Ireo Saribakoly Vaventy Hetsehan-tànana No Manokatra Ny Adihevitra Momba Ny Olana Sosialy Ao Mozambika

Foto: Afribuku (usada com permissão)

Sary navoakan'ny tranonkala Afribuku (fampiasàna nahazoana alàlana)

Mibodo ireo toerana natao ho an'ny daholobe amin'ny alàlan'ireo saribakoly vaventy izay mahatonga anao hiasa saina momba ireo olana sosialy faran'izay lalim-pàka mikasika ny fiarahamonina mozambikana: io tanjona io no nentin'ireo tanora artista nivondrona hanangana ny fikambanana ara-kolontsina Marionetas Gigantes de Moçambique.

Ilay tetikasa, nafantoka amin'ny fanaovana fampisehoana eny an'arabe sy ny famoronana ireo loha, saron-tava ary saribakoly vaventy, dia teraka avy amin'ilay hetsika “Fanomezan-danja eo an-toerana sy erantany ny fomba fanao artistikan'i Mozambika sy Guinée-Bissau” nampahafantarin'ny Centro Cultural Franco-Moçambicano (CCFM) tamin'ny 2011, niaraka tamin'ny fanohanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Aingam-panahy azo avy amin'ny asa novokarin'ny kaompania Les Grandes Personnes, avy any Frantsa sy ny zana-tsampany ao Borkinà Faso, Boromo, ary ny The Giant Match Association, ao Afrika Atsimo no hevitra niaingàna.

Ny taona niforonany ilay tetikasa dia efa nahavondrona mpanakanto niisa 40 tao Mozambika , Guinée-Bissau, Frantsa sy Afrika Atsimo, nandritry ny atrikasa artistika iray noraketina ho an'ilay fanadihadiana “Gigantes na Rua“, notontosain'i Sérgio Libilo ary natomboka tamin'ny Martsa 2012:

Ny atrikasa voalohany ho famoronana, fanofànana ary fifanakalozana amin'ny reska fanamboarana saron-tava sy saribakoly vaventy hetsehan-tànana dia niteraka fampisehoana iray an'arabe nomena anarana hoe “O bazar e as suas…” izay niseho voalohany tany akaikin'ireo tsena roa be olona indrindra ao an-tànanan'i Maputo, tamin'ny Desambra 2011:

[Ny seho “O bazar e as suas…”] izay nampiasa ny fiainana andavanandron'ny olona eny an-tsena mba hiresahana fitiavana, olana andavananandro ary ny fikorontanan'ny firindram-piarahamonina amin'izao fotoana izao, toy ny kolikoly, ny tsy fisian'ny fandraisana an-tànana ireo sembana, ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny tsy fahazoana ireo filàna fototra ilaina isanandro. 

Marionetas gigantes escalaram a Cidade de Maputo [retirada do blog Afribuku]

Niato kely tao Maputo ireo saribakoly vaventy hetsehan-tànana. Sary nalaina tao amin'ny tranonkala  Afribuku (fampiasàna nahazoana alàlana)

Ny fanehoana ireo “olana sosialy mampiasa saina ny Mozambikana” no azo lazaina fa fototra ijoroan'ilay dingana famoronana ny “Os gigantes e cabeçudos de Moçambique“, araka ny anazavàn'i Alejandro de los Santos azy ao anatin'ny lahatsoratra iray navoaka ao amin'ny  Afribuku (tranonkala amin'ny fiteny “castillane” natokana ho an'ireo kolontsaina afrikana manaraka ny vanim-potoana maoderina).

Atomboky ny mpanoratra amin'ny famaritana ny sehatra ara-tantaran'ireo filatroana amin'ny karnivaly ao Mozambika hatrany amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany, ary anomezany antsipirihany mikasika ny tena fiantraikan'ny asan'ireo saribakoly vaventy amin'izao fotoana izao eo amin'ny lafiny sosialy, amin'ny fanoritsoritana ny sasany amin'ireo endrika ampandraisina anjara noforonin'ilay fikambanana:

La corrupción, la marginación de los discapacitados o la pobreza son cuestiones que destacaron los participantes. Dentro de ese imaginario, los artistas montaron la estructura inicial con barras de metal y material reciclado como botellas de plástico. (…) De todo ese proceso nacieron unos protagonistas que representan el universo social del Mozambique actual: Moisés el corrupto, Mpili la vendedora, Antonio Mazanga el policía, Alzira la adolescente, Madalena la clienta rica, Nyankuav la curandera, Papaito el deficiente y Zaida la cliente pobre. Todos ellos son perfectamente identificables por cualquier persona que conozca la realidad del país. Ninguno es ajeno al complejo entramado de tensiones de poder que se corresponden con las principales dificultades cotidianas que reinan en el país desde poco después de su independencia.

Ny kolikoly, ny fanaovana ho an-jorom-bàla ireo olona sembana na ny fahantràna no olana navoitran'ireo mpandray anjara. Ao anatin'ity asa famoronan'ny saina ity, tamin'ny alàlan'ny tsato-by sy fitaovana azy averina ampiasaina toy ny tavoahangy plastika no nanaovan'ireo mpanakanto ny lasitra voalohany niaingàna .(…) Avy amin'io dingana io no nahaterahan'ireo endrika nampandraisina anjara, izay misolo tena ny tontolo sosialy misy ankehitriny ao Mozambika : Moisés, ilay mpanao kolikoly, Mpili ilay mpivarotra, Antonio Mazanga, ilay polisy,  Alzira ilay tovovavy, Madalena, ilay vehivavy mpanankarena mitàna toeran'ny mpanjifa, Nyankuav, ilay mpanasitrana, Papaito, ilay sembana, ary Zaida, ilay mahantra mpanjifa. Mora fantarina izy ireo ho an'izay tena mahalàla tsara ny zava-misy eto amin'ny firenena. Tsy misy olona mitoetra ivelan'ny rafitra saro-bahan'ny fifanenjanana ara-pahefàna, izay mifandray amin'ireo olana fototra isanandro manjaka eto amin'ny firenena taoriana kelin'ny nahazoana ny fahaleovantena.  

 

Tamin'ny 2012, nandalo tany amin'ireo tanàna mozambikana hafa ireo saribakoly vaventy, toa an'i Marracuene sy Inhambane, ary koa tany amin'ireo fetibe toy ny Marrabenta, Artes de Rua ary ny AZGO, tany Maputo, ary ny MTN Bushfire tany Swaziland. Ny taona 2013, nanitsaka voalohany indrindra ny tany Portiogey ry zareo, ho fankalazàna ny Bienal Internacional de Marionetas tao Évora (Fetibe isaky ny roa taona ho an'ireo saribakoly hetsehan-tànana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.