Vonona Handany Ny Lalàna Miady Amin'ny Pelaka i Kyrgyzstan

LGBT groups are under attack in Kyrgyzstan. Creative commons image.

Iharan'ny fanafihana ny vondrona LGBT ao Kyrgyzstan. Sary voaaro amin'ny Creative commons.

Mandalo ao amin'ny antenimieram-pirenena ny lalàna miditra amin'ny fanasaziana ny fiarahamonina LGBT (Lesbiana, pelaka, sady lahy no vavy ary ireo niova taovam-pananahana) ao Kyrgyzstan, ka ahiana ny hiharatsian'ny fanajana ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.

Nandany ny lalàna manasazy ireo izay maneho “fihetsika mankatò ny fiarahana ara-nofo tsy nentim-paharazana” ny mpanao lalàna ao Kyrgyzstan tamin'ny 15 Oktobra. Nandritra ny fandinihana voalohany ny volavolan-dalàna, solombavambahoaka 79 no nankatò ny volavolan-dalàna, ary fito monja no nitsipaka izany.

Iray amin'ireo lalàna anti-LGBT henjana indrindra ao amin'ny faritra ny volavolan-dalàna, mbola henjana kokoa noho ny lalàna antsoina hoe “propagandy pelaka” ao Rosia izay iampangan'ny mpitsikera ny solombavambahoaka ho maka tahaka ny any an-kafa. Ny volavolan-dalàna, mitondra ny lohateny hoe “Momba ny Fanovanana ny Lalàna Sasantsasany Ao amin'ny Repoblika Kyrgyz,” dia mampandoa onitra avo dia avo sy sazy an-tranomaizina izay rehetra “mizara vaovao mikasika ny fiarahana ara-nofo tsy nentim-paharazana.”

Raha lany ny volavolan-dalàna aorian'ny fandinihana faharoa sy fahatelo afaka volana vitsivitsy, dia hoferan'ny volavolan-dalàna ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana mivory eo amin'ny mpikatroka, mpanoratra gazety ary ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LGBT. Ankoatra ny mety ho fandinihana manaraka dia tsy maintsy hosoniavin'ny filoha Kyrgyz Almazbek Atambaïev ilay lalàna hampanakery azy. Raha mandà tsy hanasonia izany i Atambaïev, dia mila ny roatokon'ny mpikambana ao amin'ny antenimiera ny volavolan-dalàna hampanakery azy. Nentina voalohany tao amin'ny antenimiera ny volavolan-dalàna tamin'ny volana Martsa 2014.

Fandrahonana goavana hoan'i Kyrgyzstan sy ny fiarahamonina LGBT ao aminy ilay lalàna. Nankatò ny fahapelahana i Kyrgystan tamin'ny taona 1998, taorian'ny fanafoanana ny andinin-dalàna avy amin'ny Fehezan-dalàna Heloka Bevava Sovietika. Na dia tsy ho fialokalofana azo antoka mandrakizay hoan'ny olona LGBT aza i Kyrgystan, dia izy no firenena nilefitra kokoa noho ireo mpifanolo-bofirindrina aminy ao Azia Afovoany. Na dia izany aza, tao anatin'izay taona maro izay, nanjary nihanampidi-doza kokoa hatrany ny fisehoana mivantana fa pelaka tao. Nitanisa ireo ohatra tsy mitsaha-mitombo momba ny herisetra sy ny fihoaram-pefin'ny polisy manoloana ireo pelaka ao amin'ny Répoblika ny tatitry ny Human Rights Watch Janoary 2014.

Aingam-panahin'ilay lalàna: ny Potinisma sy ny Islamo

Kourmanbek Dyikanbaev, mpanohana ny volavolan-dalàna, nilaza tamin'ny Radio Azattyk tamin'ny 7 Oktobra hoe: “Tokony hiaro ny fianakaviana nentim-paharazana isika. Manery hametraka ny fenitrany momba ny fianakaviana mitovy taovam-pananahana ny Tandrefana”. Niampanga ny tandrefana ho mampiroborobo ny fahapelahana sy manimba ny rafi-pitondrantenan'i Kyrgyzstan ihany koa i Dyikanbae.

Nahita ny fitomboan'ny lazan'ny fivavahana, indrindra ny Islamo ho loharano lehibe nisian'ny anti-LGBT sy anton'ny lalàna  ny Horonantsary Vocativ vao haingana miresaka ilay volavolan-dalàna. Hita fa Miozolomana kosa ny 75 isan-jaton'ny mponina ao Kyrgyzstan, ary mitombo ny radikalisma eo amin'ny tanora. Tamin'ny volana Febroary, namoaka fatwa (didy avy amin'ny fivavahana) manohitra ny fahapelahana ao Kyrgyzstan ny Fiaraha-mitantana Ara-pivavahana Kyrgyz.

