Fifandonana Henjana Teo Amin'ny Polisin'i Hong Kong Sy Ireo Mpianatra Nanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana

More protesters arrived and they were gathered in front of the government headquarter. Photo from inmediahk.net

Betsaka ireo mpanao hetsi-panoherana no tonga ary nifamory teo anoloan'ny foiben'ny governemanta. Sary avy amin'ny inmediahk.net

Anjatony ireo polisy mpandrava korontana no nampiasa fitsifotra misy tsiperifery sy kibay mba hanaparitahana ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana am-pilaminana tao amin'ny Civic Square ao Hong Kong vao maraina be ny Alahady 27 Septambra. Manodidina ny 75 eo ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra.

Tamin'ny herinandro lasa iny, an'arivony ireo mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo sy lisea maro no nanao ankivy ny fampianarana, nifamory tao amin'ny Kianja Tamar mba hitaky ny hanokafan'i Leung Chung Ying, tale mpanatanteraka ao Hng Kong, fifanakalozan-dresaka amin'ny daholobe mikasika ny fanavaozana ny resaka fifidianana.

Ny arofenitra ao Beijing napetraky ny Kaomity mpisolo toerana ao amin'ny Kaongresim-Pirenen'ny Vahoaka dia mitaky amin'ireo mpirotsaka ho mpitantana ambony ao Hong Kong, filoha mpanatanteraka, mba hahazo ny ampahany be indrindra amin'ny fanohanan'ny kaomity mpanendry, alohan'ny hihazakazahana haka toerana. Ity fotokevitra vaovao ity, izay miantoka ny haha-mpomba an'ì Beijing ireo hirotsaka hofidiana ho filoha mpanatanteraka, dia tsy mahazo ny fanohanan'ny maro ao Hong Kong. Leung, ao anatin'ny tsy fahalalàny ny hevitry ny vahoaka, dia nisisika nanamafy fa ny arofenitra avy ao Beijing dia mitazona an'i Hong Kong ho ao anatin'ny làlana mankany amin'ny fandrosoana ara-demokratika. Nolaviny ny hifanatri-tava mivantana amin'ireo mpianatra manao hetsi-panoherana, amin'ny fiampangàna azy ireo ho “tsy mahay mandinika”.

Tamin'ny herinandro lasa, betsaka ny andrana tsy nahomby nataon'ireo mpanao hetsi-panoherana mba hanerena an'i Leung hiditra amin'ny firesahana amin'ny rehetra. Ny 26 Septambra, vondrona iray mpomba an'i Beijing no namandrika ny kianja Tamar mba hanaovana hetsika hafa. Tamin'ny 10 ora 30 min alina, nanapa-kevitra ireo mpianatra mpanao hetsi-panoherana fa hanisaka ny hetsik'izy ireo eo amin'ny kianja Citizen Square manoloana ny tranoben'ny governemanta, izay voatondro ho kianja ho an'ny daholobe saingy nohodidinina sakana nanomboka ny Jona lasa teo.

Manodidina ny 200 ireo mpianatra niezaka ny hiditra tamin'ireo sakana ka hiditra ao amin'ny Civic Square, saingy nosakanan'ny polisy ny ambin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Satria niezaka niditra tao an-kianja hanenjika ireo mpianatra tao anaty kianja ireo polisy mpandrava korontana, nanangana ny tànany ireo hafa (hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo) ary nanao ampinga olombelona hanakanana ireto manampahefan'ny polisy. Nipoaka ny fifandonana tamin'ny toerana samihafa, ary niafara tamin'ny fandefasan'ny polisy ny fitsifotra misy tsiperifery hamelezana ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana. Hatreto dia manodidina ny 13 ireo mpitarika ny mpianatra ary 61 ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra.

Namoaka lahatsary iray momba ilay fifandonana ny Hong Kong Apple Daily :

Norohizana rojo vy i Joshua Wong, 17 taona mpitarika ny mpianatry ny lisea avy ao amin'ny vondrona mpikatroka mafàna fo antsoina hoe  “Scholarism,” tamin'ny nisamborana azy. Nampangaina ho nandray anjara taminà fihetsiketsehana tsy nahazoana alàlana izy, nanakorontana ny filaminam-bahoaka ary niditra nanao amboletra tamin'ny tranon'ny governemanta. Nolavin'ny polisy ny fangatahana famotsorana azy amin'ny alalan'ny fandoavana onitra.

