Venezoela: Manokatra Lalam-Baovao Hanaovan'ny Manampahefana Sivana Antserasera Ny Volavolan-dalànan'ny E-Varotra

https://www.flickr.com/photos/venex/2155768540

VEF Venezoeliana. Sary avy amin'i Jorge Andrés Paparoni tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Manome fahefana vaovao hoan'ny CONATEL (Vaomieram-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra ao Venezoela) ny volavolan-dalàna vaovao momba ny e-varotra (varotra antserasera) mba hanakatonana ireo habaka hita fa manitsakitsaka ireo fepetra aman-dalàna mifehy izany.

Mametraka karazana adidy vaovao hoan'ny olo-tsotra na hoan'ny orinasa izay manao fandraharahana amin'ny alalan'ny elektronika ny volavolan-dalàna, ka anisan'izany ny adidy “fandefasana faktiora elektronika”, izay tsy maintsy mifanaraka amin'ireo fepetra takian'ny SENIAT (fahefana misahana ny hetran'ny firenena), sy ny “fanatanterahana ny fampiasana sertifikà elektronika” omen'ny mpanao raharaha amin'ny fanomezana fanamarinana elektronika ankatoavin'ny Mpitantan-draharaha ambony momba ny Raharaham-Panomezana Sertifikà Elektronika. Mitaky ihany koa ny volavolan-dalàna fa ny fifanakalozana e-varotra rehetra mandalo ny sisintany Venezoeliana dia atao amin'ny vola Bolivares (VEF), mari-bolan'ny firenena. Hoan'ny firenena izay eo amin'ny faha-11 taonany amin'ny fanarahamaso hentitra amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny vahiny, dia mitondra mankany amin'ny sakeli-dalana marobe momba ny zo ara-toekarena sy ny zo antserasera ilay volavolan-dalàna:

Article 60. Conatel may administratively, based on a conclusive report by National Superintendency for the Defense of Socio-Economic Rights, proceed to block foreign or national web sites providing goods or services in the Bolivarian Republic of Venezuela, when they do not meet the requirements of this Act, without prejudice to other administrative, civil and criminal penalties under the law and the current legal system.

Andinin-dalàna faha-60. Ny Conatel dia afa-manakatona, ara-pitantanana, sy araka ny tatitry ny Mpitantan-draharaha ambony Nasionaly hoan'ny Fiarovana Ny Zo Ara-tsosialy sy Ara-toekarena, izay tranonkala vahiny na ao an-toerana mamatsy entana na tolotra ao amin'ny Repoblika Bolivariana ao Venezoelà , raha tsy manaja ireo fepetra takian'ity andinin-dalàna ity, ary tsy misy fifanitsahana amin'ny sazy hafa ara-panjakana, sivily na heloka bevava araka ny voalazan'ny lalàna sy ny rafi-dalàna misy ankehitriny.

300 dolara USD isan-taona ihany farafahabetsany no azon'ny Venezoeliana ampiasaina amin'ny fifanakalozana elektronika amin'ny vola vahiny. Hametrahana famerana hafa amin'ny fahalalahana ara-toekarena sy an-tserasera ao amin'ny firenena ihany koa ny lalàna vaovao.

Ao anatin'ilay antsoina hoe “ady ara-toekarena” ity volavolan-dalàna manokana ity izay mikendry hiady amin'ny “fametrahana vidin'entana tsy ara-drariny”, volavola natolotry ny governemanta ho setrin'ny tsy fisiana sy ny fiakaran'ny vidim-piainana izay tafakatra 63% tamin'ity taona ity araka ny tahirin-kevitra ofisialy avy amin'ny Banky Foiben'i Venezoela. Amin'ireo entana tahaka ny fanafody sy vokatra ara-pahadiovana izay sarotra matetika ny mahita azy eny amin'ny tsena mahazatra, vonjy aina hoan'ny Venezoeliana ny varotra antserasera, ahafahan'izy ireo mividy entana izay na tsy misy eny an-tsena na lafo loatra. Ahafahan'ny manampahefana manakatona ireo tranonkala mikendry hivarotra entana amin'ny alalan'ny elektronika ny volavolan-dalàna vaovao.

Venezuela e-commerce law

Nandritra ny taona, banga avokoa ireo talantalana ao amin'ireo magazay maro. Sary avy amin'i S Figueroa tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 2.0)

Hatramin'ny nahalany ny Lalànan'ny Andraikitra Sosialy hoan'ny Radio, Fahitalavitra ary ny Media Elektronika tamin'ny taona 2010, ny CONATEL no nanana fahefana ara-dalàna hanakatona izay tranonkala tsy mifanaraka amin'ireo andiana fepetra amin'ny resaka votoaty. Tamin'ny taon-dasa, tranonkala maherin'ny 300 namoaka vaovao momba ny varo-maizina amin'ny vola vahiny no nakatona noho ny baiko avy amin'ny filoha Nicolas Maduro.Tamin'ny taona ity, nampiasaina ihany koa izany fahefana izany mba hanakatonana ireo tranonkalam-baovao hita fa manitsakitsaka ny lalàna, ireo vokatra ara-pifandraisana mety amin'ny finday toy ny Zello, sy fitaovana fandravana sivana tahaka ny TunnelBear.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.