Maraoka: Misy olona mitovy sata kokoa

Mitovy sata daholo ny maraokana rehetra, fa misy ny Maraokana mitovy sata kokoa amin'ny hafa, raha nanoratra ilay mpitoraka bilaogy maraokana Jamal Elabiad.

Niafara tamin'io famintinana io izy taorian'ny resaka kolikoly nahavoarohirohy olona ambony ao amin'ny fitondrana iray sy ny nisamborana ny zanany lahy.

Toy izao no fitantaran'ilay mpitoraka bilaogy ny zava-nitranga:

Ilay zava-nitranga, raha fintinina, dia niseho nandritra ny nisamboran'ny polisy iray tapa-bolana lasa izay ny zanaka lahin'i Khalid Nacari izay nanindrona antsy mpanamory kodiaran-droaa iray nanoloana ny lapan'ny antenimiera ao Rabbat. Fotoana fohy taorian'ny nisamborana ny zanany, dia tonga teny an-toerana ny ministry ny serasera. “Avelanao mandeha ve izy sa voatery tsy maintsy hanao ny asako aho?” no fampitahorana nataony, araka ny nolazain'ireo nanatri-maso, nanery ilay polisy hamotsotra ny zanany ny ministra. Vokatr'izany dia tsy nanana safidy ilay polisy fa nandefa ity zanak'i Naciri handeha na dia teo aza ny tsy fankasitrahan'ny olona nanatri-maso ny zava-niseho rehetra. Raha mila fanampim-panazavana ianao dia asaina hijery ny sarimihetsika .

Niteraka tabataba, olona maro no mikiaka “demokrasia” ary ao koa hevitra feno fahatezerana, ny rohy izaynahazo mpitsidika mihoatra ny 24 000:

Anankiray amin'ireo fanehoan-kevitra:

تقترف من طرف حزب يدعي التقدم و الاشتراكية و يتبجح بالمبادئ الانسانية و يتغنى بالاخلاق الفاضلة في كل مناسبة ويفتح “دلقوشه” ليعطينا دروسا في حقوق الإنسان و الديمقراطية و الموعظة في تربية الابناء، كان اجدى ان تتحلى انت بهذه الخصال الحميدة و تقينا من ظهورك على التلفاز تكذب على الشعب المغربي مردداً كالببغاء شعارك الغامل المزيف الماكر : نحن في “دولة الحق و القانون”، أي حق و أي قانون هذا و أي تقدم و أي اشتراكية !!!!!
Nanao izao fihetsika izao ny olona anankiray ao amin'ny antoko milaza azy ho mpikatsaka ny fampandrosoana sy sosialisma sady milaza fa manaja ny zo fototra maha olona sy miseho ho fanaja isaky ny fotoana hisehoany. Efa niloa-bava tamintsika aza izy fa hanome lesona momba ny zon'olombelona sy ny demokrasia ary nampianatra antsika ny tokony hitaizana ny zanantsika. Angamba ho tsaratsara kokoa raha faly tamin'ireny toetra na tigetra nozaraina tao amin'ny fahitalavitra ireny ianao, izay nandainganao tamin'ny vahoaka maraokana, namerenanao ny teny faneva tahaka ny boloky fotsiny tamin'ny lainga sy hafetsifetsena hoe: “Firenena manaja ny fahamarinana sady tan-dalàna isika”. Inona ny fahamarinana, ny lalàna, ny fivoarana sy ny sosialisma resahanao eo ?

Fanehoan-kevitra hafa koa:

أقترح أن يتخذ الغيورون على هذا البلد من مكان الحادث مزارا يضعون فيه الشموع و الورود ترحما على الدمقراطية لأن الشخص الذي قام بهذا الخرق الفظيع ناطق باسم الحكومة المغربية
mandroso hevitra aho ho an'ireo mikolokolo ity firenena ity ny mba hanaovana toerana masina ity toerana nisehoan'ny zava-nitranga ity, ka hametrahan'izy ireo voninkazo sy labozia mirehitra ho fanomezam-boninahitra sy demokrasia satria olona ny olona nanao ity fandikan-dalàna ity dia tsy iza fa ny mpitondra tenin'ny fanjakana maraokana.

