Japon: Nametra-pialana ny praiministra, ho ela velona anie ny mpandimby azy!

Resaka kolikoly, kobaka am-bava, firodanan'ny firaisan'ny governemanta…ireo no antony lehibe nampitotongana ny fitiavan'ny olona ny governemantan'i Yukio Hatayoma ho 17% tamin'ny faran'ny volana may, ary nitarika ny fametraha-pialan'ny praiminisitra zapone.

Andro vitsy izay no lasa taorian'ny fanambarany tamin'ny firenena ny fialany nandritra ny kabary nalefa nivantana tamin'ny fahitalavitra – izay voalazan'ny sasany fa io no kabariny “tsara indrindra” – izay nanambarany, toy ny hita tany amin'ny twitter fotoana fohy tato aoriana, ny hetahetany “hanangana antoko demokraty (PDJ) tsy misy tsiny any Japon.”

Tonga teo amin'ny fitondrana ny PDJ tamin'ny volana septambra 2009 taorian'ny fandresena miezinezina azony nanoloana ny “dinôzôro” ny antoko Libéral Democrate (PLD), antoko mpitana ny nentin-drazana izay nitondra an'i Japon nandritra ny 40 taona tsy niato (nisy fiatoana kely tamin'ny taona 1993). Taorian'ny nahalany an'i Obama tany Etazonia, dia nanatena ny ankamaroan'ny zapone fa ho tonga koa ny fotoan'ny “fanovana”, kanefa tao anatin'ny volana vitsivitsy izay dia efa niseho lany ny fanakianana sy ny tsy fahampian'ny fahaiza-mitantana teo amin'ny Hatoyama. rehefa tonga ny fotoana hanambarana ny fanapahan-kevitra farany teo amin'ny famerenana ny foibe miaramila amerikana any Okinawa, dia nilaza i Hatoyama fa tsy afaka manao na inona na inona, ary dia nirodana tahaka ny fianjeran'ny trano baoritra ny governemantany.

Seiken Koutai 2: Ny fahatezeran'i Kan, nataon'i Curzon ao amin'ny Mutantfrog Travelogue. Sary nahazoana alalana tamin'ny nanao azy.

Brad Rice ao amin'ny Japanator mamerina ny zava-niseho rehetra izay nanamarika ny lafiny politika tany Japon tato anatin'ny andro vitsivitsy:

Izay, tonga ihany rehefa farany: hitantsika indray ny faharesen'ny praiministra raha mbola tsy ampy herintaona akory no niasany. Tsy misy mihitsy, taorian'i Junichiro Koizumi, olona afaka niatrika ny fanamby momba ny fitantanana ny governemanta zapone.

Valo volana aty aorian'ny nialan'ny PLD tao amin'ny Kôtei (lapan'ny praiministra) miaraka amin'ny teny hoe “fanantenana” sy ny hoe “fanovana” tao amin'ny kabariny, dia niatrika olana isan-karazany ny PDJ, ny tena olana goavana teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia ny famerenana ny foibe miaramila tany Futenma any Okinawa. teo amin'ny sehatra anatiny kosa, nalaza tamin'ny resaka kolikoly ny fitondran'i Hatoyama niaraka tamin'ny mpanolo-tsaina azy dia i Ichiro Ozawa, sekretera jeneralin'ny PDJ.

Ankoatry ny resabe nahavoafatotra ny PDJ, voalaza koa fa ny antony voalohany nampiala an'i Hatoyama dia ny tsy fanajany ny teny nomeny sy ny namindrany ny foibe miaramilan'i Okinawa tany amin'ny faritra hafa, ivelan'ny firenena mihitsy aza.

