Midina An-Dàlamben'i Mexico Ireo Mpanohitra Hitakiana ny Fihetsehana Manoloana Ireo Mpianatra Tsy Hita Tany Amin'i Ayotzinapa

Parents of missing 43 student teachers from Ayotzinapa marched i Mexico City accompanied by thousands of students and citizens to demand their children's safe return and information about the case. November 5, 2014. Photo by LUIS RAMON BARRON TINAJERO. Copyright Demotix

Nanao diabe tany amin'ny tanànan'i Mexico miaraka aminà mpianatra sy olom-pirenena an'arivony ny ray aman-drenin'ireo mpianatra-mpampianatra 43 tsy hita tany amin'i Ayotzinapa. 5 Novambra 2014. Sary an'i LUIS RAMON BARRON TINAJERO. Fizakàmanana Demotix

Olona an'aliny no nanao diabe avy any amin'ny lapan'ny filoham-pirenena nankany amin'ny kianja lehibe ao Mexico ho fangatahana ny famerenana velona fo aman'aina ireo mpianatra-mpampianatra 43 tsy hita sy ho fanoherana ny andraikitra noraisin'ny governemantam-paritra amin'izao fanjavonan'izy ireo izao, miaraka amin'ny fitavozavozan'ny valinteny nomen'ny filoha mikasika ilay heloka bevava.

Nilaza ireo mpikarakara fa olona 120.000 no nandray anjara tamin'ilay Andro Eran-tanin'ny Hetsika ho an'i Ayotzinapa tao an-tanàna, izay nokarakarain'ireo vondronà mpianatra Meksikana samihafa, raha  60.000 kosa no voaisan'ny mpitandro filaminana. Re nanerana ny vazan-tany efatr'i Mexico sy eran-tany ny tolokon'ireo mpanao fihetsiketsehana hampanjakana ny marina; nanoritsoritra ny vohikala mpitati-baovao Revolucion 3.0 fa mety ho io fihetsiketsehana io no “diaben'ny fanamelohana lehibe indrindra teo amin'ny tantara” ary nizara fampirantiana an-tsary sy feo miaraka amin'ireo fanavaozam-baovao isa-minitra nandritra ilay hetsika.

Nitranga ireo hetsi-panoherana ireo iray andro taorian'ny nisamboran'ny tafika federaly an'i José Luis Abarca, ben'ny tanànan'i Iguala taloha, sy ny vadiny María de los Ángeles Pineda, tany Mexico ny maraina vao mangiran-dratsin'ny Talata 4 Novambra 2014. Samy voatonon'ny governemanta sy ny media ho atidoha nikotrika ilay fanafihana mpianatra voalohany indrindra izy ireo, izay niafara tamin'ny aina enina nafoy sy ny fanjavonan'ireo 43 tany amin'i Ayotzinapa.

Nizara hafatra fanohanana ilay diabe sy sary nalaina avy tamin'ny zava-misy ireo mpampiasa ny media sosialy:

Miombona amin'ny toloko noho ny “fanjakana mpamitaka izay mamono mpianatra”

Tao ny fanjakana, tao ny governemanta, tao avokoa izy rehetra, aoka izay ny tsy maty manota aty Meksika!

Izaho (ISIKA) no feon'ireo notampenam-bava tsy amin'antony, noho ny fisainana tsy mitovy fotsiny.

Sady tsy hadisoana no tsy tranga manokana, heloka bevava ataon'ny fanjakana i Ayotzinapa.

Tenifototra sarotra, ny Hetsika Eran-tany ho an'i Ayotzinapa: tsy misy afa-tsy ny hoe : ny fanjakana

Feno feo manohitra manao hoe “Tsy anjerimanontolo ihany izahay, fa fiaraha-monina iray manontolo” ny kianjan'i Zocalo

Mpampiasa Twitter maro no nitodika tamin'ny Filoha Meksikana Enrique Peña Nieto, ny sasany mitsikera ny fandaharan'asany amin'ny fanaovana fitsidihana iraisam-pirenena manerana an'i Azia sy Oseania amin'izao fotoan-tsarotra izao : 

Mamela ny firenena ho very ny filoha, rehefa tsy mitondra sy mampietry ny tenany.

