Mahatsiaro An'i Mahsa Shekarloo, Nitondra Voalohany Ny Aterineto Tany Irana Ary Mpitaky Ireo Zon'ny Vehivavy

Photo of Mahsa Shekarloo by Kamran Ashtary. Used  with permission. You can share it with attribution, but don't sell it.

Sarin'i Mahsa Shekarloo, avy tamin'i Kamran Ashtary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy. Afaka zarainao fa tsy afaka amidy.

Maty ny 09 Septambra 2014, teo anivon'ireo fianakaviany i Mahsa Shekarloo, mpitaky ireo zon'ny vehivavy, mpanoratra, mpamoaka boky, mpandika teny ary mpamorona ny  Bad Jens, gazety anaty Aterineto miaro ny vehivavy. Voan'ny homamiadana mahery vaika izy. Amin'ito lahatsoratra ito, i Tori Egherman avy amin'ny Aresh Sevom, vondrona izay manosika ny fisokafana sy ny zon'olombelona any amin'ireo vondronm-piarahamonina milamina miteny Persiana, dia manjohy ireo hafa manerana ny tany amin'ny fisaonana ny fahalasanany ary mankalaza ny fiainany.

Olona mieritreritra, mamisavisa ny ratsy, ary hentitra amin'ny zavatra ataony i Mahsa. Tsy naniry ny ho eo anivon'ny fijery lehibe tahaka izany mihitsy izy teo amin'ny fiainana. Tsy nataony entina hamenoana faniriana manokana, na ny hametraka azy eny anoloana sy eny anivon'ny sain'ny vahoaka ny zavatra tiany sy ny asany. Niasa noho ny fitiavany te-hahalala izy, ny fifikirany amin'ny fitakiana ny zon'olombelona sy ny hetsik'ireo vehivavy, ary ny finoany ny afaka hisian'ny fiovàna.

Teraka tao Teheran i Mahsa fa nandany ny fahazazany tao Chicago kosa. Niverina nifidra tany Irana izy ny voalohandohan'ny taona 2000, vao avy nahazo ny diplaomany tamin'ny Anjerimanontolo. Tany no nahitany toerana afaka hitiavany, ary fiarahamonina afaka hitondrany ny anjara birikiny. Tao amin'ny lahatsoratra momba an'i Mahsa, nanoratra toy izao The Feminist School [fa]:

Anisan'ireo vondron'olona avy amin'ny zanaka am-pielezana Iraniana izay niverina tao Irana izy, mba hampiasa ny kolontsainany sy traikefany mba hitondra ny anjarany eo amin'ny kolontsaina. Nanjohy vondrona Vehivavy Iraniana izy, izay nahazo tombony tamin'izany fotoana izany, raha mbola hety dia hety ny fisokafan'ny rafitra politika, mba hampivelatra ny hetsik'ireo vehivavy ary ny resaka momba ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny kolontsaina.

Nandika teny ny boky roa an'i Shirin Ebadi izay nahazo ny loka Nobel ihany koa izy: Ireo Zon'ny Vehivavy ao amin'ny Repoblika Isamikan'i Irana ary ny Tantaranà Vehivavy Iray.

Ny làlana no reny mpitaiza antsika

Ny Febroary 2014, niasa mba hanampy ny fampiroboroboana sy ny fikarakaràna ny One Billion Rising tao Irana (Fijoroan'ny Iray Lavitrisa ao Irana) i Mahsa, izay anisa'ny fankalazàna ny andro manerantany mampiasa ny dihy mba hisintonana ny sain'ny olona amin'ny resaka zon'ireo vehivavy. Izao ny filazalazan'ny vondrona azy:

Ho anay aty Irana, làlana iray hafa ho an'ireo vondrona sosialy isan-karazany mba hivondrona sy hitaky ny rariny, sy ny fitoviana ho an'ireo vehivavy ao an-trano sy eny amin'ny sehatra sosialy ny One Billion Rising. Nisafidy ny hidina an-dàlana izahay satria izy ireo no mandrafitra ny fiainanay. Ireo làlana no reny mpitaiza anay. Tazonin'izy ireo ny fahatsiarovanay, alahelo, ary ireo hafaliana. Eny no ahazoanay ireo tapaka sy namana ary eny ihany koa no ahafantaranay ireo loza. Eny izahay no mitady fialofana rehefa tsy azo antoka intsony any an-tranonay. Teny amin'ny làlana no nahitanay ireo làlana tokony nizoranay ary teny ihany koa no nahafatesanay. Eny amin'ny làlana no hanaovanay ny fitakianay ary hanaovanay ny marimaritra iraisana sy ny ady varotra, ary tsy hoe amin'ny mpivarotra ihany, fa amin'ny lehibe mpifehy ihany koa. Làlana iray ahafahanay manao fampihavanana ny fandehanana eny an-dalambe, fitoviana ary rariny ara-tsosialy ho an'ny rehetra. Ho an'ireo mitady hafaliana ho an'ny tenany ary ho an'ny hafa ihany koa ity hetsika ity, ary ireo vonona ny handeha eny ho an'izany.

