Toa Tsy Mahatsiaro Mankalaza Ny Faha-20 Taona Nahatongavan'ny Filoha Jammeh Teo Amin'ny Fitondrana Ny Gambiana

President of the Gambia Yahya Jammeh addresses United Nations General Assembly on 24 September, 2013. UN photo by Erin Siegal. Used under Creative Commons license BY-NC-ND 2.0.

Filohan'i Gambia Yahya Jammeh nandray fitenenana nandritra ny fivorian'ny Firenena Mikambana tamin'ny 24 Septambra 2013. Sarin'ny UN avy amin'i Erin Siegal. Zon'ny mpamorona: Creative Commons license BY-NC-ND 2.0.

Eo ampanatanterahana ny fankalazana mandritra ny folo andro ny fanamarihana faha- 20 taona nahatongavan'ny filoha Gambiana mpanao didy jadona, Yahya Jammeh teo amin'ny fitondrana ny ao Gambia. Nandray ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila nokotrehiny i Jammeh, 49 taona tamin'ny 22 Jolay 1994, rehefa naharitra 29 taona ny fitondrana sivily sy “demaokratika”.

Raha maro ny milaza fa tsy misy antony hankalazàna izany, dia milaza matetika kosa i Jammeh sy ireo mpomba azy fa mendrika hasiana fandinihana ny fandrosoana nentin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 Jolay hoan'i Gambia. Napetraka ho fotoan-dehibe tanteraka ny fankalazana ny fanonganam-panjakana ka naetry ho toy ny andro fety tsy manan-danja eo ambany fiarovan'ny governora rezionaly sy ny ben'ny tanàna ny fetin'ny fahaleovantena tamin'ny fifehezan'ny mpanjanaka Britanika

Na dia izany aza, tamin'ny Revio [gazety-boky] Manerantany Mivoaka Ara-Potoana (UPR) momba an'i Gambia, nilaza ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona Amnesty International fa: “Hatramin'ny nivoahan'ny UPR voalohany momba an'i Gambia tamin'ny taona 2010, dia niharatsy ny toetry ny zon'olombelona tao amin'ny firenena. Manohy mangeja ny fahalalaham-pitenena sy manitsakitsaka ny zon'olombelona ao anatin'ny tsy fisaziana ny governemanta».

Natrehin'ireo filoham-panjakana Afrikanina, mpampianatra ambony Islamika  Dr. Zakir Naik ary olo-manankaja vahiny ny fanokafana ny fankalazana tamin'ny Zoma 10 Oktobra. Ny hariva, natrehin'ny filoham-pirenen'ny Bissau-Gineana, ny filohan'ny Antenimieram-pirenen'i Gabon ary ireo olo-manankaja vahiny ihany koa ny fiaraha-misakafo nokarakarain'ny filohan'i Gambia.

Nandritra ny kabariny tamin'ireo mpomba azy tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao Bakau izay nalefan'ny haino aman-jerim-manjakana GRTS ihany koa, nitanisa ireo zava-bitany ho amin'ny fampandrosoana i Jammeh, izay nambarany fa mbola tsy nisy teo aloha. Nampanantena ihany koa izy fa amin'ny volana Septambra 2015, hofoanany ny saram-pampianarana rehetra mba hisian'ny fampianarana maimaim-poana hoan'ny Gambiana tsy ankanavaka. Nitsipaka ny fanjanahantany i Jammeh ary namerina nilaza fa tsy mandefitra mihitsy amin'ny kolikoly sy ny fiarahan'olon-droa mitovy endri-taovam-pananahana.

Na dia eo aza izany fandrosoana sy lazaina fa fampandrosoana izany hatramin'ny nahazoan'ny filoha Jammeh ny fahefana. Mbola anisan'ny firenena mahantra indrindra manerantany i Gambia. Mampiseho ny Antotanisa avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena fa maherin'ny 60 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena no miaina ambanin'ny tahan'ny fahantrana ankapobeny 2 dolara isan'andro.

Sarjo Bayang, mpaneho-hevitra mavitrika mikasika ny olana ao amin'ny firenena nitsikera ny filoha Jammeh tamin'izay lazainy fa fahafatesan'ny toekarem-pirenena sy ny rafitra ara-bola tamina lahatsoratra fanehoan-kevitra niparitaka be tao amin'ny fampahalalam-baovao antserasera Gambiana. Hoy izy :

Deep biting economic hardship and financial meltdown that Gambians continue to suffer is at the extreme situation of thermal death for a nation in grief with no hope of redemption. Refusing to share the excruciating pain that ravages whole society the country’s President Jammeh instead chose celebrating 20 years of 22 July 1994 military coup in lavish spending weeklong party time from 10 October 2014.

