Fonja Any Bahrain: Angano-nà Fampijaliana

Daih, Bahrain. 28th February 2014 -- In front of the mourning rally banners with Jaafar Aldurazi's picture. -- Bahraini security forces fired tear gas and stun grenades on protesters after funeral of Jaafar Aldurazi. who died in custody allegedly due to medical neglect and torture in prison. Copyright: Demotix

Daih, Bahrain. 28 FebrOary 2014 — Manoloana ny takelaka misy ny sarin'i Jaafar Aldurazi, nandritra ny diabe fitokonana sady fisaonana. — Nanipy entona mandatsa-dranomaso sy grenady mamono sofina ireo mpitandro ny filaminana Bahraini taorian'ny fandevenana an'i Jaafar Aldurazi. izay maty tany ampitazonana azy, lazaina fa noho ny tsy fitandremana ara-pitsaboana sy ny fampijaliana azy tany am-ponja. Fizakàmanana: Demotix

Nikiakiaka izy, sahala amin'ny hoe nodarohana. Afaka nandre ny kiakiakany ireo voafonja. Nampiseho tarehy simbasimba, karandoha vaky, taolan-takibany tapaka, ary voa vaky, ny fizahàna natao taminy. Ndeha hihaona amin'i Hasan Alshaikh, 36 taona, izay maty noho ny fampijaliana azy tany am-ponjan'i Bahrain. Nahavita nihoatra noho ny antsasaky ny saziny izy.

Ny 6 Novambra 2014, nandefa bitsika ny Minisitry ny Atitany tao Bahrain fa nisy voafonja maty tao am-ponja:

Voafonja iray, 36 taona, teo amin'ny Fitantanan-draharahan'ny Fanovàna sy Fanavaozana, izay voaheloka noho ny resaka rongony no maty. Efa voalaza ireo ambaratonga voakasik'izany

Ho fanamarihana fanampiny, voalaza fa tsy fahafatesana tsotra no nahafaty azy

Misy ahiahy vono olona ao ambadiky ny fahafatesan'ilay voafonja http://t.co/cXaSB9YR4H 

Nanjohy ny lisitr'ireo voafonja hafa, farafahakeliny niisa dimy, izay maty noho ny fampijaliana tany Bahrain, hatramin'ny taona 2011, i Hasan Alshaikh, ary niarahako nifapizarana  taminy ny toe-javatra izay indrisy fa hita mahazatra aty amin'ny fireneko — samy efa nianjadian'ny fampijaliana izahay roa.

Ny alin'ny 30 Jolay 2013, nandeha natory aho, nisaintsaina zavatra tsy misy dikany, sahala amin'ny hoe inona ny zavatra hataoko amin'ny faran'ny herinandro, sy hoe tokony mbola hanohy ny fianarako mitendry piano ve aho. Tsy haiko akory hoe tsy ho eo an-tànako akory ireo fanapahan-kevitra ireo afaka kelikely.

Vao nangirandratsy ny 31 Jolay, nalaina teo am-pandriako aho ary nentina tany amin'ny Fitantanan-draharahan'ny Sampam-pitsikilovana (Central Intelligence directorate) (CID), izay nampijaliana ahy nandritra ny dimy andro.

Noho izaho efa niaraka niasa taminà fikambanana mpiaro ny zon'olombelona nandritra ny taona vitsivitsy, efa namaky fijoroana vavolombelona maro momba ny fampijaliana ao Bahrain aho, noho izany, efa tsara omana noho ireo hafa ny amin'ny zavatra mety hitranga aho. Tsy hoe mampisy fahasamihafàny be io, fa farafaharatsiny, nanampy ahy hitàna ny eritreritro ambony hatrany io. Nandritra ireo andro nitazonana ahy, nasiana rojo vy ny tànako ary notapenana ny masoko, fa mbola nahatsiaro saina aho ary ny zavatra nataoko dia ny hanohy hatrany hanao ny zavatra nanazarana ahy.

