Fihaonan'ny Global Voices (Meetup) Voalohany Ao Accra, Ghana

Taorian'ireo andiana fihaonana nahitam-pahombiazana tao amin'ireo tanàna enina manerantany tamin'ny taona 2013 sy ireo fihaonana hafa tamin'ity taona 2014 ity, faly mampandre ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices ao Ghana fa hotontosaina amin'ny Asabotsy 15 Novambra ao Accra ny Fihaonan'ny Global Voices voalohany ao Ghana .

Hokarakarain'ilay mpikambana ato amin'ny Global Voices, Kofi Yeboah (@Kofiemeritus) sy tohanan'ireo mpikambana GV hafa roa: Mac-Jordan Degadjor (@MacJordan) sy Linda Abena Annan (@MsAbenaAnnan) ny fihaonana, ary miaraka amin'ny iSpace ao Anumansa, Lokko, lalana, 146 East X'Borg Estates, OSU. Hanomboka amin'ny 5 maraina GMT ny hetsika. Ilaina ny misoratra anarana mialoha (jereo eto ambany raha mila vaovao fanampiny).

Fotoana iray hoan'ireo mpianatra, bilaogera sy mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao an'olo-tsotra ity Fihaonana ity mba hizarana traikefa sy hianarana momba ny asan'ny tsirairay. Fanampin'izany, ireto avy no hifantohan'ny hetsika:

  • Fanomezana jery ankapobe amin'ny asa ataonay ao anatin'ny Global Voices, anisan'izany ny Rising Voices, Global Voices Advocacy, ary ny Lingua
  • Fizarana fomba ahafahan'ny vondrom-piarahamonina lehibebe hifandray amin'ny Global Voices;
  • Fampifandraisana ireo hetsika ho anaty tambajotra mba hahafahan'ireo mpandray anjara mizara vaovao mikasika ireo tetikasany nomerika manokana na hevitra ho anà tetikasa; ary
  • Firesahana momba ny fomba hanamarinana ireo vaovao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy.

Raha liana te- handray anjara ianao, miangavy anao hameno ity taratasy fisoratana anarana manaraka ity. Hahazo fanamafisana amin'ny mailaka mikasika ny fandraisanao anjara ianao. Misokatra ho an'ny rehetra ny hetsika, saingy voafetra ny toerana. Afaka mandefa mailaka any amin'ny rising [at] globalvoicesonline [dot] org ihany koa ianao raha mila fanazavana fanampiny.

Araho ny diezy Twitter #GVMeetup mikasika ity sy ireo fihaonana hafa manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.