Iray amin'ireo marobe ataon'ireo mpandray anjara ity lahatsary ity:

 

Lahatsary iray natao hanohanana ny One Billion Rising – Irana. Fidinana an-dàlana, fandihizana hitaky rariny sy fitoviana

Bad Jens

Taminà tafatafa ny taona 2007, niaraka tamin'ny Qantara.de, niresaka ny gazety amin'ny Aterineto miaro ny vehivavy izay naoriny i Mahsa: Bad Jens. Hanome anjara fitenenana ho an'ireo miaro ny vehivavy ao Irana no tanjon'ilay gazety, mba hanome làlana hanalàna ny fahatsapan'izy ireo fa irery izy, ary hanalàna ireo petra-kevitra avy any amin'ny tany Tandrefana.

Nilaza i Mahsa hoe:

…Mieritreritra aho fa ny ankamaroan'ireo Tandrefana, rehefa mankany Irana izy ireo, dia mihevitra fa ireo vehivavy Iraniana, ireo vehivavy Silamo, dia anisan'ireo vehivavy voateritery indrindra eto an-tany – izay mety ho marina na tsy marina. Fa izao ny zavatra iray – satria tonga aty miaraka amin'izany eritreritra izany izy ireo – toa manamarina izany avokoa ny zavatra hitany rehetra rehefa tonga aty izy ireo.

Vao haingana, hatry ny naha-filoha an'i Khatami, misy ny fitsaratsaràna hafa, endrika hafa: “tovovavy manao ny sarondohany mikipaka any aoriana, sy manao manjamaso sy ankosotra tena betsaka, ary akanjo terikely” – manao izay ampilantolanto izany fatratra. Izany hoe, zava-dehibe ny zavatra ataon'ireo tovovavy ireo, zavatra iray hafa izay; fa zavatra hafa iray ihany koa ny manao io ho toy ny fiovàna ara-tsosialy tsara indrindra amin'izao, tsy izany mihitsy anefa no misy.”

Ary raha manana fijery tsara amin'ireo vehivavy Iraniana ny Tandrefana, mbola ataony ho toy ny maherifo-ny ihany izy ireo. Noho izany, ireto ireo tendro roa samy hafa: eo andaniny ireo vehivavy Iraniana atao ho toy ny kofehy manara-panjaitra sy iharan'ny tsy rariny, ary ankilany ireo hafa izay sokajiana ho hafa mihitsy, ireo tsy manaraka ny fehezan-dalàna rehetra ary tsy manaraka ny fenitra ara-tsosialy tokony arahina. Noho izany, very ireo rehetra mipetraka eo aneanelany.

Ilay mpamaky lay ny Aterineto

Ho an'ny maro, nahitana zavatra betsaka ilay gazety Bad Jens amin'ny fiteny roa. Tamin'ny fotoana namoahana voalohany azy, nisy ireo loharano vitsivitsy ho an'ny soratra amin'ny teny Anglisy avy amin'ireo olona mipetraka sy miasa any Irana. Nampiasa ny Aterineto ireo Iraniana toa an'i Mahsa mba hamoronana sehatra fiadiana hevitra ho an'ny daholobe izay tsy neken'ny fitsipika teirterin'ireo sehatra hafa toy ny gazetiboky atonta sy ireo gazety an-tsoratra.

Nekena somary alohaloha ihany tany Irana ny Aterineto. Nanokatra toerana ahafahana manova ny tsangan-kevitra teren'ny governemanta ho arahana io, nanokatra adihevitra, ary ahafahan'ny tsirairay miteny.

