Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso

forced to fleeNoho ny atrikasa fampitàna tantara amin'ny taokanto natao ho an'ny maso dia vitan'ny vondron'ankizy mpitsoa-ponenana ao Myanmnar (Birmania) ankehitriny ny mitantara ny zavatra niainany tamin'ny fandosirana ny tranony ravan'ny ady. Ireo fanaingoana tany amin'ireny seminera ireny dia niasa ho toy ny fitaovana nahomby nanampy tamin'ny fahatakàrana ny fandravàna nateraky ny ady an-trano naharitra taompolo maro tao amin'ny firenena.

Miaraka amin'ny fanampian'ireo havana aman-tsakaiza, Erika Berg, Amerikana mpanoratra, no mitantana ireny atrikasa ireny noho ny antony roa : fampiroboroboana ny fandriampahalemana ao Myanmar ary fanomezana fitsaboana ireo mpitsoa-ponenana tratry ny dona mafy. Namokatra sary hosodoka maherin'ny 200 ireny seminerany ireny, izay hatambatra ho boky iray atsy ho atsy, hitondra ny lohateny hoe “Voatery nandositra: Tantara an-tsary avy amin'ireo tanora mpitsoa-ponenana ao Birmania.”  Manantena i Berg ny hamoaka ilay boky amin'ny fampiasàna ny fikaroham-bola Kickstarter .

Misy maherin'ny 120.000 ireo mpitsoa-ponenana miaina amin'izao fotoana izao ao amin'ilay toby manaraka ny sisintany iraisan'i Thailand sy Myanmar. Mandritra izany, maherin'ny 100.000 avy amin'ny foko Kachin sy Shan no mbola miaina any amin'ireo toby raha ny olona nafindra toerana avy ao anatiny ihany no resahana. Fitondrana jadona miaramila no nifehy an'i Myanmar hatramin'ny 1962. Tato anatin'ny taona vitsivitsy anefa, niatrika fanovàna ara-politika ny firenena, nitondra nankany amin'ny fifidianana, fanafahana ny sasany tamin'ireo gadra noho ny politika, ary fametrahana governemanta sivily tohanan'ny miaramila.

Kanefa, mbola mijanona tsy nahitàna vahaolana ny fàkan'ny fifandiran'ny samy foko, solika mandrehitra ny ady an-trano naharitra indrindra teto amin'izao tontolo izao. Misy ezaka maro hamerenana ny fandriampahalemana efa atao any mba hampiroboroboana ny fampihavanam-pirenena, saingy mitohy manerana ny firenena ny ady an-trano. Teboka manan-danja ho an'ilay dingana marefo hikatsahana fandriampahalemana ny fifidianana hatao amin'ny taona ho avy io.

Mandritra izany fotoana izany, an'aliny maro ireo mponina am-bohitra no mbola voafantsika any anatin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana, ary mbola betsaka ny olona voatery mifindra toerana noho ireo fifandonana mitsitaitaika eo amin'ny tafika sy ny mpihoko.

burma map

Fanehoana ho an'ny maso an'i Myanmar. Manana foko maherin'ny 100 ilay firenena.

Tao anatin'ny asa an-tsitrapo tanterahany no nahaizan'i Berg fa “manana tantara mandindona, mendri-kaja, ary azo hakàna aingam-panahy ny tiany hozaraina” ireo mpitsoa-ponenana tsirairay avy. Tao anaty tafatafa iray niarahany tamin'ny “Burma Study Center”, manazava izy hoe :

Ireo tanora mpitsoa-ponenana izay nandray anjara tamin'ilay atrikasa fampitàna tantara amin'ny taokanto natao ho an'ny maso dia nalaky nahatakatra fa tsy hoe fotsiny niharam-boina ry zareo. Sisam-paty sy vavolombelona ry zareo, izay mendrika ny ho re – ary ilaina heno – ny tantarany

Lazain'i Berg fa ny boky hatambany dia afaka hanampy amin'ny fampielezana ny fanairana mikasika ny fiarovana ny fandriampahalemana ao Myanmar:

Ny ‘Voatery nandositra’ dia mampiseho fa ny toe-po voizina sy avoitran'ny sary tsotra iray nentina hitantaràna dia afaka milaza tantara iray ahitàna teny an'arivony, manokatra fo maro ary manangana tetezana ho amin'ny fahafantarana. Ao anatin'ity boky ity, trandrahan'ireo tanora mpitsoa-ponenana ny herin'ny taokanton'ny fitantaràna mba hanomezany endrika ny olana momba ny zon'olombelona ary hampiroboroboana ny fandriampahalemana ara-drariny sy iarahan'ny rehetra ao Birmania.