Esquire manankiana ny ataon'ny mpanao gazety zapone, izay toa milaza ny fihetsiketsehana maneho tsy fahafaliana kanefa tsy milaza ny vokatra tsara nataon'ny governemanta, raha nisy izany. Manasa ny mpiray tanindrazana aminy koa ity mpitoraka bilaogy ity handray ny andraikitr'izy ireo amin'ny maha mpifidy azy, satria ity governemanta tsy nahomby ity dia tonga teo amin'ny fitondrana noho izy ireo ihany .

なぜならば、安倍政権以降、福田、麻生、鳩山とこういった短期政権としてしまっている最大の原因が、マスメディア、ひいては有権者である我々にあることを自覚すべきと考えるからです。
安倍、福田、麻生、鳩山に対し、我々は十分な時間と猶予を与え、それぞれの政権の行った成果の部分を正当に評価してきたでしょうか。

Ny fampahalalam-baovao sy isika mpifidy dia tsy tokony hanadino fa ny tsy fahombiazan'ny governemanta nifandimby – ny an'i Abe, Fukuda, Aso ary Hatoyama – dia trosantsika koa.

tena nadray ny fanapahan-kevitra tena izy nanoloana ny tsy fahombiazan'ny governemanta ve isika, ka nanome azy ireo -an'i Abe, Fukuda, Aso ary Hatoyama – fotoana ampy hanaporofoany izany?

[…]

結局のところ、我々有権者は、「良くも悪くも自分たちが選んだ政権だ」という意識が非常に薄弱です。

Ny olana dia ny fahatongava-tsainan'ireo mpifidy, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy, fa ireo governemanta ireo dia izy ireo ihany no nifidy azy.

[…]

責任ある有権者になるためには、次の総理が発する発言一つ一つを自分の耳と目で見聞きし、残りの衆議院の任期中にきちんとした成果を出してくれる人物なのかを自分の頭で考えることが必要だと思います。

Mba hahatongavana ho mpifidy mandray andraikitra, dia tsy maintsy mijery sy mihaino amin'ny masontsika sy ny sofintsika isika izay teny rehetra ambaran'ny praiministra. Amin'izao fotoana mialoha ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka izao, dia tsy maintsy mampiasa saina isika ary mahay mitsara raha olona azo fidina hanome vokatra azo tsapain-tanana mandritra ny hanatanterahany ny asany ilay hofidiana .
Torohevitra farany. Nataon'i Roberto De Vido. CC License

Zoma 4 jona, nifidy an'i Naoto Kan ny PDJ, lefitry ny praiministra sady ministry ny fitantanam-bola, ho filoha vaovaon'ny antoko (izay manokatra ny lalany ho tonga praiministra). Andriamatoa Kan tsy ho praiministra raha tsy aorian'ny fametrahan'ny amperora azy amin'ny fomba ofisialy mandritra ny lanonana hatao amin'ny herinandro ambony.

Maro amin'ireo zapone no mahatadidy an'Andriamatoa Kan, fony izy ministry ny fahasalamana tamin'ny taona 1996, nilaza ny zava-marina momba ny ra voaloto saika nafenin'ireo mpiasa ao amin'ny ministerany ihany.

Tobias Harris ao amin'ny Observing Japan manombana fa ny zava-bitany dia maneho fa mpitarika politika efa voajanahary izy:

Raha lazaina fa mpanao politika mpandresy lahatra izy, ny fahaiza-manaony tamin'ny maha-ministra azy (izay tsy nanan'i Hatoyama), ary ny finiavany hahatonga ny politika ho an'ny rehetra, dia i Kan no olona tena mety hamerina indray ny fitokisan'ny vahoaka ny governemanta tarihan'ny PDJ, ary afaka hanome vokatra mendrika ho an'ny antokony mandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka amin'ny volana ambony. Ny andraikitra voalohany napetraka tamin'ny governemantan'i Hatoyama dia ny hamerina ny fifandraisana mahatoky nisyu teo amin'ny vahoaka sy ny governemanta taorian'ny taona rasty nitondran'ny PLD. Manomboka izao dia andraikitra voalohan'ny governemanta Kan koa izany famerenana ny fahatokisan'ny olona izany taorian'ny tsy fahombiazana nataon'ny PLD – miaraka amin'ny 9 volana nitondran'i Hatoyama. raha tsy matoky ny governemantany ny vahoaka, dia ho sarotra ny hanatsaran'i Japon ny lafiny ekonomika any aminy. Araka ny voalzako tery ambony, raha tsy afaka hatoky ny governemantany ny vahoaka amin'ny fahitsiana sy ny finiavana ary ny fahamarinana eo amin'ny fandaniana, dia tsy hisy governemanta afaka hangataka zavatra amin'ny olona intsony toy ny fampiakarana ny hetra ho an'ny mpanjifa.