Ny voalohandohan'ny taona 2000, fiteny faharoa be mpampiasa indrindra tao amin'ny Aterineto ny fiteny Persiana. Tena zavatra hafa nalaza be ny fanoratana bilaogy avy any Irana. Nahita endrika iray hitantaràna ireo tantarany ilay firenena iray onenan'ireo mpitantara . Nampiasa io hiresahana ny zavatra rehetra izy ireo, miainga any amin'ny Harry Potter ka hatramin'ny lalàna Silamo, ka hatramin'ny zon'ireo vehivavy. Tena zavatra nisongadina ireo voalohany namoaka nampahafantatra samirery ny aminy. Nahita fomba iray afaka hampifandraisana ny tsirairay ireo Iraniana, amin'ny lafiny maha-olona sy ara-politika, izay noferana fatratra nandritra ny taona maro. Nampiseho ny fanadihadiana momba ny Aterineto any Irana, natao ny taona 2008, fa mifampihantsy ireo olona manana fomba fijery samihafa ary mifanitsaka. Mifampihantsy ireo fanehoan-kevitra apetraka ao amin'ny bilaogy, ao amin'ny fifampiresahana. Ao amin'ny taratasiny, nanoratra izao ireo Iraniana mpitaky fiovàna sy ireo mpikatroka mafana fo : ireo mpampiasa Aterineto, Babak Rahimi sy Elham Gheytanchi:

Mitovy amin'ny fampidirana ny teknolojian'ny loharanom-baovao teo aloha ny fiantraikan'ny Aterineto amin'ny politika Iraniana, sahala amin'ny telegrafia ny faran'ny taonjato faha siviambinifolo, sy ny fandraisana horonampeo (kasety) ny taona 1970, izay namorona toerana vaovao manokana sy sosialy ho an'ireo mpanohitra.

Nandray anjara tao amin'ny fifampiresahana ny Bad Jens, gazety hita ety anaty Aterineto, miaraka amin'ireo lahatsoratra voasaina tsara, tsy tena misy, ary poezia.

Nilaza izao i Mahsa tamin'ny tafatafa tao amin'ny ABC news ny taona 2005:

Mampiasa ny zavatra rehetra eo am-pelatananao ianao. Io antony io mihitsy no antony iray mahatonga ny Aterineto malaza be aty. Toerana iray tsy miankina io, azo ambara ho mora hidirana na farafaharatsiny tsy mora araha-maso.

Ny fahatsiarovantena-ntsika

Ho an'ireo asa maro mikasika ireo zon'olombelona sy ireo zon'ny vehivavy, sahala amin'ny fahatsiarovantena iray i Mahsa. Nino ny herin'ny fiovàna kely miainga ao amin'ny fianakaviana ary ao anatinà vondrona sosialy kely izy. Afaka maharitra kokoa ny fiovàna amin'ny tsara raha miainga avy any amin'ny fianakaviana mihitsy fa tsy teren'ny avy any ivelany.

Niaina ny fiainany tamin'ny fampiasana ireo foto-keviny tamin'ny lafiny rehetra izy: amin'ny naha-namana, reny, ary mpiara-miasa. Izany no mahatonga ny fahalasanany ho toy ny loza lehibe ho an'ny maro amintsika. Lehibe noho izay fantany na ny noeritreretiny aza ny zavatra azontsika tamin'ny finamanana niaraka taminy. Izany dia noho ny asany amin'ny maha manam-pahaizana sy mpiaro ireo zo azy lasa lavitra nihoatra ny resaka asa. Nampiseho imbetsaka izy fa mety misy fiantraikany mivelatra be ary mahatonga fiovàna maharitra ny fiantraikan'ny miaina fiainana mitodika amin'ny madinika.

Tsy tokony hahagaga ny nahatongavan'ny fanomezana voninahitra azy avy amin'ny lafivalon'ny tany. Noderain'ny maro ny faharanitan-tsainy, ny hafanam-pony ary ny fiantràny olona amin'ny fanahiny. Nasehony ny fampoiarahana tsara ny faminavinana ny ratsy, ny fijerena ny azo atao, ary ny fahitana hatrany ny tsara amin'ny zavatra atao izy, rehefa hamolavola tetikasa sy hamadika izany ho asa izy.

Ao amin'ny mombamomba an'i Mahsa afaka jerena ao amin'ny Aterineto, namaky izahay fa:

…rehafa tsy manampy ny hafa izy hanampy ireo vehivavy Iraniana, mamafy miafina ny fomba fisainana miaro ny vehivavy taorian'ny fanjanahana izy, eny anivon'ireo mpiara-miasa aminy tsy mahalala izany.

Voalohany namaky lay ny Aterineto i Mahsa Shekarloo, mpikatroka mafana fo miaro ireo zon'ny vehivavy, ary namana. Halahelo azy ny rehetra.

Navoaka voalohany tao amin'ny Arseh Sevom.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.