Protesters formed human shields and raised their hands to show that they were peaceful. But the police still pepper sprayed at them.

Nanao ampinga olombelona sy nanangana ny tànany ireo mpanao hetsi-panoherana hanehoany fa milamina izy ireo. Saingy notohizan'ny polisy ny fandefasana tsifotra tsiperifery tany amin-dry zareo. Sary avy amin'ny  inmediahk.net

Tsy ela taorian'ny niparitahan'ny vaovao momba ireny fifandonana ireny tety anaty media sosialy, marobe ny olona no nihazakazaka nankeny an-toerana tamin'ny misasakalina mba hanatevina laharana ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana. Hinhope, mpampianatra ao an-toerana, dia isan'ny iray amin'ireo tonga farany. Rehefa nanoratra tety anaty aterineto, nosoritsoritany izay hitan'ny masony nandritry ny alina :

1. 學生和市民在受傷:現場唯一可見的暴力與有人受傷,是警察用警棍攻擊只原地停留的學生和市民,以及警察持續不斷地用胡椒噴霧讓年輕人面部嚴重受傷。
2. 雨傘和水:因此,在現場的話,會見到不斷有後排的學生和市民,將雨傘和一瓶瓶的水傳到跟警察距離最近的人群;雨傘是為了減低胡椒噴霧射出時的傷害,而水是為了緩和痛苦。[…]
3. 舉高雙手:在場的學生和市民經常全體舉高雙手,以示大家手無吋鐵,且不會作任何行動——大家只是要站在原位,僅僅讓身體停留在那位置,以示爭民主的決心。僅僅站著,舉高雙手。但胡椒噴霧還是會一陣陣地向學生們射去。[…]
9. 人鍊、耐性:守在公民廣場入口那條路上,七到八排學生組成的人鍊陣,堅定不移,手勾手,就站在那兒,站了一整晚。他們的眼神,透視出非一般的耐性 […] 大多是年輕的女孩子。

1. Naratra ny mpianatra sy ny olon-tsotra: Ny hany herisetra natrehako maso dia avy amin'ny polisy. Nampiasa kibay ny sasany tamin'ny polisy mba hidarohana ireo mpianatra sy olon-tsotra izay tsy nanao afa-tsy ny nitsangana teny akaiky teny. Nasian'ny polisy tamin'ny tsifotra tsiperifery ihany koa ny tavan'ireo tanora mpanao hetsi-panoherana ary tena nahavoa mafy an'ireto farany.
2. Elo sy rano: Hitanao avy aty aoriana ireo mpianatra sy olona mifanolotolotra elo sy rano ho an'ireo any aloha indrindra akaikin'ny polisy. Ny elo hanakanana ny tsifotra tsiperifery, ary ny rano hanasàna ny tarehy sy hampihenàna ny hirifiry. […]
3. Tànana mitsangana: Nanangana ny tànany ireo mpianatra sy olon-tsotra hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo ary tsy hamaly bontana — nitsangana teo fotsiny ny olona ary nibodo ny toerana malalaka tamin'ny vatany mba hanehoany ny fahavononany hiady hisian'ny demôkrasia. Saingy mbola niharan'ny tsifotra tsiperifery ihany ry zareo […]
9. Ampinga olombelona sy faharetana: teny amin'ilay arabe mitondra mankao amin'ny Civic Square, nifampitantana nanao tohivakana ireo mpianatra. Nitsangana teo fotsiny ry zareo nandritry ny alina manontolo. Afaka nahita ny faharetany teny amin'ny mason'izy ireo ianao […] tovovavy ny ankamaroan'ireo nijoro teny aloha indrindra.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Ng Cheuk Hang, mpanangom-baovaon'ny sehatra fampahalalam-baovaon'olon-tsotra inmediahk.net, fa tsy mbola nahita velively fitondrantena feno herisetra nataon'ny polisy tahaka izao izy. Ampaham-potoana maro samihafa tamin'ireny fanatsiforana tsiperifery nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireny no voarakiny sy ireo mpanao gazety hafa ho anaty lahatsary :

A photo taken by Ng Cheuk Hang when he among other photo-journalists were cornered and pepper-sprayed at.

Sary iray azon'i Ng Cheuk Hang fony izy sy ireo mpanao gazety niaraka taminy voahodidina sy voatsifotra tsiperifery.

