Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17

Whoever is behind the 'satellite photo', their Photoshop skills leave much to be desired. Images mixed by Tetyana Lokot.

Na iza na iza nanao ilay ‘sarin'ny zanabolana” mbola tena tsy ampy ny fahaizany Photoshop. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Niteraka vazivazy tao amin'ny RuNet (aterineto Rosiana) ilay sary zanabolana vaovao mampiseho porofo tsy azo lavina fa tompon'adraikitra tamin'ny fianjeran'ny sidina MH17 Malaysia Airlines i Okraina.

Mikhaïl Leontiev, tonian-dahatsoratra sady mpanolotra ny fandaharana hariva “Odnako” (Na dia izany aza) ao amin'ny fahilalavi-panjakana Kremlin OneTV no namoaka ilay baombam-baovao : Mpanao ampamoaka Amerikana iray no nampiseho sary “zanabolana” ahitana voromby mpihaza mitifitra ny MH17. Notohizan'ity mpanolotra fandaharana Odnako ity tamin'ny fampisehoana taratasy voalaza fa avy amin'i George A. Bilt, manampahaizana momba ny fanamoriana fiaramanidina manana traikefa nandritra 20 taona izany, fantatra fa niombo-kevitra tamin'ny governemanta Rosiana izy fa ny voromby mpihaza Okraniaina no nitifitra ny MH17 -fa tsy balafomanga Buk fehezin'ny separatista manohana ny Rosiana. Naseho toy ny porofo ilay sary. Sady tsy manjavozavo no tsy nasiam-panovana na koa hoe mampisalasala ilay sary: Raha ny marina dia mazava tsara ny sary.

The image Russian state TV claims is proof that MH17 was shot down by a Ukrainian fighter jet. Screenshot from 1tv.ru.

Ny sary nolazain'ny Fahitalavi-panjakana Rosiana ho porofo fa notifirin'ny voromby mpihaza Okraniana ny MH17. Pikantsary avy amin'ny 1tv.ru.

Mampiseho ny MH17 somary eny avaratr'i Donetsk voatifitr'ilay “voromby mpihaza”, voalaza fa an'i Okraina ilay sary, ary ahitana balafomanga eny an-dalana. Nizara ity vaovao ity avy hatrany ho porofo miharihary ireo bilaogera mpanohana ny Kremlin sy sampam-baovao Rosiana, ary nilaza fa tsy iadian-kevitra intsony izay nolavin'ny ankamaroan'ireo Tandrefana fa teti-dratsy. Na dia izany aza, araka ny fanamarihana avy hatrany nataon'ny mpiserasera rosiana marobe, tsara loatra ilay sary raha ho apetraka ho marina.

Nanamarika tsy fetezana tamin'ny loharanon-tsarin'i  Mikhaïl Leontiev avy hatrany ilay mpisera Twitter Rosiana Abu: nahita ity sary zanabolana ity tamin'ny lahatsoratra efa taloha tao amin'ny habaka forum tamin'ny Oktobra i Mikhaïl   :

Efa iray volana ity sary ity

Eh, ary zavatra farany. Donetsk no hita amin'ilay sary, ary tsy tapaka teo akaikin’ iSnezhnoye ny fifandraisana tamin'ilay voromby. Ary diso toerana ny fangon'ny sidina Malayziana Ariline. 

Nanao fikarohana sary tamin'ny Google momba ny “Boeing tazanina avy eny ambony” ilay bilaogera malaza sady mpanolo-tsainan-tanànan'i Moskòa Maxim Katz, nampiseho sary mampisalasala mitovy tahaka izany ny valin'ny fikarohana voalohany: 

Mahaliana, ni-google sarina Boeing tahaka tahaka izao ihany koa ve izy ireo ? Sa fifandrifian-javatra? Ny sary voalohany tamin'ny fikarohana “Boeing tazanina avy eny amboniny”

Araka ny antsipirihany voalaza tao amin'ny kaonty malaza LiveJournal an'i Ilya Varlamov, nipoitra ihany koa ny lisitra lavabe misy ireo tsy fitezena hafa rehefa manadihady ilay sary, anisan'izany ny fomba fiforonan'ny rahona sy ny saha amin'ny sary zanabolana mitovy tanteraka amin'ny sary zanabolan'i Yandex sy Google Map tamin'ny taona 2012.

Raha vao hita fa mazava fa tsy porofo mivangana araka ny hiheverana azy ity sarin'ny zanabolana ity, nanapa-kevitra hivazivazy momba izany ny RuNet, nizara teorian'ny teti-dratsy tafahoatra sy nitsikera ny fahaizana Photoshop na iza na iza ambadik'ilay sary.

#version Notifirin'ireo ivelan-tany (extra-terrestre) manana fisainana fasista ilay Boeing… 

Naka sary akaiky ny fotoana nifitfiran'ny voromby mpihaza Okraniana ny Boeing Malayziana ny mpakasarintsika.

TSY MAINTSY MIPOITRA FOANA NY MARINA! Ao amin'ny sary, hita mazava fa ny elatry ny voromby mpihaza, izay nitifitra ny Boeing dia miloko ny amboradara Okraniana!

Toa hita fa ny fipoiran'ny teorian'ny teti-dratsy tampoka momba ny MH17 sy ny porofo tsy azo lavina amin'ny fahadisoan'i Okraina dia toa valintenin'i Kremlin amin'ireo andian-dahatsoratra mikasika ny fianjeran'ny MH17 navoakan'ny habaka mpanadihady ifarimbonana bellingcat tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Raha tsy hoe mety ho fitaka hisarihana ny sain'izao tontolo izao sy ny Rosiana tsy hitodika amin'ireo zava-mitranga hafa ao Rosia izy ity, tahaka ny fitongangan'ny toekarena. Mety tsy fantatsika hoe izay no antony nanapahana fa hevitra tsara ny mametraka lohateny sary namboarina amin'ny fahitalavi-panjakana, saingy mazava fa tsy vao sambany ny governemanta Rosiana no manao izay tiany amin'ny fampisehoana sary, tahaka ny amin'ity tranga ity, manoloana ny tsy fitongilanan'ny asa fanaovan-gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.