Nahoana No Mety Hampidi-kizo Anao Ny Resaka Pizza Ao Thailandy

The Pizza Company hotline 1112 has become a code word to refer to Article 112 of the criminal code

Nanjary teny ankamantatra hoentina ilazàna ny Andinin-dalàna laharana-112 momba ny heloka bevava ny laharana fiantsoana ny Orinasan'ny Pizza (Pizza Company) 1112

Raha ao Thailandy ianao ka te-hihinana pizza tampoka, ny Pizza Company avy hatrany no mety ho tonga ao an-tsainao , fisakafoanana lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Ary raha miantso ny laharan'ny orinasa “1112” ianao, fantaro fa misy mpikatroka sasany ao Thailandy mampiasa ny teny pizza mba hilazana ilay Andinin-dalàna malaza laharana faha-112 momba ny heloka bevava.

Khaosod English, tranokalam-baovao iray ao Bangkok, nanazava fa vao avy nampidirina ao amin'ny fizarana manokana momba ny heloka bevava ny teny pizza noho ny laharana findain'ny Pizza Company saiky mitovy tanteraka amin'ny laharan'ilay andinin-dalàna

Mifehy ny Lese Majeste na lalàna miady amin'ny fanevatevana mpanjaka ny Andinin-dalàna 112, manameloka izay fihetsika rehetra hita fa manevateva ny fianakavian'ny mpanjaka. Ny mpanjakan'i Thailandy no olo-malaza hajaina indrindra ao amin'ny firenena ary olo-tokana (mpanjaka) manjaka maharitra indrindra manerantany. Mihevitra ireo mpikaroka ambony sasany fa ny andinin-dalàna 112, no mafy indrindra ary tokony hahitsy. Efa marobe ireo olona nogadraina noho izy ireo voalaza fa nanevateva mpanjaka tamin'ny sms na nandefa fanehoan-kevitra antserasera

Nampangain'ny mpikatroka sasany ny governemanta ho mampiasa ny lalàna mba hamelezana ireo mpitsikera. Efa nisy ireo fanangonan-tsona maromaro hanovana ny Andinin-dalàna 112, saingy notsipahin'ny manampahefana izany tolo-kevitra izany.

Activist Red Shirts used this sticker to refer to Article 112

Taratasy fametaka (sticker) ampiasan'ireo mpikatroka Lobaka Mena entiny ilazana ny Andinin-dalàna faha-112

Mba hisorohana ireo fanenjehan'ny Andinin-dalàna faha-112, mampiasa ny teny pizza ny Thailandey sasany hilazana ilay lalàna “henjana dia henjana” mba tsy hilazana mivantana ilay lalàna:

If a discussion begins to veer dangerously towards insulting the monarchy, someone may teasingly ask, “Are you ordering us a pizza?” or “I hope they serve pizza in prison.”

Raha manomboka atahorana mivadika mankany amin'ny fanevatevana ny fanjaka-tokana ny adihevitra, mety misy olona hanontany am-pamazivaziana hoe “Nanafatra pizza ho anay ve ianao?” na “Manantena aho fa manome pizza any am-ponja izy ireo.”

Taorian'ny fakàm-pahefana nataon'ny tafika tamin'ny volana Mey lasa teo, nanao fitoriana “Lese Majeste” am-polony ny governemanta vaovao. Raharaha vao haingana ohatra ny mikasika ilay mpikaroka ambony izay nolazain'ny manamboninahitra iray misotro ronono fa nanevateva mpanjaka iray efa maty.

Mety higadra hatramin'ny 15 taona ireo izay hita fa meloka amin'ny “Lese Majeste” .

Koa amin'ny sisa, raha miantso ny 1112 ao Thailandy ianao, fantaro tsara fa tena ny Pizza Company no antsoinao. Raha tsy izany, mety hihinana pizza any am-ponja ianao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.