“Manao fitsidihana miaraka amin'ny endrika mitafy henatra i Peña Nieto, hanohizany ny fivarotana ny firenena”, hoy ny mpiteny. “Fahamarinana, fahamarinana” hoy izy ireo mamaly.

Nisy olona maro hafa nanako ny fangatahana izay novoizina tao anaty aterineto sy tany ivelany momba ny fametraham-pialan'ny filoha: 

Vaovao farany. Mihamafy ny hiaka miteny hoe “mialà i Peña” any amin'ny diabe any Zócalo

Vaovao farany : MEXICO, ao amin'ny kianjan'i Zócalo, mihira ” Mialà i Peña” izy ireo

Ao amin'ny Instagram sy Twitter, nizara ny sarin'ilay hetsi-panoherana ireo mpampiasa. Namoaka sary nalaina tao afovoan-tanànan'i Mexico ny Ivon-toerana mpiaro ny Zon'Olombelona Miguel Agustín Pro Juárez. 

Tsy tamin'ny 5 Novambra no fotoana voalohany nahatonga ny raharahan'i Ayotzinapa hitarika hetsi-panoherana. Nampiakatra sary natambatambatra atao hoe: ” Hafatra iray ho an'i @EPN [Enrique Peña Nieto] avy amin'ny Beaux Arts” ilay mpampiasa Instagram pariscervantes roa herinandro talohan'io.

Nandritra izany fotoana izany dia nizara ireo sarin'ny hetsika farany avy any amin'ny toerana misy azy avy ny olona manerana ny firenena:

Hetsika Eran-tany ho an'i Ayotzinapa any Queretaro

Sary miteny momba ilay hetsi-panoheran'ny mpianatra tany Merida mitaky ny fahamarinana ho an'i Ayotzinapa

Nizara ny fandinihan'izy ireo ny zava-misy ara-pôlitika sy ara-piarahamonina Meksikana ihany koa ireo mpampiasa media sosialy:

Fantatrareo ve hoe iza no handeha hiaro ny zontsika? Tsy misy. Ao anatin'ny fampisehoana avokoa ny rehetra

Ry Meksikana, rahoviana vao hihetsika ianareo? Rehefa avy ao amin'ny tranonareo ireo olona tsy hita?

Nahatsiaro ireo aina an'arivony nafohy tamin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava amin'ny ankapobeny ny sasany, ho fanampin'ireo mpianatra 43 tsy hita:

Tsy ampy mpianatra 43 izay, ary ambonin'izany misy ireo 22.000 hafa izay tsy hita popoka tany Meksika!

Nisy ihany koa ireo feo manohitra ilay diabe :

Firy ireo diabe mba nahomby? Fialàna olana natao hanapotehana ny tanàna fotsiny izany

Anivon'ireo hetsi-panoherana ireo fialantsiny sy ny fanantenana fa tsy ho adino iny trangan-javatra iny

Miala tsiny amin'ny fanakorontanana ry Enrique Peña Nieto, hetsehanay i Meksika

Mampihovotrovotra izao tontolo izao i Meksika, aza avela ho faty mihitsy ny afo

Antenaiko fa tsy hifarana amin'ny fironana hafa izany, tsy azon'ny firenena avela heloka intsony ireny zavatra ireny

Nanao fanambarana ny ray aman-drenin'ireo mpianatra 43 tsy hita, nandritra ny hetsi-panoherana:

“Na iza na iza mitana azy dia homeko azy ireo ny taniko ho takalon'ny famerenana ny zanako velona amiko.” Rain'ny mpianatra-mpampianatra 

Hilaza ny fahafatesan'ny zanakay ny governemanta, aza avela ho irery izahay

Isan'ireo lohahevitra 10 malaza indrindra tao amin'ny Twitter ireo tenifototra #AccionGlobalPorAyotzinapa (Hetsika Eran-tany ho an'i Ayotzinapa), #SiRenunciaPeña (Raha miala i Peña), ary #Abarca (ny Ben'ny tanànan'i Iguala teo aloha sady iray amin'ireo ahiahiana voalohany), tamin'ny 7 ora alina tany Meksika. 

Araho ny fanadihadiana lalina ataonay:  Avereno ireo mpianatra Meksikana tsy hita avy any  #Ayotzinapa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.