Mpanoratra Iray Ato amin'ny Global Voices Nomen'ny Filohan'i Etazonia Obama Voninahitra noho ny Asam-Piarovana ny Zon'Olombelona Nataony ao Kambodza

Cambodian activist Sopheap was in the audience when she was honored by Obama in New York

Kambojiana mpikatroka Sopheap anisan'ny mpanatrika raha nomen'ny filohan'i Etazonia Obama voninahitra tao New York

“Mirehareha aminao tokoa izahay, ary miara-mijoro aminao izahay.”

Nandeha ny resaka tamin'ny fankasitrahan’ny filohan'i Etazonia Barack Obama an'i Sopheap Chak, tale mpanatanteraky ny Ivontoerana Kambojiana Misahana ny Zon'Olombelona, nandritra ny andiany fahafolon'ny Clinton Global Initiative tao an-tanànan'i New York. Mpikambana ao amin'ny fiarahamonin'ny Global Voices ihany koa i Sopheap hatramin'ny 2009.

Tao an-toerana i Sopheap raha nidera ny asany teo anatrehan'ny mpitarik'izao tontolo izao, vato nasondrotry ny tanin'ny fiarahamonim-pirenena, lehiben'ny fampitam-baovao ary mpikatroka maro ny filoha Obama.

Nanao tsipalo-teny an'i Sopheap i Obama rehefa niresaka momba ny toetran'ny zon'olombelona mampanahy ao Kambodza. Nomarihany manokana ny momba ireo mpikatroka efatra izay maty rehefa nanomboka nanao ilay fanentanana manohitra ny tsy ara-dalàna ataon'ny governemanta. Iray amin'ireo mpikatroka ireo ilay mpandala ny tontolo iainana malaza Chut Wutty, izay maty voatifitra tamin'ny Avrily 2012 rehefa nitatitra ny raharaham-panondranana hazo amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny faritanin'i Koh Kong. Nomen'i Obama voninahitra i Chut sy ireo mpikatroka hafa lasa maritiora, ary nataony tahaka izany ihany koa ireo mbola miezaka mampiroborobo ny zon'olombelona ao Kambodza. Naroson'i Obama omena voninahitra ny fanapahan-kevitra feno fahasahiana nataon'i Sopheap hanohy ny fanentanana ho amin'ny rariny any Kambodza:

Sopheap saw a fellow human rights advocate hauled off by the police, and she could have fled, too, but she says she’s never thought of leaving Cambodia even for minute. So she keeps organizing and marching and mobilizing youth to demand justice.

Hitan'i Sopheap ny fakana an-keriny nataon'ny polisy ny namany mpisoloavan'ny zon'olombelona, ary azony natao ny nandositra, ihany koa, saingy nolazainy fa tsy nieritreritra ny handao an'i Kambodza mihitsy izy na dia iray minitra monja aza. Ka dia mbola mikiry ny manomana sy manao diabe ary manetsiketsika ny tanora hatrany izy hitaky ny rariny. 

Nanao antsafa tamin'ny Sopheap, izay efa nody any Kambodza amin'izao fotoana izao, momba ny fankasitrahana azony tany Etazonia sy ny momba ny raharaha Chut Wutty ihany koa tamin'ny alalan'ny imailaka izahay.

Global Voices (GV): Nanao ahoana ny fihetseham-ponao tamin'ny fanambarana nataon'i Obama nanome voninahitra an'i Chut Wutty sy nankasitraka ny fisoloam-bava ataonao iarovana ny zon'olombelona?

Sopheap Chak (SC): It was inspiring to be recognized by a famous global leader. And even more inspiring was Obama’s statement about the important role of the civil society. He also emphasized that the most important title is not president or prime minister, but citizen. This should be the attitude of all government officials.

Nanome aingam-panahy ilay nakazo fankatoavana avy amin'ny mpitondra iray malaza manerantany. Ary vao maika manome aingam-panahy lehibe kokoa ny fanambaran'i Obama momba ny andraikitra lehibe tazonin'ny fiarahamonim-pirenena. Nasongadiny ihany koa fa ny voninahitra lehive indrindra dia tsy ny hoe ho filoha na ho praiminisitra, fa ny ho olom-pirenena. Izany no tokony ho fihetsiky ny manampahefana rehetra ao amin'ny governemanta. 

GV: Azonao atao ve ny manazava bebe kokoa ny fisoloam-bava ataon'ny vondrona misy anao izay nankasitrahan'i Obama?

SC: The Cambodian Center for Human Rights is a non-aligned NGO that works to promote and protect democracy and human rights – primarily civil and political rights – in Cambodia. We work with ordinary people, grassroots activists, and community-based organizations at a time when the Cambodian government has failed to stop the deterioration of the human rights situation in the country. We assert that what hinders the emergence of true democracy is when authorities only recognize the human rights of the wealthy at the expense of ordinary Cambodians.

