Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.

An Internet cafe in Laos. Photo from Flickr user Jon Rawlinson. CC License

“Cyber” iray ao Laôsy. Sary avy any amin'ny mpampiasa Flickr: Jon Rawlinson. Lisansa CC

Nanao sonia lalàna vaovao ny Praiministra, Thongsing Thammavong, ao Laôsy, izay mametraka fanaraha-maso hentitra kokoa amin'ny Aterineto. Voasonia ny 16 Septambra 2014 lasa teo, manome vahana ny fampiasana ny aterineto am-pisainana sy ho an'ny fanarenana eny anivon'ny mpampiasa Aterineto ao Laôsy ilay lalàna vaovao.

Volana vitsivitsy izay, nanambara ireo mpiasam-panjakana tao Laôsy fa nohalalinin'izy ireo ny traikefan'ireo firenena hafa any Azia Atsimo-Antsinanana ho toy ny torolalana amin'ny fanamboarana lalàna ho an'ny Aterineto, izay vinavinain'izy ireo hampiharina amin'ity taona ity. Nosafidian'izy ireo ho maodely amin'ny fanamboarana lalàna ho an'ny Aterineto ao Lôsy ireo lalàna henjana mamepetra ny “cyber” ao Myanmar sy Vietnam. Raha ny voatatitra, nijery ny fomba ampiasain'i Sina hanarahana maso ny Aterineto ihany koa ireo mpiasam-panjakana ao Laos.

Araka ny nandrasana, lalàna izay milaza ho manohana ny firoboroboan'ny Aterineto no vokatra azo, kanefa raha ny marina, misy fanapahan-kevitra maro mifanohitra ilay izy, izay manohintohina ny fahafahana miteny sy ny zo hafa an'ny vahoaka .

Mety tsy dia hiadian'ireo mponina ao Laôsy hevitra loatra ireo fehezan-dalàna izay manaiky ny zon'ireo mampiasa Aterineto hànana fiainana manokana, fiarovana ny fanànana ara-tsaina, ary ireo fandraràna amin'ny zavatra mamoafady izay. Fa manakana ny fizaràna ireo sary izay “manohitra ireo fomba amam-panao ao Laôsy” ilay lalàna. Ity manaraka ity ny fanontaniana, iza no manapa-kevitra fa manaratsy ny lazan'i Laôsy ny sary iray mamoafady ?

Namaritra zavatra maro izay lazaina fa “asa ratsy atao amin'ny cyber” ihany koa io didim-pitondràna io, izay tsy dia mazava ary mivelatra be ny famaritana azy. Ireto avy izany:

-Fanaparitahana vaovao tsy marina momba ny Antoko Revolisioneram-Bahoaka  ao Laôsy;
– Fanaparitahana vaovao izay mandrisika ireo vahoaka hiditra amin'ny asa fampihorohoroana, famonoana olona, sy ny fikorontanana ara-tsôsialy;
-Fanohanana ireo fampielezan-kevitra aty anaty Aterineto izay mikendry handrava ny fihavanan'ireo foko sy ny firenena;
– Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro;
– Mizara fanehoankevitra misy votoaty izay tafiditra amin'ireo fandraràna voatanisa etsy ambony.

Nomena baiko ireo mpaninjara tolotra Aterineto mba tsy hanome tolotra an'ireo olona tsotra, vondrona ara-dalàna na fikambanana izay mitady hanimba ny politikan'ny Antoko sy ny governemanta.

Avy amin'ireo tantara tsara indrindra tamin'ity herinandro ity: namoaka didim-pitondràna ny governemanta ao #Laôsy mba hanarahana maso ny Aterineto  http://t.co/ebCfH4Xd6r pic.twitter.com/0Fas8PoP2A

Miankina amin'ireo torolalana ireo, toa afaka sainina ho heloka bevava izay kiana ara-drariny atao an'ireo politika sy vinavinan'asan'ny governemanta, raha toa ka mahatonga fizarazaràna, fikorontanan-tsaina, na “korontana” eo anivon'ny vahoaka ilay izy. Mora ny mahita ny fomba mety hampiasàn'ireo manam-pahefana ilay lalàna mba hanenjehana mpanao gazety, mpikatroka mafàna fo sy ireo hafa mpanakiana ny governemanta.

