Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?

Namely ny faritra Avaratr'i Andhra Pradesh sy ny faritra Atsimon'i Odisha ny rivodoza “Hudhud“, voasokajy ho “tena mahery vaika”, ny Alahady 12 Oktobra tamin'ny 12 ora tany an-toerana. Tsy hita noanoa ny fahavoazana. Araka ny tatitra farany, rivotra manodidina ny 200 kph (124 mph) no mamely ny morontsiraka, izay namono olona 6 fara fahakeliny.

Visakhapatnam ao Andhra Pradesh, izay ahitana olona roa tapitrisa sy seranan-tsambo iray lehibe, no tena voa mafy indrindra, noho ilay rivo-doza nanapaka ny fifandraisan-davitra tao an-tanàna. Ny Alahady alina, nikisaka namakivaky an'i Andhra Pradesh sy ireo faritany mifanolo-bodirindrina aminy ilay rivo-doza, nihena ny herin'ny rivotra: 120 – 130 kph (77 mph eo ho eo).

RT @potuku: nandrava i #hudhud. Tsy misy herinaratra. Tsy misy vaovao. Hazo mianjera eraky ny làlana. Mivavaka ho an'ny filaminana #Vizag

Formed on October 8, the Tropical Cyclone Hudhud is seen moving west across the Bay of Bengal. Photo courtesy of NASA Goddard MODIS Rapid Response Team. Image via Demotix Live News. Copyright Demotix (8/10/2014)

Niforona tamin'ny 8 Oktobra 2014, nikisaka namakivaky ny ranomasina tao Bengal i Hudhud. Tarika mpanao vonjitaitra avy amin'ny NASA Goddard MODIS. Fizakàmanana Demotix.

Nandritra ny andro maro, tao anatin'ny fisavoritahana momba ny fahatongavan'ny Hudhud ireo media Indiana. Hamaliana ny fisaritahana tany anatin'ireo vaovao, hatramin'ny fahatsiarovana ny Super Cyclone tamin'ny 1999 sy ilay rivodoza “Phailin” tamin'ny herintaona, nifofotra  nandrakotra ny tranony tamin'ny gony feno fasika sy namatotra ny tranony tamin'ny tady ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Andhrapradesh sy ny morontsiraka Odisha. Olona 500.000 teo ho eo no niara-nandao ilay toerana, nifindra tany amin'ny toerana azo antoka kokoa, ivelan'ny làlana heverina ho mety lalovan'ilay rivodoza.

Ireo rehetra ireo, na dia teo aza ireo faminavinàna fa tsy hiteraka afa tsy ora-mikija sy rivotra mahery vaika ao Odisha fotsiny i Hudhud. Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra. Niakatra ireo vidin'ny legioma ohatra, satria nanomboka nitahiry vokatra ireo olona raiki-tahotra. Mazava ho azy fa izany ihany koa no nitranga ho an'ireo entana hafa ilaina ao an-trano. Nivoaka tety anaty aterineto ireo fanahiana momba ireo mpanararaotra sy ny fahavitsian'ny fitaovana:

Toy ny mivarotra #fisavoritahana amin'ny alalan'ny lohateny vaventy #manaitra momba an'i #Hudhud ny #media an-tsoratra sasany ao #Odia.

Nanome fahafahana ireo mpampiasa aterineto ao Inda ihany koa i Hudhud amin'ny fanarahana ilay rivodoza amin'ny fotoana marina avy any amin'ireo toerana lavitry ny orana sy ny rivotra.

Lahatsarin'i #Hudhud #RivoDozaHudhud ho an'ireo olona ao amin'ny media avy ao amin'ny “28 storms” #Odisha #Andhra https://t.co/lC2uWp6kzO

Nahasarika ny maro tao Inda ny fanarahana an'i Hudhud, saingy maro no nahita fa hadalàna ny zavatra natao, indrindra fa ao anatin'ny toe-javatra hoe mampitombo ny fahatahorana eny anivon'ny mponina ilay izy.

Mety tsy hahakitika toerana maro ao #Odisha ilay rivodoza #Hudhud noho izy mitodi-doha ho any Vizag. sary 3D an'ny Insat nalaina tamin'ny 9 ora sy sasany alina https://t.co/wDtfJJSqoX

@devasissarangi Lasa adala ireo media nasiônaly, tsy misy vaovao momba ireo tondradrano any NE, tsy misy momba an'i #hudhud #Odisha, aza mijery azy ireny intsony @agrawalakhil

Tsy afa-bela tamin'ny politika, mazava ho azy, ilay resaka momba an'i Hudhud. Satria raha namely ny morontsiraka Atsinanan'i Inda ilay rivodoza, variana nitsidika an'i Maharashtra kosa ny Praiminisitra. Raha ny hita, fikambanana maro mpampita vaovao no niaraka tamin'ny Praiminisitra, nitatitra ny fampielezan-keviny momba ny fifidianana amin'izao fotoana izao, raha tokony hanaraka ilay rivodoza any Antsinanana.

Ny andro namelezan'i #HudHud an'i Inda, nihorakoraka ho an'i #Modi ireo media marathi (ilazàna ny hoe avy ao Maharashtra). Izany no ho an'ny maha-olombelona. #SoldOutMedia pic.twitter.com/nO8QzL5Gp6

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.