ONG tsy manana fironana miasa hampiroborobo sy hiaro ny demaokrasia sy ny zon'olombelona – indrindra fa ny sivily sy politika – ao Kambodza ny Ivontoerana Kambojiana misahana ny Zon'Olombelona. Miara-miasa amin'ny olon-tsotra, ireo mpikatroka any amin'ny fototra ary ireo fikambanana mifototra amin'ny fokonolona izahay mandritra ny fotoana tsy hahavitan'ny governemanta manakana ny fiharatsian'ny fanajana ny zon'olombelona ao amin'ny firenena. Manamafy izahay fa ny vato misakana ny fipongaran'ny demaokrasia tena izy dia rehefa ny zon'ny manankarena no eken'ny manampahefana ka tsy raharahiana ny an'ny Kambojiana tsotra.

Sopheap is executive director of the Cambodian Center for Human Rights. She joined Global Voices in 2009

Sopheap no tale mpanatanteraky ny Ivontoerana Kambojiana Misahana ny Zon'Olombelona. Niditra tato amin'ny Global Voices izy tamin'ny 2009

GV: Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpitarika sy ny fiarahamonim-pirenena kambojiana tamin'ny fandrenesana ny fanambaran'i Obama?

SC: Civil society groups welcomed Obama's statement and they noted that it revived interest about the case of Chut Wutty, a martyred environmental activist. May the public never forget that the Cambodian government has failed to bring justice to him and his family. For instance, his death was not independently investigated.

What was doubly disheartening was the statement of a government official who continued to malign activists by calling Chut an illegal logger after Obama honored him. Yet the government could not present an evidence against Chut, and it could also not stop the rapid loss of Cambodia’s remaining forest cover. It could not even name a single illegal logger who had to be made accountable for destroying the environment.

Noraisin'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena tsara ny fanambaran'i Obama ary voamariky ry zareo fa namelona indray ny fitodihana tamin'ny raharaha Chut Wutty, ilay mpikatroka ara-tontolo iainana efa lasa maritiora indray izany. Aoka tsy hohadinoin'ny olona na oviana na oviana fa tsy nanao izay ipoiran'ny marina ho azy sy ny fianakaviany ny governemanta Kambojiana. Tsy nanaovana fanadihadiana tsy miankina ohatra ny fahafatesany.

Ny tena mahavaky fo tanteraka dia ny fanambaran'ny manampahefana ao amin'ny governemanta izay mbola manala baraka ny mpikatroka milaza an'i Chut ho mpanao trafikam-panapahana hazo taorian'ny nanomezan'i Obama voninahitra azy. Eny fa na dia tsy afa-nanome porofo hamelezana an'i Chut aza ny governemanta, ary tsy afa-mampitsahatra ny fahapotehana haingana ny ala sisa eto Kambodza. Tsy afa-nanome na dia anarana iray monja aza ho tompon'antoka amin'ny famotehana tontolo iainana [ny governemanta].   

GV: Inona ny drafitrareo manaraka? Mbola manaraka ny raharaha Chut Wutty ve ianareo?

SC: We will continue our advocacy work especially the protection of human rights defenders and individuals who are exercising and asserting their fundamental freedoms. We will engage the government as it continues to criminalize the legitimate protest actions of activists and ordinary citizens. We will continue to advocate for real change in the country by raising the people’s awareness about their rights.

Regarding Chut Wutty’s case, we are still appealing for an independent investigation about his death. This is crucial to ensure that the culture of impunity is not tolerated in Cambodia.

Mbola hanohy ny asa fisoloam-bava izahay indrindra fa ny fiarovana ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny tsirairay mampihatra sy mijoro amin'ny fahalalàny fototra. Ataonay izay hampandraisan'ny governemanta anjara raha mbola mametraka ho heloka ny hetsi-panoherana ara-drariny ataon'ny mpikatroka sy ny olon-tsotra ry zareo. Mbola hanohy ny fisoloam-bava isian'ny fanovana ao amin'ny firenena izahay amin'ny alalan'ny fanaitairana ny olona amin'ny zony.

Momba ny raharaha Chut Wutty, mbola mampakatra ny raharaha hisian'ny famotorana mahaleotena tamin'ny nahafatesany izahay. Iainkinan'ny ain-dehibe ny miantoka fa tsy azo leferina eto Kambodza ny kolontsain'ny tsimatimanota.

GV: Inona ny hafatrao amin'ny fikambanana Global Voices?

SC: It is truly inspiring to belong in a group as diverse as ours. Each member has this remarkable passion to contribute to the community and amplify voices neglected by mainstream media. We are motivated by the positive impact of our work. It’s amazing to see and contribute to the global growth of this movement.

Tena manome aingam-panahy tokoa ny mikambana ao amin'ny vondrona ahitan-javatra isan-karazany tahaka ny antsika. Manana finiavana miavaka ny tsirairay handray anjara ao amin'ny fikambanana sy hampakatra ny feo tsy raharahian'ny gazety mahazatra. Mampavitrika antsika ny traika tsara ateraky ny asantsika. Mahatalanjona ny mahita sy mandray anjara amin'ny fampitomboahna ity hetsika ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.