Mandrara ny famoronana kaonty tsy misy anarana na mampiasa solon'anarana ao amin'ny Aterineto ihany koa ilay lalàna, mba “hanamorana ny ezak'ireo manam-pahefana amin'ny fandrindràna ny Aterineto “, hono. Sarotra ho an'ny vahoaka ilay izy, izay mikatsaka ny hampiseho masoandro ireo zava-tsy manjary ao anatin'ny governemanta, amin'ny alalan'ny Aterineto .

Mieritreritra ny governemanta fa ilaina io karazana lalàna ho an'ny Aterineto io mba hisorohana an'ireo fanararaotana sy fampiasana ny Aterineto ho amin'ny zavatra ratsy,  ho toy ny banja malalaka hifampifandraisana sy hifampitsofohana. Sady manaiky ny fandraisan'ny Aterineto anjara amin'ny toekarena ao an-toerana, nampitandrina ihany koa ireo manampahefena ao Laôsy fa afaka ampiasaina hahatonga korontana ao amin'ny fiarahamonina ihany koa izy. Notanisain'izy ireo ny fanaparitahana vaovao tsy marina momba ilay loza nahazo ilay fiaramanidina “Lao Airlines” sy ny tsaho iray vao haingana momba ny fivarotana taovan'olombelona any amin'ny faritanin'i Attapeu. Tamin'ireo tranga roa ireo, tsy maintsy nanao fanambarana ofisialy mba hanazavana ny vaovao diso ny governemanta tao Laôsy.

Kanefa tany aloha, na dia teo aza ny fihoaram-pefy, nanome toky ny governemanta fa tsy hibahana ny Aterineto , noho ny fiheverany fa ilaina be amin'ny “fampivoarana sy fampiroboroboana ny indostria” eo amin'ny firenena izy. Ilay lalàna vaovao ho an'ny Aterineto anefa dia mikiky ny fandraisan'ireo mpiasam-panjakana anjara amin'ny fitazonana ny Aterineto ho misokatra sy malalaka. Manakivy ireo mpampiasa Aterineto tsy hitrandraka araka izay tratra ireo banja malalaka ao amin'ny Aterineto mba hampandraisana andraikitra ireo mpiasam-panjakana sy hanaovana fanamby amin'ireo politikam-panjakana.

Mety hanohintohina ny fivoaran’ny sehatry ny teknolojian'ny fifandraisana (IT) ihany koa ilay lalàna. Tamin'ny 2011, tsy nisy afa-tsy 60.000 no nampiasa ny Facebook tao Laôsy. Amin'izao, maherin'ny 0,5 tapitrisa ny vahoaka ao Laôsy no mampiasa ilay tranonkalan-tambajotra sôsialy malaza indrindra. Araka ireo tatitry ny gazety, ankehitriny dia orinasa dimy momba ny fifandraisan-davitra, fito manome tolotra aterineto fito ary magazay 900 eo ho eo momba ny solosaina no misy ao amin'ny firenena. Amin'izao fotoana izao, lalàna iray manome tosika ho an'io indostria io no ilain'i Laôsy, fa tsy zavatra manasazy amin'ny tsy ara-drariny ireo kiana, mpitolona, sy ireo olon-tsotra mampiasa Aterineto .

Mampalahelo fa nilahatra niaraka tamin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy izay mametraka lalàna maneritery ny Aterineto i Laôsy, mba hanasemporana ny tsy mitovy hevitra, hampihorohoroana ny mpanohitra, sy hanasaziana ireo mpanakiana mihitsy aza. Tsy maintsy manao izay hampivoitra azy ao amin'ny faritra i Laôsy amin'ny alalan'ny fananganana tontolo miankina amin'ireo zon'olombelona ao anatin'ny fandrindràna ny Aterineto .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.