Andeha hiverenantsika i Elabiad, izay mizara amintsika ny eritreriny mikasika iny zava-nisy iny amin'ny alalan'ny fanamarihana samy hafa:

Nasehon'ny minisitry ny serasera tsy am-pisalasalana fa mira sata avokoa ny maraokana, fa misy kosa Maraokana mira sata kokoa amin'ny hafa.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia midika fa ny fianakavian'ny ministra sy ny olona ambony dia ambonin'ny lalàna.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia marika mazava fa misy zavatra masiso ao amin'ny fanjakan'i Maraoka.

Hoy izy manohy:

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia zavatra itarafan'ny any ivelany an'i Maraoka.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia midika fa ireo mpanao lalàna dia voalohany amin'ny tsy fanarahan-dalàna. Ny ministry ny serasera no ohatra voatondro amin'izany.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia zavatra tena tadiavin'ny mpanao gazety sasany alzeriana sy espanola.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia midika fa anisan'ireo mampatahotra ny tombotsoany ny tombony azony manokana any amin'ny fanjakana avaratry Afrika izay tany hanjakan'ny demokrasia, fahafahana maneho hevitra, manaja ny zon'olombelona, ary ny fitoviana alohan'ny lalàna.

Mbola nampiany hoe:

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia izay voalazan'ny Amnesty International sy ny Transparence International tao amin'ny tatitra nataony momba ny fanararaotam-pahefana sy kolikoly any amin'ny firenena maro manerana ny tany, anatin'izany i Maraoka.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia mampiseho fa ny minisitra maraokana dia mitoraka vato ireo manana trano fitaratra. Eritrereto ny kiana mahazo an'i Khalid Naciri ao amin'ny tatitry ny Transparence International.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia ohatra amin'ny zavatra misy any ambadiky ny varavarana.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia maneho fa ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona dia anisan'ny zavatra mahazatra tsy dinganin'i Khalid Naciri.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia ataon'ny ankamaroan'ny kely finoana amin'ny fifidianana.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia midika fa ny Kamarady dia mamadika palitao vantany vao tonga VIP.

Ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia midika fa anisan'ny zavatra ampiasain'ny tamba-jotra mpampihorohoro sasany hamafazana asa fampihorohorohana.

Ho famintinana, Elabiad manoratra:

Farany, ny zavatra nataon'ny ministry ny serasera dia mmampiseho fa i Maraoka ankehitriny dia tsy hafa fa i Maraoka hatramin'izay ihany. Amin'ny teny hafa dia hoe, resaka fotsiny ny fanavaozana an'i Maraoka. Ao ambaniny ao foana i Maraoka hatramin'izay!

Ao amin'nyIstablogs, Mohammed Taha manamarika:

Ho fiarovan-tenany, nilaza ny ministry ny serasera fa nanao tahaka ny fanaon'ny ray rehetra miaro ny zanany izy. ?

Taha nanampy:

Raha te hijanona ho ray fotsiny izy dia tokony hijanona any an-tranony ary hampianatra ny zanany hanaja ny hafa na hampianatra azy hoe ahoana no hatao mba tsy ho tratran'ny polisy rehefa manindrona antsy olona KANEFA raha te hijanona ho ministra izy dia tokony hianatra hanaja ny lalàna ny ministerany sy ny zanany.

Ny farany fa tsy ny kely indrindra, Maghrebi, ao amin'ny bilaogy Maghreb , mandinika:

Ity no farany amin'ny lisitra lavabe maneho zavatra tahaka izao sy maneho hoe ahoana no fanajan'ny olona ambony ny lalàna ao amin'ny fanjakana. Raha tokony ho modely ho an'ny maraokana rehetra amin'ny fanarahan-dalàna tokoa izy, mafy sady mazava ny hafatra nataon'Andriamatoa Naciri : misy karazany 2 ny lalàna, ny iray natao ho an'ny olona miasa miaraka amin'ny fitondrana, izay manararaotra ny fahefany kanefa tsy hiharan'ny sazy. Ny karazany faharoa dia ampiasaina rehefa ny sarambabem-bahoaka no voakasika.

Ary ao amin'ny Facebook, olona maherin'ny 3 700 no nanaraka ny vondrona tsy mankasitraka ny fihetsika nataon'ny ministry ny serasera nandritra ny nisamborana ny zanany. Antsoina hoe: Khalid Naciri Go Home (Khalid Naciri mandehana mody) io vondrona io.

Amil Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.