Fantaro Ireo Olon-tsotra Roa Mpampita Vaovao Ao Amin'ny “Voices of Hope” (Feon'ny Fanantenana)

Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices

Photo courtesy of Voices of Hope

Sary avy amin'ny Voices of Hope

Mihazakazaka ny andro. Mandalo dia lasa ny tafio-drivotra. Fa ny mponin'i Estancia kosa, tsy manana olona itodihana, ankoatra ireo olona tena mitsinjo tokoa. Voices of Hope – Lasibatra ho Mpikatroka, tetikasam-pampitam-baovao avy amin'olon-tsotra ao anatin'ny Rising Voices, dia iray amin'ireo vondrona miraharaha ireo sisam-patin'ny tafio-drivotra Haiyan tao Estancia, Iloilo.

Izy ireo no vondrona asa fampitam-baovao an'olon-tsotra voalohany indrindra ahitana tanora mpitarika dimy ambinifolo eo amin'ny 18 hatramin'ny 23 taona izay nieren-doza tamin'ny tafio-drivotra Haiyan tao Estancia. Mpianatra tao amin'ny Kolejim-panjakana Politeknika Iloilo Avaratra ao Estancia izy ireo, vonona hanao izay tratra mba ho isan'ny hetsika ara-piarahamonina mankany amin'ny fanovana. Nasainay izy ireo noho ny fangatahan'ny fikambanan'ny tanora ao aminay, noho ny lahatsoratra avy amin'ny namana, sy fanasana manokana toy ny fanasana iray mba hahita ny namany mandritra ny fampianarana ny asa fampitam-baovao an'olo-tsotra.

Twinkle Twinkle Little Star (Mipi-maso ny Kintana Madinika)

Photo courtesy of Voices of Hope

Sary avy amin'ny Voices of Hope

Sokajiana ho tanora, mavitrika ary manam-peo ny iray amin'ireo mpandray anjara ao anatin'ny fikambanana tanora natsangana vao haingana “Samahang Demokratiko ng Bagong Kabataan (Fikambanana Demaokratikan'ny Tanora Maoderina).” Antsoin'ny maro amim-pitiavana hoe Twinkle (Pi-maso) izy, izay tena anarany ihany koa. Mpianatra manala ny mari-pahaizan'ny Siansan'ny Fitantanana Orinasa izy ankehitriny.

When I was invited to join the training, I accepted it without any doubt. I felt honored I was the first one being offered to join the training. I invited others too to join us. What an inspiration to be the voice of the voiceless!

Raha nasaina hanatevin-daharana ny fiofanana aho, nekeko tsy amim-pisalasana izany. Nahatsiaro henim-boninahitra aho, ary nasaina voalohany hamonjy ny fiofanana. Nanasa ny hafa ihany koa aho mba hanatevin-daharana anay. Tena manome aingam-panahy tokoa mba hisolo vava an'ireo tsy afa-miteny

Andrasana fatratra isaky ny Sabotsy sy Alahady ao amin'ny radio amin'ilay fandaharana “People’s Pulse (Tosiky ny Vahoaka)” manerana an'i Estancia sy ny tanàna manodidina ny fanentanana sy feo mahatarik'i Twinkle. Miaraka amin'ny JC radio mpiara-miasa aminy, miresaka matetika momba ny olan'ny tanora, tontolo iainana ary ny vehivavy i Twinkle.

«Amin'ny maha-tanora sy zanaka vavy ary zanaka lahin'ny ray aman-drenintsika; andraikintsika ihany koa ny manampy ny ray aman-drenintsika sy ny fiarahamonintsika hitsangana hanohitra ny tsy rariny ara-tsosialy», hoy ny nolazainy tao amin'ny toerana fihaonam-bahoaka hanadihady ny firarahan'ny solika tamin'ny 7 Oktobra lasa teo tao Estancia ka nahazo fankasitrahana imbetsaka avy amin'ny fiarahamonina.

Tanora 20 taona i Twinkle, kintana mamiratra amin'ny tanora tahaka azy, manazava ny aizina nateraky ny tafio-drivotra Haiyan amin'ny alalan'ny fikatrohana sy ny asa fampitam-baovao avy amin'olon-tsotra. Izy no lehiben'ny vondrona olon-tsotra iray mpampita vaovao.

Eric John : Fitahiana Miafina

Eric John, 20 taona sy mpianatry ny amin'ny kolejy NIPSC taona Faha-efatra momba ny Fitantanana Orinasa. Vao avy nandao ny biraony izy mba hijery ny namany manatrika fivoriana iray natao momba ny asa fampitam-baovao an'olon-tsotra. Nahare ny adihevitra izy ary liana tamin'izany. Nipetraka nihaino nandritra ny fivoriana izy. Eny! Nanokatra ny masony manoloana ny zava-misy izany. Hoy izy:

People are traumatized of Typhoon Yolanda. Even just for an ordinary rainfall, they get nervous. It’s almost a year yet recovery is stagnant but the people’s resiliency is so amazing! They are trying so hard to get over despite absence of government’s support. I want to help remove their blindfolds for them to see the light and the truth for the better future.

Mora tohina noho ny tafio-drivotra Yolanda ny vahoaka. Na dia orana tsotra mahazatra aza dia manirikiry azy ireo. Efa ho herintaona izay mbola mihitsoka ny fananerana saingy mahatalanjon tanteraka kosa ny faharetan'ny olona! Miezaka mafy ny hiarina izy ireo na dia eo aza ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'ny governemanta. Te hanampy hanala ny tapi-mason'izy ireo aho mba hahitan'izy ireo ny hazavana sy ny marina hoan'ny hoavy mamiratra.

Mpianatra mpanoratra sy filohan'ny Filan-kevitry Faratampon'ny Mpianatra teo aloha tao amin'ny kolejy i Eric John. Fitahiana miafina no nahazoana azy tao amin'ny vondrona.

Anisan'ireo tanora dimy ambinifolo mpiofana ho olon-tsotra mpampita vaovao i Twinkle sy i Eric John izay vonona hanome fitenenana ireo olona an'arivony sisa velona tamin'ny tafio-drivotra Yolanda. Tsapako ny fanantenana sy ny fitokisana hanana hoavy tsara kokoa araka ny nolazaiko tamin'izy ireo ary hijery azy ireo ho lasa mpikatroka. Sahy manao fanamby izy ireo na inona na inona fahadisoam-panantenana avy amin'ny olona misafidy hanampin-tsofina sy hikimpy manoloana ny zava-misy ara-tsosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.