Elo Maroloko No Nandravahan'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohana Ny Demaokrasia Ny Tao Afovoan'i Hong Kong

Protesters used umbrellas to shield tear gas. Photo from Facebook group: Hong Kong Demo Now,

Mampiasa elo hiarovan'izy ireo tena amin'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary nalain'i PH Yang.

Azo ampiasaina ho fitaovana hitolomana ho amin'ny demaokrasia ve ny elo? Eny indrindra. Ao Hong Kong, mitaky fifidianana madio demaokratika ireo mpanao fihetsiketsehana milamina mampiasa elo mba hiarovan'izy ireo tena amin'ny tifitra sakay sy ny baomba mandatsa-dranomaso; ary mba tsy ho lena rehefa mitifitra tafondron-drano ny polisy.

Mampiseho mpanao fihetsiketsehana marobe milanja elo amin'ny loko isan-karazany ny sit-in goavana notontosaina teo akaikin'ny foiben'ny governemanta tamin'ny 28 Septambra, izay mifangarika tanteraka amin'ny lokon'ny fanamian'ny polisy misahana ny rotaka, ny sary mahery vaika nalaina nandritra izany fotoana izany.

Carol Chan designed the poster for the "umbrella movement" in Hong Kong.

Nanao sarin'ny afisin'ny “hetsiky ny elo” ao Hong Kong i Carol Chan. Hoy ny soratra “manana hetsika tanamasoandro i Taiwan, hetsika elobe kosa ny ao Hong Kong”.

Nomen'ny fampahalalam-baovao vahiny anarana hoe “revolision'ny elo” ny fihetsiketsehana milamina. Nahitsin'ny vondrona Facebook “Hong Kong Democracy Now [Demaokrasia ao Hong Kong izao dieny izao]” hoe  “Umbrella Movement [Hetsiky ny Elo]” ilay lohateny ary nanoratra fanazavana mikasika izany izy ireo:

Foreign media has titled this movement the “Umbrella Revolution.” This is hardly a revolution. “Umbrella Movement” is a more suitable title in this context.

The only “weapons” we have, at most, are the umbrellas we always carry in our bags for the unpredictable weather. Hongkongers wish for nothing but stability. However, as much as we cannot see through the cloudy skies, we do not wish to be stormed upon.

“Umbrella Movement” represents a mellow but determined campaign: In the face of gale and storm, we will never back down!

Nomen'ny fampahalalam-baovao vahiny lohateny hoe “Revolision'ny Elo” ny hetsika. Tsy revolisiona mihitsy ity. “Hetsiky ny Elo” no lohateny mifanaraka kokoa amin'ity toe-javatra ity.

Ny “fitaovana” tokana eo am-pelatananay, amin'ny ankamaroany, dia ny elo izay hoentinay matetika ao anaty poketrakanay amin'ny toetr'andro mivadibadika hatrany. Tsy mitady afa-tsy toe-draharaha mitombina ny vahoakan'i Hong Kong. Na dia izany aza, tahaka ny tsy ahafahantsika mijery amin'ny alalan'ny lanitra mandrahona, tsy maniry ny ho tratran'ny tsy ampoizina izahay.

Maneho hetsika malefaka saingy vonona hatramin'ny farany ny “Hetsiky ny Elo”: Miatrika tafio-drivotra sy ny oram-baratra, tsy hiala mihitsy izahay !

Mitaky an'i Beijing mba hanaisotra ny rafitra napetrany amin'ny fifidianana ny mpitarika faratampon'i Hong Kong, antsoina hoe lehiben'ny mpanatanteraka ny sit-in antsoina hoe Occupy Central (Bodoy ny Central). Takian'izany rafitra izany amin'ireo kandidà mikasa hifaninana ny hahazoany ny fanohanan'ny maro an'isa avy amin'ny komity mpanendry feno mpomba an'i Beijing (izany hoe ny Antoko Kaomonista manohana ny Shinoa). Nihitatra tao amin'ny distrikan'ny tetibola ao Admiralty hatrany amin'ny distrikan'ny varotra ao Causeway Bay sy Mongkok ny fihetsiketsehana. Nanjary nitohana ny fifamoivozana tao amin'ny nosy Hong Kong nandritra ny tontolon'ny andron'ny 29 Septambra.

Namoaka matoan-dahatsoratra momba ny Occupy Central, izay nanomboka tamin'ny 28 Septambra ny Global Times, feon'i Beijing, ary miampanga ny hetsika ho manimba ny endrik'i Hong Kong. Manimba tokoa ny endriky ny tanàna ve ny elo noho ny polisy mitam-piadiana milanja tafondro goavan'ny baomba mandatsa-dranomaso?

Screen capture from local Television - TVB.

Pikan-tsary tao amin'ny fahitaliavitra ao an-toerana – TVB.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.