Fantaro I Jillian C. York, Mitety ny Tontolo Ary Mpitolona Ho An'ny Fahalalahàna Miteny Sady Mpiasa An-tsitrapo Ao Amin'ny Global Voices.

Photo credit: Asher Wolf. Used with permission.

Nahazoana ny sary: Asher Wolf. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Mpanoratra, mpitolona, mpikaroka ary bilaogera i Jillian C. York. Miasa ho toy ny Talen'ny Fahalalahàna Maneho Hevitra Maneran-tany ao amin'ny Electronic Frontier Foundation izy, ary manoratra ho an'ny sehatra maro, ao anatin'izany ny “Al Jazeera English” sy ny “The Guardian”. Mpisolo-tena an-tsitrapo ny mpitantana ny Global Voices ihany koa izy.

Niresaka tamin'i Jillian momba ny fahalalahàna maneho hevitra aho, ny toerany ao amin'ny Global Voices ary ny fotoana niainany tany Maraoka.

Global Voices (GV): Ahoana ary oviana no nahafantaranao ny Global Voices?

Jillian C. York (JY): Tamin'ny 2007 no nahafantarako ny Global Voices, satria notononin'izy ireo tao ny blaogiko! Nijery ireo tamberina-ko aho, dia nahatsikaritra fa voatonona ny blaogiko tamin'izany (Ny Morocco Report, izay natomboko vao nifindra tany Maraoka aho), ary araka izany, rehefa avy namaky sy nanamarina ilay tranonkala, niantso ny tonian-dahatsoratra aho (Amira Al Hussaini) dia nanontany raha afaka mirotsaka an-tsitrapo.

GV: Inona ny ataonao ho an'ny Global Voices amin'izao fotoana izao?

JY: Amin'izao, miovaova isanandro, isan-kerinandro izany. Manoratra momba ireo firenena any Afovoany Atsinanana aho indraindray, na Etazonia (izay niaviako), ary atsy ho atsy mety ho Eoraopa (izay hipetrahako ankehitriny). Indraindray aho manoratra ho an'ny Advox, ary ny tena lehibe indrindra, misolo tena mitondra ireo olan'ny vondrom-piarahamonina ho ao amin'ny fivorian'ny mpitantana sy manampy miaraka amin'ireo mpanolotsaina sy ireo ekipa fototry ny GV aho.

GV: Inona avy ireo andraikitra sahaninao amin'izany mpisolo tena ny mpiasa ao amin'ny fivorian'ny mpitantana izany?

JY: Amin'ny maha mpisolo tena ireo mpiasa ao amin'ny Fifampidinihana, andraikitro voalohany indrindra ny manome antoka fa henon'ireo mpitantana sy ireo mpikambana ao amin'ny Foibem-pitantanana ny ahiahy sy ny hevitr'ireo mpanoratra. Raha tsy faly na mahatsapa ho tsy henoina mihitsy ny mpanoratra iray, mety hahavoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo izany.

GV: Inona ny asa ataonao ivelan'ny Global Voices?

JY: Miasa ho an'ny fikambanana iray tsy mitady tombontsoa izay ao Etazonia aho, antsoina hoe  Electronic Frontier Foundation. Any, mitantana ireo vinavinan'asanay momba ny fahalalahàna maneho hevitra maneran-tany aho. Miasa amin'ny tetikasa iray antsoina hoe OnlineCensorship.org aho amin'izao, izay mikendry ny hanangona angon-drakitra mikasika ny sivana mitranga eny amin'ny tambajotra sosialy, izay tsy ny fanjakana no manao azy, .

GV: Manoritsoritra ny tenanao ho toy ny mpitolona ianao. Inona no ao takian'izany ary ahoana ny vokatr'izany amin'ny fomba fijerinao ny tontolo?

JY: Voalohany indrindra, mpitolona ho an'ny fahalalahàna miteny aho, na dia noho ny antony hoe satria aho mino fa amin'ny alalan'ny famelàna ny fahalalahàna miteny ihany no ahafahan'ny tsirairay manao izay hahenoana ny feony ary mamorona fiovàna manodidina ireo fanontaniana goavana hafa. Izany akory tsy hilazaàna ho tsy mpanao politika aho, fa hoe, io no fitaovana ifandraisako amin'ny politika.

GV: Mba afaka miteny zavatra momba ny fotoana niainananao tany Maraoka ve ianao?

JY: Mazava ho azy – malahelo azy loatra aho. Nanana vintana niverenana nitsidika indroa tany aho ary manantena indray amin'ny taona ho avy.

Tanàna tsara tarehy i Maraoka – Mazàna, voasoritsoritr'ireo mpanoratra, amin'ny fomba mihaja hoe “sampanan-dàlana ihaonan'ny Atsinanana sy ny Andrefana” izy, na “sady ntaolo no maoderna ihany koa.” Na dia hitako ho mankaleo ahy aza ireny sary ireny, misy sasantsasany marina amin'izy ireo, ao amin'io Maraoka io ary feno ny fomba kolontsainy, izay toy ny mifanipaka ety ivelany. Izany eo ihany, tsy hitako hoe sarotra be ny miaina any, ary lasa latsa-pitia tanteraka tamin'ireo olona any aho.

GV: Misy zavatra hafa tianao ampiana ve?

Mahatalanjona ny fahitana ny Global Voices tonga amin'izao misy azy izao. Tsy teo hatrany am-boalohany aho—araka ny voalazako, tamin'ny 2007 aho no nanatevin-daharana—fa na dia fito taona taty aoriana aza, mbola ilay fikambanana miray fo ihany isika na dia eo ny fitombana be.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.