Ny Andron'ny Fifidianana, Nanakatona Ny Vohikala @Verdade Mpilaza Vaovao Ao Môzambika Ny Fanafihana Anaty Aterineto

@Verdade logo

fangon'ny @Verdade

Niharanà fanafihana totoafo tao anaty aterineto ny @Verdade, gazety mpivoaka isan-kerinandro ao Môzambika sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices, ny 15 Oktobra 2014, rehefa notanterahana ny herinandro lasa talohan'io ny fifidianana solombavambahoaka Môzambikana. Ny ankatoky ny fifidianana io fanafihana io no niseho ary nahavita nanakatona ilay vohikala vantany vao nifarana mihitsy ny fifidianana ka hanisa ireo vato nanerana ilay firenena midadasika aty atsimon'i Afrika.

Raha tsy afaka nandrakotra mivantana ny fifidianana tamin'ny fampiasàna ny tambajotran'olom-pirenena mpitatitra ananany ny @Verdade (tahaka ny nataony tamin'ny 2013, tamin'ny herintaona) noho ny tsy fahampiana ara-bola, dia mino ireo mpiasa ao fa nokendrena izy io noho ny fandrakofany ny fanadihadiana mikasika ireo harena sarobidy sy ny tombontsoa eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany azon'ny Filoham-pirenena tapitra fe-potoam-piasàna, Armando Guebuza, sy ny fianakaviany.

Nadika tamin'ny teny Anglisy ilay lahatsoratry ny @Verdade momba ny tombontsoa mivangonon'ny fandraharahan'i Guebuza ary navoaka tao amin'ny All Africa tamin'io andro io ihany:

Miaraka aminà fitambaranà tany mirefy 27.160 ha voarakitra any amin'ny kadasitry ny harena an-kibon'ny tany, dia manana fahazoan-dàlana fito ho anà fitiliana sy fikarohana harena an-kibon'ny tany ny fianakaviana Guebuza, amin'ny alàlan'ny Intelec Holdigs sy ny Tata Moçambique.

Ny zavatra iraisan'ireo dia samy voatendrin'ny Foibem-pitatanam-pirenena ny Harena An-kibon'ny tany izy ireo, tamin'ny fotoana niakaran'i Armando Guebuza teo amin'ny toeran'ny Filoham-pirenen'ny Repoblika.

Indrisy, nisedra olana noho ilay fanafihana ireo Mozambikana mpamaky tamin'ny fijerena izany amin'ny teny Pôrtiogey orijinaly.

Raha milaza ho mahafantatra ny niaingàn'ilay fanafihana totoafo Fandavana Tolotra Miparitaka (DDoS) ilay gazety, dia tsy namoaka izany vaovao izany ho an'ny vahoaka kosa. Nanazava io tranga io ny Africa Confidential tanatinà lahatsoratra momba ny fifidianana ao Môzambika, izay na dia saika tanatin'ny filaminana tanteraka aza dia voalotonà tranga mifono herisetra sy ezaka hanodinkodinana ireo vatom-pifidianana.

Olana mihamitombo ireo fanafihana amin'ny alàlan'ny DDoS any Afrika atsimon'i Sahara na tsy dia matetika tahaka ny any amin'ny faritra sasany amin’izao tontolo izao aza izany. Ny tany Afrika Atsimo no ohatra be mpahafantatra indrindra mikasika ny fanafihana amin'ny alàlan'ny DDoS, nanafihana ilay vohikalan'ny Fivoriambem-pirenena Afrikana tamin'ny 2013. Nizaka ny andraikitra tamin'io fanafihana io ny “Anonymous Africa”, izay nanonona ny fanohanany ny ANC an'i Robert Mugabe tany Zimbaboe ho anton'ilay fanafihana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.