ny fambolena landihazo ao Ouzbékistan isika. Mila karakaraina ary tondrahana foana ny voly landihazo. Mila andevo sy rafi-pitantanana ara-zanatany ny fambolena rehetra. Tokony hamboly sakafo mba hamelomana ny vahoakany marobe i Ouzbékistan. Raha izany, hirodana ny fitondrana zanatany. Azonao saintsainina ve i Ouzbékistan tsy misy landihazo?

 
 Amin'ny ampahany dia noho ny vokatry ny Fanentanana momba ny landihazo, marika goavana eo amin'ny sehatry ny fitafiana miisa eo ho eo amin'ny 130 no tsy nanjifa ny landihazo Ouzbek intsony, anisan'izany ny H&M, Levis, Lacoste sy Adidas. Nanomboka tamin'ny Ampira Rosiana ny fambolena goavana ny landihazo tao Azia Afovoany ary nihafaingana nandritra ny fotoanan'ny Firaisana Sovietika. Noho ny antony hafa, voatery niatrika tsikera ihany koa ireo firenena mpifanolo-bodirindrina an'i Ouzbékistan: Turkmenistan sy Tadjikistan noho izy ireo nanery sy manery olom-pireneny- anisan'izany ireo ankizy — mba handray anjara amin'ny fiotazana landihazo isan-taona.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.