Nanomboka nanangona loharanom-baovao aho. Notazonina tao aminà efitra tsara ambina eo amin'ny enina metatra tora-droa eo aho. Asehon'ny sarintsarin'ilay efitra fa vao haingana io efitra io no nozarazaraina. Tsy tonga hatreny amin'ny valin-drihana ilay rindrina vita amin'ny hazo. Tsy nisy efitra maromaro tao, fa miezaka manome anao fahitàna ilay toerana ho lehibe noho ny tena izy ry zareo, amin'ny fampandehandehanana anao mitetitety mihodinkodina ao amin'ilay toerana.

Nanomboka nanao zavatra aho, toy ny nanisa ny isan'ny varavarana henoko mikatona rehefa manao ny fanaony isan'andro ireo mpiambina, manamarina tsara fa tsy misy matory na mipetraka ny rehetra (noterena hitsangana lalandava izahay). Nahitàna izany fa tsy misy efitra maro tao amin'ilay toerana. Zava-dehibe izany, satria midika izany fa afaka avadika ho efitra fampijaliana daholo ny tranobe rehetra, ary tsy mandaitra ilay fomba fiasa hatrizay izay mamela famantarana ao amin'ny toerana nitazomana ny olona.

Manala ny herinao ny fijanonana ela sady mifatotra ao an-damosina ny tànana. Rehefa ela ny ela, mijanona ny fikorianan'ny rànao ary voly tsy renao intsony ireo ratsam-batanao. Navela nandeha tsirairay isaky ny ekipa hankany amin'ny toerana fidoivana izahay, noho izay, manararaotra io fotoana io izahay na dia tsy te-hivoaka aza, satria io ihany ny mba hany fotoana hanalàna ny fatoran'ny tànanay.

Nahay nandefa ny tanako tao ambanin'ireo tongotro aho (voafatotra an-damosina ny tànanay) ary manalefaka kely ny fatorana, noho izany, rehefa mankao amin'ny toerana fidiovana aho, afaka namakafaka tsara ny toerana. Nanomboka voamariko hoe ahoana ny fizotry ny baiko avy amin'ny manamboninahitra mankany amin'ny mpiambina. Nahazo ny fijoroana vavolombelon'ireo voatazona aho tamin'ny firesahako tamin'izy ireo taty aoriana, fantatro teo fa rehefa mahazo tapakila maintso ianao eo amin'ny varavaranao, midika izay fa tsy mahazo matory na mipetraka ianao; ny tapakila mavo midika fa mahazo matory ianao ny alina; raha tsy misy n'inona na inona eo amin'ny varavaran'ny efitrao, midika izay fa mahazo mipetraka ianao. Zava-dehibe izany satria nampiseho fa misy antanan-tohatra sy fomba fiasa napetraka tao an-toerana. Tsy nisy fanapahan-kevitra nalaina samirery.

Nandritra ny fotoana fampijaliana ahy, nolazaina ahy ny tokony hoteneniko amin'ny lehiben'ny fampanoavana. Nolazain'izy ireo ahy ny fanontaniana mety hanontaniana ahy ary ireo valinteny tokony homeko. Ny zava-niseho dia tena nanontany ahy ilay fanontaniana mitovy amin'ny nolazain'ireo mpampijaly ahy mihitsy ilay lehiben'ny fampanoavana, dia nandresy lahatra ahy, fa tena misy tokoa ao Bahrain ny fifandrindrana izay noahiahiantsika hatrizay.

Nampitandremana aho fa raha mitaraina any amin'ny lehiben'ny fampanoavana fa nampijaliana, ho ampijaliana mafimafy kokoa aho. Tsy hilaza ny momba izany ny mpisolovava ahy, tokony efa niandry izany hiseho aho. Gadra maro no efa niatrika izany, satria nanontanian'ny lehiben'ny fampanoavana tsy teo anatrehan'ny mpisolovava azy izy ireo.