Vita sary miainga avy any amin'ny aty lalin-dry zareo, ny fomba fijerin'ny ankizy iray no azontsika mikasika ny atao hoe voatery mandositra ny tany niaviana ary miaina any an-tsesitany, toy ny enjehin-javatra – ary atosiky ny dona ratsy nateraky ny lasa.

A young refugee during a visual storytelling workshop.

Tanora iray mpitsoa-ponenana, nandritry ny atrikasa fampitàna tantara amin'ny taokanto natao ho an'ny maso

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoana an-tsary nataon'ireo tanora mpitsoa-ponenana:

forced to flee visual art

refugee painting

refugee escape

A child refugee who painted this felt "as if he was being watched by Burma’s then military junta."

Ilay ankizy mpitsoa-ponenana nanao ity sary ity dia niteny fa tsapany ho toy ny “hoe arahan'ny miaramila mpanao jadona tamin'izany fotoana izany maso izy,” eny fa na dia efa nandao ny fireneny aza.

"The visual story was painted by an undocumented Chin migrant boy in a textile factory...(it is a) picture of the boy's dream (which came true)".

“Fitantarana amin'ny taokanto ho an'ny maso, sary nataonà zazalahy Chin mpifindra-monina tsy manana antontan-taratsy momba azy, tao aminà orinasa iray fanaovan-damba […]. [ity dia] sarin'ny nofinofin-drazazalahy (izay tanteraka).”

Manamafy ny lanjan'ilay tetikasa hamoaka boky i Cathy Malchiodi, mpitsabo amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny taokanto:

Manome voninahitra ny taokanton'ny fitantarana amin'ny endrika hita maso ataon'ny tanora, milaza ny tantarany momba ny tsy rariny sy ny habibiana, ary manome antsika varavarankely mitodika any amin'ny fahafahana mitsabo sy manonitra ny tsy mety amin'ireo tanora sisam-paty ireo izany. Indrindra indrindra, mampahatsiahy antsika ny fanomezan'ireny taokanto ataon'ny ankizy ireny fomba fijery tsy hay tohaina, azy manokana sy mazàna lalina dia lalina momba ny fiainan-dry zareo  ka hatramin'ny fomba iray hafa hahafantarana ny ataony ho marina ho azy ireny.

Naw K'nyaw Paw avy amin'ny fikambanana ara-pokon'ireo vehivavy “Karen Women” dia nanoratra fa hoe ilay boky “tano ny ady, navoitran'ireo tanora mpitsoa-ponenana izay miaina azy isan'andro vaky.” Milaza fideràna ihany koa i Poet May Ng :

Tsy mbola nahita velively aho fomba fanehoana mahery sy azo ianteherana momba ny dia lavitr'ezaka nataon'ireo mpitsoa-ponenana avy any Birmania. Asa mendrika ity, goavana noho hetsika ho an'ny demaokrasia ao Birmania sy ny fifandonan'ny foko samy foko. Natao ho an'izao tontolo izao ny hafatra.

Tia mamaky tantaran'ankizy ny olon-dehibe, saingy misy fotoana rehefa tokony hihaino izay lazain'ny ankizy isika, indrindra fa rehefa mikasika ny fihetsehampony izany na ny zavatra niainany ny ady. Ny taokanto natao ho an'ny maso noforonin'ireo tanora kely mpitsoa-ponenana ao Myanmar dia iray amin'ireny vintana hamelàna ny ankizy hanao fifampiresahana ireny.

Sary sy fananingoana avy amin'i Erika Berg, fampiasàna nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.