Ao amin'ny Sora wo Minagara, mpitoraka bilaogy iray mampahatsiahy ny zava-bitan'i Kan, fony izy tanora, teo amin'ny sehatra politika:

菅さんは、若いときから、政治に関わってきた。その姿勢や良し、彼の手腕に大いに期待したい。
政権交代の、本当の意味が、いよいよ始まるという予感がある。政治が本当に弱者のサイドに眼が行き、国民第一の政治が、どのように、展開されていくのか、また、誰が、どのように、これに挑んでくるのか、よくよく、国民は見抜かなければならない。

Hatramin'ny fahatanorany dia nanao politika foana Andriamatoa Kan. Manana finiavana tsara sady mahomby izy. Inoako fa hanao zavatra lehibe izy.

Efa manindry mandry ahy fa ny fifandimbiasana politika, ho tena izy amin'ity indray mitoraka ity, dia efa manomboka. Tena manova ny vintana hitongilana amin'ny marefo ny politika, ary ny vahoaka koa tokony ho liana tsara amin'ny ho avin'ity mplitika “miaraka amin'ny vahoaka” ity, izay hisian'ny fanamby ny sy ny fanehoan-kevitra.

Ikeda Nobuo, mpampianatra ekonomia, mpitoraka bilaogy sady mpaneho hevitra tena be mpanaraka, milaza ny ahiahiny amin'ny nifidianana an'i Kan. Matahotra i Ikeda fa ho voasintona hanaraka ireo mpanao politika toa an-dry Ichiro Ozawa izy, izay ny nahavoarohirohy azy tamin'ny resaka rasty no inoan'ny sasany fa antony nampihemotra ny fitiavan'ny olona ny antokony teo amin'ny fitondrana, antony mety hitarika ny PDJ any amin'ny faharesena tanteraka.

民主党は過去の失敗に学び、小沢氏の影響力を断ち切って自前の政権を構築すべきです。このまま政治が迷走して問題を先送りしていると、財政破綻などの取り返しのつかない事態になります。具体的に誰が望ましいかはわかりませんが、anyone but Kanです。

Tokony haka lesona amin'ny fahadisoana vitany taloha ny PDJ, manangana governemanta azy manokana ary tsy hikambana amin'i Ozawa. Raha mitohy mantsy izany, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra sarisary fotsiny sy ny olana miverimberina efa mankaleo, dia ho any amin'ny fahavoazana ara-bola goavana isika, ary tsy ho tafarina intsony. Tsay afaka hiteny aho hoe iza no olona hofidiana tsara indrindra, kanefa (ny azoko tenenina): na iza na iza afa-tsy Kan.

Miaraka amin'ny governemanta Hatayoma izay nirodana 8 volana monja taorian'ny nitsanganany, ny zapone, toy ilay mpitoraka bilaogy ao amin'ny Yukkuri Nonbiri, dia manontany tena raha tena nahita ilay olona tonga lafatra nadrasany hatramin'izay izy ireo, izay tsy iza fa i Kan sy ny fahamarinany:

菅首相誕生
明るい未来は
来るのだろうか

Teraka ny governemanta Kan
Kanefa manontany tena aho,
hitondra ho avy mamirapiratra ve izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.