Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh

Screenshot of Google Bus from the Intro Video on YouTube

Pikantsarin'ny Google Bus avy amin'ny Lahatsary YouTube (tsindrio raha hijery ny lahatsary)

Mandehandeha manerana an'i Bangladesh  ny ekipan'ny teknolojia goavana Google mba hampianatra ireo mpianatry ny kolejy sy ny oniversite ao Bangladesh mikasika ny fomba tsara ampiasàna ny aterineto. Hitsidika fianarana 500 ao amin'ny toerana 35 manerana ny firenena Azia Atsimo ity Google Bus, zava-baovao miavaka velomin'ny finday aterineto 3G ity.

Miha-maro ireo vahoakan'i Bangladesh miditra aterineto, noho ny finday aterineto 3G. Nandritra ny roa taona, niakatra ho 20 isanjato ny fidirana amin'ny aterineto raha 5 isanjato monja izany tamin'ny taona 2012. Tsy dia nahazo fampianarana sahaza amin'ny fampiasana izay mahasoa amin'ny aterineto sy ny fampitam-baovao ireo mpiserasera vaovao ireo, indrindra fa ny tanora.

Mikasa hanova izany ny tetikasa Google Bus, tsy mionona fotsiny ihany amin'ny ahafahan'ireo mpianatra miditra aterineto fa ahafahan'izy ireo mianatra momba ireo fitaovana vaovao manampy azy ireo amin'ny fianarana sy ny fandrosoana ihany koa ary ahafahana manatrika fotoam-pampianarana tarihin'ny mpampiofana. Afaka hampiasa fitaovana Android misy aterineto ihany koa ireo mpianatra mandray anjara amin'izany tetikasa izany.

Efa nitsidika kolejy sy oniversite maromaro tao amin'ny renivohitra Dhaka ilay bus. Amin'ny volana hoavy, hanomboka ny diany manerana ireo ivom-pampianarana ambony ao sy manodidina an'i Chittagong, Khulna, Sylhet, Rajshahi, Rangpur, Barisal ary tanàndehibe hafa ny bus.

Naneho ny firehetam-pony tamin'ity tetikasan'ny Google ity ireo mpiserasera:

Mandehandeha manerana an'i Bangladesh ny Google mba hampianatra aterineto amin'ireo mpianatry ny kolejy sy oniversite.

Manomboka ny diany ao Bangladesh ny Google Bus, avy amin'ny @bdnews24com

Miloka [matoky] ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) ny Google… ary koa ! Tongasoa ianao Google!

Mpianatra marobe no nizara ny traikefan'izy ireo tao amin'ny pejy iombonana Google Plus. Ao ohatra i Murad Hossain avy ao amin'ny Kolejy Adamji Cantonment nandefa hoe:

The Google bus team came to our #ACC college Campus..It's just great 🙂 Though it's new to me but feeling excited. Hope in Bangladesh it will spread soon and gain popularity…

Tonga tato amin'ny faritry ny fianaranay #ACC ny ekipa Google Bus. Mahafinaritra 🙂 Zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…

Orpita Ahmed (Bristy) nanoratra hoe:

Hi, I'm bristy from tejgaon college. I like Google Bus. It is very essential for our daily life. So I like it very much.

Manahoana, Bristy avy ao amin'ny kolejy Tejgaon aho. Tiako ny Google Bus. Tena ilaina amin'ny andavan'androm-piainana izy. Ka tena tiako tokoa.

Tao amin'ny bilaogy Bangladeshy Jhalmoori, Ahmed Rabib Towsif nanazava ny dikan'ny Google Bus:

Google as we all know by their search engine is a multinational company with a mission to organize the world’s information and make it universally accessible and useful. With the Google Bus Bangladesh initiative it would not only benefit the youth from today, but benefit the whole country tomorrow.

Google araka ny fantatsika amin'ny alalan'ny milina fikarohany dia orinasa marorantsana amin'ny firenena maromaro izay manana andraikitra hikarakara ny vaovaon'izao tontolo izao sy hahatonga izany ho azon'izao tontolo izao hidirana. Amin'ny tetikasa Google Bus Bangladesh, tsy ny tanora ankehitriny ihany no mahazo tombotsoa amin'izany fa ny firenena iray manontolo rahatrizay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.