Niady Ny Ady Maharitra Hanoherana Ny Fahantràna Tao Meksika ity Fikambanana ity

Image credit: Monica Godefroy, TECHO. Used with permission.

Nanome ny sary: Monica Godefroy, TECHO. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Toeram-ponenan'ny vahoaka mihoatra ny 119,5 tapitrisa i Meksika, araka ny angona navoakan'ny Ivontoeram-pirenena momba ny Antontanisa sy ny Jeografia. Araka ny antontanisa an'i governemanta Meksikana manokana, efa ho ny antsasaky ny vahoaka no niaina tao anaty fahantràna tamin'ny 2012, raha efa ny 13 isan-jaton'ny firenena ihany koa no miaritra fahantrana lalina.

Tarehimarika tsy dia mahasarika loatra ireo ho anà firenena iray mikendry ny hanitatra ny fifanakalozana ara-barotra malalaka miaraka amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy toa an'i Etazonia sy Kanadà. Mampanano-sarotra ny fanantenan'i Meksika ho lasa mpitarika amin'ny resaka olan'ny fampandrosoana any amin'ny faritra Amerika Latina ihany koa ny fahantràny. Ny fahantràna ankehitriny misy ao amin'ny firenena, mazava loatra, dia midika fa tsy ampy zavatra marobe ny mponina izay manampy fotsiny ihany ny lanjan'ny asan'ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny TECHO (izay midika hoe “tafo” amin'ny fiteny Espaniôla). Vondrona manohitra ny fahantràna ny TECHO izay mampiroborobo ny fampandrosoana ireo vondrom-piarahamonina any Amerika Latina sy Karaiba, amin'ny fanorenana trano sy fanomezana fanofànana asa maimaim-poana.

Na dia ao an-drenivohitry ny firenena aza, mety ho henjana be ny fahantràna Meksikàna. Tany am-piandohan'ity volana ity, nofaritan'i Luz, iray amin'ireo mpikambana mpitantana ny TECHO ny zavatra natrehan'ny masony fony izy niasa tany amin'ny faritr'i Xochimilco, toerana iray izay tsy misy ireo filàna fototra tokony hanànana andavanandro :

“Las Cruces” es un caso particular -pero no aislado- por ser una comunidad vieja que se formó hace aproximadamente 80 años en Xochimilco y al día de hoy cuenta con aproximadamente 500 familias, pero que tenga tanto tiempo no significa que esté consolidada o cuente con una buena infraestructura. Desde que sus habitantes llegaron a la zona comenzaron a organizarse para llevar servicios básicos a la comunidad y al día de hoy al menos un 15% siguen acarreando agua, no tienen electricidad y sólo 70% tienen drenaje.

Muchos de los barrios o colonias de la Ciudad de México tienen la misma antigüedad y cuentan con todos los servicios.

“Las Cruces” [Ireo tànam-bokovoko] dia tranga iray manokana, na tsy miavaka aza. Vondrom-piarahamonina tranainy izy io, napetraka tany amin'ny taona 80 lasa tany ho any tao Xochimilco, ary ankehitriny dia manana fianakaviana eo amin'ny 500 eo ho eo. Saingy ny hoe fisiana nandritra izay fotoana ela izay tsy midika fa niha-mafy orina izy na hoe nahatsangana fotodrafitrasa iray tsara. Hatramin'ny nahatongavan'ireo mponiny tao amin'ilay faritra, nanomboka nifandamina ry zareo mba hitondràna ireo filàna sy tolotra fototra andavanandro ho eo anivon'ny vondrom-piarahamoniny, ary amin'izao andro izao dia 15 isanjato raha kely no mbola mitaona/mantsaka ny rano sotroiny. Tsy misy herinaratra ary 70 isanjato monja no manana fivoahan-drano maloto.

Maro ireo vohitra mpiray vodirindrina na “colonias” [vondrom-piarahamonina] ao an-tanànan'i Meksikô no efa antitra sy manana ireo rehetra ireo.

Luz dia nizara isa sasantsasany manaitra :

El 28.4% de los habitantes de Xochimilco viven en extrema pobreza. Eso es una tercera parte de su población y me parece gravísimo. Quizás eso no suena tan alarmante, aunque no veo cómo no habría de serlo, pero para que te des una mejor idea: 16 millones de personas en México habitan en viviendas precarias, eso equivale a la población estimada de los Países Bajos, Chile o Ecuador. ¡Es la población de un país entero! y además, 7 de cada 10 personas pobres viven en las ciudades.

Miaina anaty fahantràna lalina ny valo ambiroapolo isanjaton'ny mponina ao Xochimilco. Ny ampahatelon'ny vahoaka izany, ary tahàka ny mampanahy ihany izany ho ahy. Mety tsy dia hanaitra loatra angamba io, kanefa tsy hitako ny antony tsy haha-izay azy. Mba hahatakaranao azy tsara, tsarovy fa 16 tapitrisa amin'ireo olona ao Meksika no miaina aminà toeram-ponenana tsizarizary. Mitovy amin'ny isan'ny mponina voavinavina ao Nederland, Shily, izany, na Ekoatora. Mponina eo amin'ny firenena iray manontolo io! Ankilan'izany, 7 amin'ny olona 10 mahantra no miaina any an-tanàn-dehibe.

Ireo vondrona tena marefo no ifantohan'ny TECHO, amin'ny fandrindràna ireo mponina any ho ao anatinà tetikasa “fiaraha-mientana”, izay mahazo ny fanohanan'ny TECHO mba hiteraka vahaolana handresena ny fahantràna.

Inona ireo ohatra sasantsasany amin'ny vahaolana? Ao Meksika, nampian'ny TECHO ireo fianakaviana sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hanorina trano vonjimaika maherin'ny 3.000. Fiofanana nomen'ilay fikambanana ho an'ireo olona ao an-toerana ihany koa ny resaka fandraharahana isan-karazany, ary nametraka sekoly any amin'ireo toby sasantsasany misy fianakaviana miatrika manokana toe-draharaha saropady sy tsy fisian'izay farafahakeliny enti-miaina hanoherana ny fahantràna. 

Image credit: Monica Godefroy, TECHO. Used with permission.

Sary : Monica Godefroy, TECHO. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Tamin'ny 2012, noho ireny hetsika ireny, Margarita Zavala, vadin'ny filohan'i Meksika tamin'izany fotoana, dia nankasitraka ny TECHO tamin'ny nanolorany ho azy ny fankasitrahana ambony indrindra tao amin'ny lanonana fanolorana ny Loka natokan'ny Firenena ho Fankasitrahana ny Asa An-tsitrapo sy ny Firaisankina. Ary tsy io irery no loka fankasitrahana azon'ny TECHO.

Araka ny nitateran'ny Global Voices azy tany aloha, tsy hoe fotsiny firenena miatrika fahantràna i Meksika, fa koa miaina fanavakavahana ara-sosialy. Indrindra, tsy afenina intsony ny resaka “glamour sy fanaovan-javatra tafahoatra” eny anivon'ireo olona mpanankarem-be ao Meksika.

Miaraka aminà fanamby maro be, loharanom-baovao tsara tsy fahita firy amin'ny adin'i Meksika hamongorana ny fahantràna ny asan'ny TECHO.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.