Argentina: Fankalazana ny faha-roanjato taona amin'ny aterineto

Nankalaza ny faha-200 taonan'ny fiandohan'ny fanasarahana azy tamin'i Espana i Argentina, nanomboka ny May 25, 1810. Tamin'io fotoana io, komity iray tao an-toerana no nanapa-kevitra ny hanongana ny mpanjaka lefitra Espaniola ary hanomboka ny fananganana Governemanta mahaleotena. Isan'ny ao anatin'ity fankalazana ity, eo anelanelan'ny 21-25 May, dia hisy fihetsiketsehana maro, tranoheva avy amin'ireo faritany maro any Argentina, fampisehoana, ary ny fanokafana indray ny Teatra Colón Theater. Analinaliny ireo olona mandray anjara amin'ireo fihetsiketsehana, izay hatao hatramin'ny Talata ho avy  izao izay hifamotoanan'ireo olona marobe eo amin'ny kianjan'ny 9 Jolay eo akaikin'ny Obelisk -n'ny renivohitra, Buenos Aires.

Sarin'ny Obelisk any Buenos Aires avy amin'i nscap ary nampiasana ny Creative Commons license.

Mba handrakofana ireo hetsika ampiasàna ireo fitaovana amin'ny alàlan'ny aterineto, dia nanokatra tranonkala, Tu Bicentenario [es] (Your Bicentennial) ny fikambanana mpitoraka blaogy iray, izay nanakambanan'izy ireo tolotra maromaro amin'ny aterineto samihafa hanamboarana fandrakofana mivantana, amin'ny teny fototra #bicentenarioarg [es]. Ao amin'ity fanadihadihana fohy ity, Vanina Berghella [es], Nicolás Piccoli, ary Alvaro Liuzzi [es] dia niresaka mikasika ny tanjon'ity tetikasa ity.

Global Voices: Inona ireo mety tsy hampitovy ny fanaovana tatitra ataon'ny Tu Bicentenario raha ampitahaina amin'ny ataon'ny media tranainy? Nitady fanampiana tany amin'ny “media sosialy” ihany koa izy ireo.

Marina izany, hanomboka hampiasa ireny fitaovana ireny ny haino aman-jery amin'ity taona ity, kanefa tsy izany no tena hifotorany, fa fanampiny fotsiny. Ny hevitray dia ny hanakaiky mpampiasa mahay kokoa momba ny Web sy ireo fitaovana amin'ny “media sosialy”. Hifantoka amin'ireo izay liana “eo noho eo” sy mandinika ireo antsipiriany izahay.

GV: Inona ireo tena olana tamin'ny fampidirana fitaovana maro toy izany? Karazana fifaninanana inona no nosafidianareo? Inona no zavatra tsy misy ao amin'io tranonkala io ka tianao hampiana?

Ny fifaninanana voalohany dia ny fieritreretana sy fanaovana sarisary ny mety ho endriky ny pejy fandraisan'ilay tranonkala. Ilainay ho hita daholo ireo rindram-baiko rehetra, amin'izay afaka mitsidika ireo rindram-baiko tiany ho jerena daholo ireo mpampiasa aterineto. Nanam-bitana izahay tamin'ny fahatokisana ny mpandraharaha fifandraisana Genes izay liana amin'ity tetik'asa ity ary nanampy tamin'ny fivoarana sy ny fampidirana ireo fitaovana rehetra. Tena niasa tsara tamin'ireo rindram-baiko rehetra nofidiana (Facebook, Twitter, Vimeo, YouTube, Flickr ary WordPress) izy ireo.

GV: Karazana fandrakofana inona no eritreretinao ho an'ny 24 sy 25 May?

Manomboka ny Sabotsy 22 ka hatramin'ny 25 ny fanaovana tatitra manodidina ireo fankalazana. Feno hetsika sy fandaharana ny fandaharam-potoana [es], izay no mahatonga ny hevitray hampizara ireo sokajy fanaovana tatitra sy ireo fandaharam-potoana. Ny Twitter sy ny Facebook no tena ampiasainay avy any. Ny hevitray dia ny haka tombony amin'ireo ridram-baiko amin'ny finday sy hizara izay hitanay avy amin'ireo toerana hisy anay.

GV: Rehefa vita ny fankalazana ny faha-roanjato taona, dia manana zavatra eritreretina ny amin'ireo fitaovana rehetra voaangona ireo ve ianao? Mety ho karazana famokarana ?

Efa nanapa-kevitra izahay ny hamorona votoatin-kevitra izahay mandritra ity taonan'ny faha-roanjato taona ity. Hisy ireo lanonana sy fahatsiarovana maro hafa ary mino izahay fa mendrika ny hitohy ity tetikasa ity.

GV: Fankalazana ny faha roanjato taonan'ny Fahaleovantenan'ireo firenena maro any Amerika Latina ity taona ity. Mahafantatra fankalazana sahala amin'ity koa ve ianao any amin'ireo firenena hafa?

Tsy nahita tetikasa mitovitovy amin'ity izahay taty Amerika Latina. Somary liana kely amin'ny tetikasan'i Berlin izahay, izay mitatitra momba ny tsingerintaonan'ny nianjeran'ilay rindrina tany Berlin tamin'ny Novambra 2009.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.