GV Face: Hifidy Sa Tsy Hifidy? Feo Avy Amin'ny Toniziana Mikasika Ny Fifidianana 2014

Voalohany ity fifidianana ankapobeny ity araka lalàmpanorenana vaovao an'i Tonizia ary faharoa kosa hatramin'ny nisian'ny fitroarana tamin'ny 2011 izay nampihongana an'i Ben Ali.

I Tonizia no toy ny tselatra niavian'ny Lohataona Arabo izay niparitaka manerana ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny taona 2011. Nitarika olana ara-politika, fanonganam-panjakana ara-miaramila sy fitohizan'ny herisetra ireo fitroarana tao amin'ny firenena hafa, saingy tsy tahaka izany kosa no nitranga tao Tonizia.

Kandidà maherin'ny 9000 avy amin'ny antoko maherin'ny 100 no mifaninana amin'ity fifidianana ity, ary sambany teo amin'ny tantara maoderin'ny firenena izany hoe tsy afaka maminavina izay antoko handresy ny Toniziana.

Nisafidy an-tsitrapo tsy hifidy ny Toniziana sasany, raha nanapa-kevitra hampifantoka ny latsa-batony amin'ireo hery sy fikambanana politika izay hita fa mahavita manangona vato be indrindra kosa ny hafa.

Amin'ity fizarana GV Face ity, andiana hangout an-dahatsary, miresaka amin'i Emir Sfaxi, mpanoratra ato amin'ny GV sady mpanara-maso ny fifidianana i Amira, mpanitsy lahatsoratra avy ao amin'ny GV MENA (Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra).

Miresaka amin'izy ireo mikasika ny fanantenany sy ny zavatra andrasany, ny fizotry ny fifidianana sy ny fanovana mety hoentin'izany fifidianana izany ao anatin'ny 5 taona manaraka izahay.

Araho ao amin'ny Twitter ny fizotry ny fifidianana: #TnElec2014 Tweets

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.