Tonga eo amin'ny faratampon'ny fahafatesana mamaivay ho an'ny firenena iray ao ambany vahohon'ny tsy fisian'ny fanantenana hahazoana fanavotana ny fahasarotana lalina ara-toekarena sy ara-bola mbola mianjady amin'ny Gambiana. Mandà tsy hifampizara ny fangirifiriana mandrava ny fiarahamonina manontolo ny filoha Jammeh fa nisafidy kosa ny hankalaza mandritra ny herinandro lava dia lava ny faha-20 taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 Jolay 1994 amin'ny alalan'ny fandaniana mihoampampana hatramin'ny 10 Oktobra 2014.

Tamin'ny lahatsoratra hentitra dia hentitra no nilazan’i Bayang fa diso lahara-pahamenana mifototra amin'ny andry boboky ny fitotongan'ny rafitra goavan'ny toekarena i Jammeh sady notsikerainy ho manao fandaniana mihoampampana:

Most amazingly, President Yaya Jammeh kept the flame of festivals burning from that fateful 22 July 1994. Those who know Kanilai [a village in Southern Gambia] where the president calls home will tell you that it is party time day and night dusk to dawn 247. Animals are slaughtered for sacrifice to demons and meat is distributed for meals. Drumming and dancing is all time social event. Contests are organised between various entertainers including witch craft displays, magicians, and women wrestlers.

Tena mahagaga tokoa ny fisisihan'ny filoha Yaya Jammeh hanao ity fetiben'ny 22 Jolay 1994 ity. Hilaza aminao ireo izay mahafantatra an'i Kanilai [tanàna kely ao Atsimon'i Gambia] izay antsoin'ny filoha fa [ambanivohitrany] fa fety hatrany ny any na andro na alina manomboka amin'ny filetehany ka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro. Biby 247 no novonoina natao sorona hoan'ny devoly ary nozaraina atao sakafo ny hena. Ny amponga sy ny dihy no manjaka mandritra ny fotoana rehetra amin'ny fetim-piarahamonina. Nokarakarain'ny mpampialavoly isan-karazany ny fifaninanana, ka anisan'izany ny asa-tanan'ny mpamosavy, mpanao mazia, ary vehivavy mpanao tolona.

Gambiana mpitsoa-ponenana mpanao gazety Aisha Dabo nitaraina tao amin'ny ​​Twitter tamin'ny fanomezana mihoampampana nataon'i Jammeh:

Nandany ny 20 taona teo amin'ny fitondrana ny filoha Jammeh ao #Gambia: nanome 1,5 tapitrisa dolara hoan'ilay mpitondra fivavahana Miozolomana Zakir Naik nefa olom-pirenena 600 000 no tsy ampy sakafo ary 200 000 no mila fanampiana vonjimaika [tombana avy amin'ny ONU]

Pa Nderry M'Bai, mpanao gazety Gambiana monina ao Etazonia sady mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny gazety antserasera mampiadihevitra Freedom Newspaper no namoaka sary dimy vaovao tamin'ny fankalazana tao amin'ny kianja izay mampiseho ny fahavitsian'ny olona nanatrika ny fety.

Notsipahin'ilay mpisera Facebook iray Chatti Yayam fa diso ireo sary sarin'i M'Bai, izay nandefa fanehoan-kevitra sy sary mampiseho ny habetsahan'ny olona tamin'ny fankalazana izy. Hoy izy :

This is the real celebration mr Pa Nderry mbai.. I understand u want a better Gambia an I commen u for the struggle an all your efforts but if u want us to continue to believe in u an what u are doin u have be telling the truth no matter how hard. For The Gambia our home land!

Tena fankalazana marina io atoa Pa Nderry Mbai .. azoko fa te-hanana Gambia tsara kokoa ianao ary manoro-hevitra anao aho mba hitolona amin'ny herinao rehetra raha tianao hanohy hatoky anao izahay amin'izay zavatra ataonao, milaza ny marina foana ianao na dia sarotra aza izany. Hoan'i Gambia tanindrazantsika!

Na dia nisy aza ny fandrosoana madinika nataon'ny governemantan'ny filoha Jammeh, maro ireo mihevitra fa tsy ilaina mihitsy ny fety andaniam-bola be isan-taona. Taorian'ny fankalazana ny fanonganam-panjakana, hifantoka kokoa amin'ny fampanantenana fampianarana maimaim-poana hoan'ny ankizy Gambiana manomboka amin'ny volana Septambra 2015 ny sain'ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.