Tian'ireo Mpanongam-panjakaka Thailandey Hanadino Ny Praiminisitra Ny Mpanoratra Gazety

Former Thailand Prime Minister Yingluck Shinawatra (left) with her brother,  ousted Prime Minister Thaksin Shinawatra (center).  Photo from Facebook of Yingluck.

Praiminisitra Thailandey teo aloha Yingluck Shinawatra (ankavia) miaraka amin'ny anadahiny, ny Praiminisitra voahongana Thaksin Shinawatra (eo afovoany). Sary tao amin'ny Facebookn'i Yingluck.

Sarotra ny tsy hiresaka momba an'i Yingluck Shinawatra sy Thaksin Shinawatra ao anatin'ny vaovao tao anatin'izay andro vitsivitsy izay. Praiminisitra teo aloha tao Thailandy izy mianadahy ireo, firenena nisiana fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Nihaona vao haingana tao Japàna ry Shinawatra ary niara-nisidiana hoany Shina mba hanao fizahantany. Amin'izay toerana alehan'ireo mpitarika roa tonta teo aloha ireo, toa hita fa manaraka azy ireo ny mpanoratra gazety, ary mitantara ny dian'izy ireo tahaka ny paparazzi.

Tsy faly amin'izany anefa ny Praiminisitra vaovao ao Thaïlandy. Nangataka tamin'ny fampahalalam-baovao ny jeneraly Prayuth Chan-ocha, mpitarika ny fanonganam-panjakana izay nitarika ny fametram-pialàn'i Yingluck tamin'ity taona ity, mba tsy hitatitra momba ny zavatra ataon'ireo lehibem-panjakana teo aloha tao Thailandy ireo.

Everyone is entitled to freedom of the press, freedom of the people. But if these freedoms lead to conflicts or violate other people's rights, they become inappropriate. Therefore, please don't make me use laws or power or force. I ask you to engage in conversations and find solutions for the problems that have been building up in the past.

Manan-jo hanana fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, fahalalahan'ny olona ny tsirairay. Saingy tsy mety raha mitarika mankany amin'ny ady na manitsakitsaka ny zon'ny hafa izany fahalalahana izany. Noho izany, aza avela hampiasa ny lalàna, ny fahefana na ny hery aho. Mangataka aminareo aho mba hifampiresaka ary hitady vahaolana manoloana ireo olana navangongon'ny taloha.

Nilaza ny tafika fa naka an-keriny ny fahefana ry zareo tamin'ny volana Mey lasa teo mba hamaranana ny disadisa eo amin'ireo antoko politika mpifanditra ao amin'ny firenena. Na dia teo aza ny fihonganany, dia mbola anisan'ny olo-malaza eo amin'ny sehatra politika Thailandey i Thaksin Shinawatra. Lehilahy mpandraharaha mpanankarena sy mpanao politika nahomby, Praiminisitra nanomboka tamin'ny taona 2001 hatramin'ny 2006 i Thaksin, raha nihongana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Nanomboka teo, voatery nialokaloka tany ivelany izy, mba hialana amin'izay mety ho karazana fiampangana heloka bevava isan-karazany. Na dia izany aza, nanohy nandresy tamin'ny fifidianana hatrany ny antoko politikan'i Thaksin, ary voafidy praiminisitra mihitsy aza ny anabaviny faravavy.

Niteraka fanoherana ny “fitakian'i” Prayuth tamin'ireo mpanoratra gazety, ka maro eo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao no mahita izany ho fanampenam-bava ny gazety.

Nilaza i Suravitch Veerawan ao amin'ny ASTV fa tsy tokony hatahotra fampahalalam-baovao, izay tokony halalaka amin'ny fanehoana hevitra i Prayuth. Manontany ny antony mahatonga ny praiministra ao Thailandy nanapa-kevitra “hiady amin'ny mpanoratra gazety” i Pichate Yingkiattikun, filohan'ny tetikasa ao amin'ny “Siam Intelligence Unit”, vondrona mpandinika iray, ka miteraka tahotra eo amin'ireo fampahalalam-baovao ao amin'ny faritra ao amin'ny firenena satria tsy faly amin'izy ireo i Prayuth.

Nanoratra tao amin'ny Twitter ny Tale Mpanatanteraka Ao amin'ny Firaisamben'ny Gazety Azia Atsimo-atsinanana :

RT @forestmat Aza mitatitra momba an'i Thaksin, hoy ny PM tamin'ny fampahalalam-baovao – The Nation http://t.co/u5HgWe3Afs “torolalana” maro hafa hoan'ny gazety #Thailand

Mpisera Twitter @iiDudes nangataka tamim-piesoesoana tamin'ireo mpanoratra gazety mba hitsipaka ny fangatahan'i Prayuth ary hampiasa sarontava amin'ny endrik'i Thaksin:

Tiako mba hanana sarontava aho mba ahafahako manorisory ny mpitondra.

Tamin'ny volana Mey lasa teo, nanambara fanovana izay nametra ny fahalalaham-pitenenana ny governemanta miaramila ao Thaïlandy. Niampanga ny ezaka hanaovana fanasivanana ny Komity Mpiaro ny Mpanoratra Gazety, ary miantso ny hamerenana tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny firenena.

Eny tokoa, nitolona mafy ny asa fanaovan-gazety Thailandey hatramin'ny nakan'i Prayuth fahefana. Ankoatra izany, misy andiana mpanoratra gazety mpanohana ny fitondrana miaramila betsaka manohitra ny famoretana ny fampahalalam-baovao izay miha-mafy hatrany. Ahoana no handrosoan'ny mpanoratra gazety ao anatin'ny toe-javatra ankehitriny ao Thailandy izay mbola mifono misitery amin'ny ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.