Na dia nilaza aza ireo manamahefana governemanta  fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ilay fatwa, ireo mpikatroka sasany kosa mahita ny fitomboan'ny fenitra Islamika ao anatin'ny governemanta. Nampangina ny fomba fitenin'ny fivavahana Islamika ny fitondran'i Bakiev, voahongana tamin'ny 2010. Na dia mitoetra ho laïka aza i Kyrgyzistan tamin'ny fanitsiana vao haingana indrindra ny lalàmpanorenany, izay nampidirina taorian'ny fihonganan'i Bakiyev, dia tafiditra hatrany tao amin'ny kabarin'ireo mpanao politika i Andriamanitra sy ny Islamo, araka ny tatitry ny PEN International Septambra 2014.

Nisy fiantraikany teo amin'ny tontolon'ny ara-tsosialin'i Kyrgyzstan ihany koa ny fitomboan'ny ambainday ara-toekarena sy ara-politika rosiana ao Kyrgyzstan. “Laboratoaram-boalavo tonga lafatra” i Kyrgyzstan, araka ny filazan'i Masha Gessen, nanoratra tao amin'ny gazety New York Times. “Kely sy mahantra izy ary mora iharan'ny teriterin'ny Rosiana.” Muzaffar Tursunov, mpanoratra gazety Kyrgyz, nanaparitaka ny fijery fa mora iharan'ny foto-kevitra sy ny lalàna nafarana avy ao Rosia i Kyrgyzstan. Nilaza tamin'i Cathal Sheerin tamin'ny tatitra ho an'ny PEN International i Tursunov fa, “maka ny lalànany avy amin'ny aterineto fotsiny ireo mpanao politika Kyrgyz, manolo ny voambolana “Rosiana” ho “Kyrgyz”. “

Ny fandraisan'ny ao an-toerana sy ny iraisampirenena ilay lalàna

Governemanta maromaro sy fikambanana mpiaro ny zon'olombenona no nanameloka ny latsa-bato tamin'ny 15 Oktobra. Naneho ny “ahiahiny lalina” mikasika ilay volavolan-dalàna ny masoivoho Amerikana. Hoy ny fanambarana avy amin'ny masoivoho, “Tsy misy olona tokony tampenam-bava na gadraina noho ny momba azy manokana na momba izay olona tiaviny. Mandrahona ny zo fototra mahaolona ny lalàna manavakavaka vondron'olona iray. “Niantso ireo mpanao lalàna Kyrgz ihany koa ny masoivoho “hanohitra ny lalàna mametraka ho heloka bevava ny fanehoana fanondroana olona na ny famerana ny fiarahamonim-pirenena “.

Nangataka tamin'ireo mpanohana azy ny Labrys mba hanao fanerena ny iraisampirenena ao Kyrgyzstan amin'ny alalan'ny fikarakarana fihetsiketsehana, fanangonan-tsonia fanambarana tsy fankatoavana avy amin'ny fitsinjaram-pahefana ao an-toerana (indrindra ny firenena “tsy tandrefana), ary mangataka ireo fikambanana iraisampirenena mba haneho ny ahiahiny. Nangataka ihany koa ireo mpikatroka mba hijeren'ireo fikambanana iraisam-pirenena mpanome famatsiam-bola indray ny vatsy fanomeny mba hiantohana fa manohana ny zon'olombelona ireo mpiara-miombon'antoka ara-bola. Nangataka hanasaziana ireo olona fantadaza mpankahala pelaka izay nampiseho sy nandrisika fankahalahana ny LGBT ihany koa ny vondrona. Farany, niantso ny hametrahana fitsipika fanatsarana ny fialokalofana hoan'ny LGBT izay voatery nitsoaka ny fonenany ihany koa ny Labrys.

Misy mpanao lalàna vitsy ao Kyrgyzistan manohy ny adiny manohitra ilay volavolan-dalàna. Ny roa tamin'ireo solombavambahoaka fito nitsipaka ilay lalàna dia i Assiya Sasykbaeva, lefitry ny mpitondra teny amin'ny antenimiera, sy Natalia Nikitenko, filohan'ny komity misahana ny zon'Olombelona. Ny herisetran'ny polisy amin'ny pelaka sy ny mety ho fiantraikan'ny lalàna amin'ny zon'olombelona no nambaran'izy ireo fa antony nitsapahany ilay lalàna.

Tsy ny solombavambahoaka rehetra nitsipaka ny lalàna no nanao izany noho ny resaka zon'Olombelona ao Kyrgyzstan. Mety ho tsy nifidy ilay lalàna i Galina Skripkina, solombavambahoaka izay niantso ny fahapelahana ho “aretina”, saingy nanamafy ny fanohanany ny tanjona ankapobeny momba izany izy. Tsy manampy velively hanakanana ny famakiana indray ilay volavolan-dalàna rahatrizay velively ny fanoherana misy fepetran'i Skripkina momba izany. “Raha novolavolaina tsara mifanaraka amin'ny fitsipika ilay lalàna, dia manohana azy aho”, hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.