今晨受傷的過程是這樣的,先被防暴警察用盾牌拍打背包,然後向我直射胡椒噴霧,第一下尚可忍受,可是防暴警察再用盾牌逼我和前面的攝記和示威者埋牆,差點就人踩人,然後再向我們噴射多次胡椒噴霧,這時已經完全忍不了痛。
經過現場醫護人員醫治後已無事,但今次有同學被打得頭破血流,也有同學被推倒後再被警察拖行。這是我見過香港最暴力的一次鎮壓行動,面對學生,真的需要用到防暴警察嗎?
真的很痛,由心裡痛出來的痛。

Toy izao ny toe-draharaha io maraina io: nampiasa ny ampingany ireo polisy mpandrava korontana mba hikapohana ny kitapo fibabiko ary nanatsifotra tsiperifery taty amin'ny tarehiko. Aritro ihany ny tsifotra voalohany, saingy mbola nanao amboletra ihany ny polisy hamaky rindrina iray nahitàna ireo mpanao gazety hafa sy ireo mpanao hetsi-panoherana nijoro teo alohako. Azo lazaina ho voahosy mihitsy aho, ary avy eo voatsifotsifotra tsiperifery. Tsy tanty intsony ny hirifiry.

Rehefa avy nokarakarain'ny andianà mpitsabo, dia mba nahazoazo aina aho. Fa mpianatra iray hafa no voa tany amin'ny lohany ary nivoa-drà be. Mpianatra iray hafa no nianjera ary nitaritarihan'ny polisy tamin'ny tany. Io no isan'ny famoretana henjana indrindra hitako taty Hong Kong. Tena ilain'ny governemanta marina tokoa va re ny miantso ny polisy mpandrava korontana mba hamaly ny mpianatra?

Difotry ny alahelo ny foko.

Police sealed off the civic square and took action to arrest 61 protesters in the afternoon on 27 September 2014. Photo from inmediahk.net's Facebook.

Nohodidinin'ny polisy ny kianja Civic Square ary nisambotra 61 tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ry zareo  ny tolakandron'ny 27 Septambra 2014. Sary avy amin'ny Facebook an'ny inmediahk.net.

Nandritra izany, niangavy ireo mpampianatra i Hinhope mba hitokona ary hijoro ho an'ny mpianany amin'ny herinandro ho avy:

學生在帶頭行動、而受暴力對待了,老師和相關機構們,是否應考慮宣布星期一起全面罷課,聲援學生?預備佔中的人們,是否不應再等,立時與疲勞受苦的學生站在一起。

Teny amin'ny lohalaharana, niatrika ny herisetra ireo mpianatra. Amin'ny Alatsinainy (29 Sept),  tsy tokony hitokona miaraka amin'ny mpianatra ve ny mpampianatra sy ireo rehetra mifandray amin'ny resaka fampianarana? Tsy tokony hiomana aminà fitorevahana faobe ve isika, hiaraka amin'ireo mpianatsika?

Thousands of protesters were still gathering in front of the government headquarter late at night on 27 of September. Photo from Facebook user Fernando Cheung.

Mbola marobe ireo mpanao fihetsiketsehana tonga tafangona teo anoloan'ny foiben'ny governemanta ny alin'ny 27 Septambra. Sary avy amin'ny Facebook an'i Fernando Cheung.

Mety ho nahasambotra ampolony tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny Civic Square ny polisy, saingy mbola marobe ireo mpanao fihetsiketsehana tonga nanatevina sy nibodo ny arabe teo anoloan'ny foiben'ny governemanta.

Vondrona sivily maro no nanameloka ny fampiasana hery tafahoatra nataon'ny mpitandro filaminana. Efa alimbe ny 27 Septambra, mbola an'arivony ireo olona tafangona ao anoloan'ny tranoben'ny governemanta ao amin'ny Civic Square nanao hetsika fanoherana ny herisetran'ny polisy sy nitaky ny hamotsorana ireo mpanao hetsi-panoherana voasambotra.

Nambaran'ny polisy fa tsy ara-dalàna ilay famoriam-bahoaka ny alin'iny ary niantso ireo olona marobe izy ireo mba hiparitaka. Marobe tsy tambo ho isaina ireo polisy mpandrava korontana tonga teny an-toerana, nijoro teny sy efa vonona ny hanaparitaka ny olona, raha vantany vao omena baiko hanao izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.