Rehefa nafindra tany am-ponja aho taty aoriana, tafahaona tamin'ny olona maro nahalala sy natoky ahy aho. Nijery ahy tamim-pitsiriritana ilay iray 16 taona niara-voatàna tamiko, raha nahita fa navela nampiasa solosaina entin-tànana aho. Satria sarotra ny mahita zavatra bitika sahala amin'ny solosaina any amin'ny toerana sahala amin'izany, tsy afaka nandà azy tsy hampiasa izany aho. Nomeko azy ny solosainako ary tena nahagaga ahy izy raha nanomboka ny tetikasany, ny fanamboarana sy fizaràna taratasy hofenoina ho an'ireo mpiara-nifonja, manontany azy ireo mba hanoratra ireo tantarany sy manazava hoe ahoana ny fomba nampijaliana azy ireo.

Ilay “rakitry ny fampijaliana”, araka ny fiantsoako azy io, dia mihoatra lavitra noho ny teny voarakitra an-taratasy — fampisehoana ny helo io. Mafy loatra ny mamaky ireo tantaran'ireo olona ireo, avy amin'ny toerana, vondron-taona ary faritra maro samihafa avy eto amin'ny firenena. Henatry ny fireneko io solosaina io ary porofon'ny tsy fahombiazan'ny andrim-panjakan'ny firenena iray. Nanamafy ny hevitro io fa resaka tena lasa lavitra noho ny eritreretintsika ny fampijaliana mitranga ao Bahrain.

Tsy nahagaga ny fahafatesan'ny gadra vaovao any am-ponja. Resaka fotoana fotsiny ny alohan'ny ahitàna olona reraka loatra ka tsy mahatanty ireo fomba fanao any amin'ireo fonjan'i Bahrain, ary fanampin'izany ny tsy fahampian'ny fikarakarana ara-pitsaboana, ny faharatsian'ny fonjantsika izay feno loatra ary ny fironana miakatra mankany amin'ny fanaovana herisetra.

Nataonà mpiasa telo amin'ireo mpitantana ao amin'ny fonja ny fampijaliana nitondra tamin'ny fahafatesan'i Hasan Alshaikh. Telo, midika fa fanapahan-kevitra iombonana io: tsy nisy tamin'ireo mpiasa telo nieritreritra fa tsy mety ny midaroka voafonja, izay mampiseho ny faneken'ny rehetra ny fampijaliana. Ilay mpiandraikitra ny kaonferansa famerenana ny fiainan'ireo mpidoroka rongony no iray tamin'ireo nampijaly an'i Hassan Alshaikh. Ny fametrahana azy eo amin'izany toerana izany dia mampiseho indray ny tsy fahombiazan'ny rafitra amin'ny fomba fiasa.

Tonga nanao vavolombelona nanaporofo ny fampijaliana sy ny famonoana an'i Alshaikh ireo valo hafa mpiasan'ny fonja. Ny antony hoe tsy nisy niroso nanakana ilay heloka rizy ireo fony niseho io tranga io dia porofo manamafy ny fiainana manaiky ny fampijaliana. Tsy afaka nanao afa-tsy ny nipetraka sy nihaino azy nikiakiaka sy niala aina ireo voafonja hafa.

Tsy ho farany amin'ireo tratry ny fampijaliana ao Bahrain i Hasan Alshaikh, indrindra raha mbola manohy mandokandoka ny “fanovàna” ataon'ny governemanta Bahraini ireo tandrefana mpiara-dia aminy. Mbola ratsy lavitra noho ny ompa reko isaky ny mihetsika tany am-pigadrana ny ambaratongan'ny ompa tsapako isaky ny mamaky ireo fanehoan-kevitra momba ny “fanovàna” avy amin'ireo namana sahala amin'ny Angletera aho, ary tsy manatsara ny nofy ratsiko isan-kalina izany.

Amin'ny anaran'i Hasan ary ireo hafa voafonja miisa 80, izay novakiako ny tantarany, mba te-hangataka zavatra aminareo aho: azafady, mba mandefasa bitsika na manoràta any amin'i Mr. Philip Hammond, Sekreteran'ny Raharaha Ivelany ao amin'ny Biraon'ny Commonwealth (Fiombonamben'ny tany miteny sy/na mampiasa ny teny Anglisy), ary mba hitaky aminy am-panajàna ny hampiatoany ny fanompàna antsika.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.