Fa Maninona Ireo Maoista Mpikatroka Mafàna Fo No Manafika Ireo Andrim-pifandraisana Finday Ao India

 

Photo courtesy of Kadir Aksoy

Sary natolotr'i Kadir Aksoy, fampiasàna nahazoana alalana

Maraina be tamin'ny 19 Septambra, voalaza fa nandoro andrim-pifandraisana finday niisa telo sy fiara iray fitaterana tao ambanivohitr'i Bihar ireo Maoista hiringiriny, any India, izay manohy ilay fironana manao lasibatra ireo andrim-pifandraisana finday. Nanomboka ny 2008 ka hatramin'ny 2013, fanafihana 245 toy izany no voarakitra. 

Taterin'ny gazety mpivoaka isanandro, The Telegraph India, fa Naksalita (Naxalites) 20 ka hatramin'ny 25, fiantso ihany koa an'ireo Maoista mpanao ady anaty akata avy amin'ny elatra farany havia, no nanao bemidina nanafika an'i Goda sy Vitiya, tanàna ao Bihar. Voalaza fananapoaka basy teo akakikin'ny tsena tao an-toerana izy ireo ho valin'ny zava-nitranga: mbola nisokatra ihany ireo fivarotana ireo na dia nisy aza  ny fitokonana 24 ora ny omalin'io. Natao io fitokonana io taorian'ny fifandonana tamin'ny 13 Septambra izay nahafaty Naksalita telo.

Ny fitroaran'ireo Naksalita na Maoista, izay ahafatesana olon-tsotra an-jatony isan-taona, dia olana saro-bahàna izay nanomboka tany amin'ny faran'ny taona 1960 sy ny fiandohàn'ny taona 1970. Nanomboka tao an-tanànan'i Naxalbari ilay hetsika Naksalita, faritra andrefan'i Bengaly, izay nitsanganan'ireo mpamboly hanohitra ireo tompon-tany manao didy jadona. Araka ny fomba fijery iray, ao amin'ny gazety “DNA India”: “Raha maka tàhaka ny fomba fisainana tsy manan-tsahalan'i Naxalbari ny hetsika Naksalita; vokatry ny hetsika tamin'ny 1967 kosa ny tolon'ny Maoista.”

Tao anatin'izay 15 taona izay, niteny ho an'ny tombotsoan'ny fihetseham-bahoaka lehibe ireo Maoista. Ireo mpamboly, ireo foko sy ireo vahoaka indizena (adivasis), no tena nifantohan'izany indrindra. Ny tanjon'ny Maoista: “haka ny fahefana politika amin'ny alalan'ny Ady Maharitra Ela (Protracted People’s War – PPW) – hetsika mitam-piadiana”, toy ny hanoritsoritan'i V. Balasubramaniyan azy ao amin'ny lahatsoratra iray ho an'ny mpanolokevitra ara-tantara sy jeografika Kanadiana “GeoPolitical Monitor”

Araka ny tatitra iray avy any amin'ny Human Rights Wach – Fijerena ny Zon'Olombelona, niteny ireo Maoista fa miaro ny zon'ireo mahantra sy ireo tena atao an-jorom-bàla ry zareo:
 

Miantso fanovàna izy ireo [Maoista], itakiana fanamboarana tanteraka ny lamina ara-tsosialy, politika ary toekarena. Mino ireo Maoista fa ny hany làlan-tokana hahazoan'ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bàla fanajàna ny zony dia ny manilika ny rafitra misy amin'izao fotoana amin'ny fanafihana mahery setra atao amin'ny fanjakàna.

Fomba fiady Maoista mitohy foana, nanomboka tamin'ny 2008, io fandoroana andrim-pifandraisana finday  io. Imbetsaka nanao lasibatra ireo andrim-pifandraisana finday hatrany izy ireo tao anatin'izay efatra taona izay, nanapoaka andrim-pifandraisana finday maherin'ny 200 tany aminà fanjakana sivy ireo Maoista, hoy i D. M. Mitra, izay tomponandraikitra fahiny tao amin'ny Ministeran'ny Atitany ary manampahaizana manokana momba ny elatra havia Indianina mpandàla ny “rehefa izay dia izay”  (extremists). Manoratra i Mitra hoe nolazain'ireo Maoista fa tamin'ny alalan'ny finday no nahafahan'ireo mpitandro filaminana nahita ny toerana misy ireo Maoista.

Ao anatin'ny lahatsoratra ho an'ny “Global ECCO” (tambajotran'ireo voavolavola fahiny tao amin'ny Fandaharanasan'ny Departemanta Amerikana Misahana ny Fiarovam-pirenena miady amin'ny  asa Fampihorohoroana, izay manohana ara-bola ny fampiofanana amin'ny fiadiana ny fampihorohoroana ho an'ireo miaramila avy amin'ny firenena hafa), antsoina hoe “Ny Tena Ilàna ny Teknolojia ao anatin'ny ady hanoherana ny Fitroaran'ny Maoista ao India”, miresaka momba ny fampiasàn'ireo Maoista (na ny tsy fisian'izany) ao anatin'ny faritra hiasan'izy ireo. Manoratra izy hoe:

Mety hamono ireo olona hitany mampiasa finday mihintsy izy ireo, amin'ny fanahiany azy ireny ho mpanome vaovao ny mpitandro filaminana.

Tamin'ny taona 2013, nampiditra ny Rafitra Foibe Fanaraha-maso (CMS) i India, izay natao mba hahafahan'ireo manampahefana mihaino ireo antso an-telefaona sy fifampiresahana, noho ny resaka fandriampahaleman'ny firenena. Manome fomba “ara-dalàna” ny governemanta ho afaka hijirika ny antso an-telefaona, hafatra fohy sy mailaka ny CMS; noheverina ho fomba iray namalian'ny governemanta ireo Fanafihana an'i Mumbai tamin'ny 2008 io, izay namonoan'ireo mpanafika mitam-piadiana olona 150.

Ny taona lasa teo ihany koa, tao anatin'ny tatitry ny Ivon-toerana Ara-tsosialy Indiana, akany ho an'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena ary ireo zo maha-olona, ambaran'ny governemanta ny tanjony hanorina andrim-pifandraisana finday any amin'ireo “toerana lavitra sy tsy afaka hidirana fehezin'ireo Maoista”, mba hitondrana fifandraisana finday ho an'ireo tanàna 987 ao Jharkhand, miaraka amin'ny andrim-pifandraisana finday 2.200 hatramin'ny faran'ny taona 2013.

Araka ny Union Ministry of Home Affairs – Sendikàn'ny Ministeran'ny Atitany (UMHA):

Tsapan'ireo Maoista ny loza mitatao ateraky ny fiasan'ny tambajotranà finday – na dia hoe kely monja aza – amin'ny fiarovan-tenany sy ny fahavelomany, ary dia tafihany tsotra izao ireo andrim-pifandraisana finday mitoka-monina , na aiza na aiza ahafahany manao izany. 

Vitsy ireo valinteny sy ireo fanehoankevitra momba azy io ety anaty Mediam-bahoaka, saingy manana pejy iombonambe ao amin'ny Facebook ny “Hetsika Naxal ao India”, ary hoy ireo valinteny ao amin'ny Twitter:

Famoretana ireo Fasista: 180 no voasambotra tany Hyderabad noho ny andrana hikarakara famoriam-bahoaka ho fanohanana ireo mpiady Maoista http://t.co/sDH8odJjAm #Inda

Niteny ny herisetra nasetry ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana tamin'ny 21 Septambra ny valinteny sasany. Nanoratra i Binalakshmi Nepram, mpanoratra sady mpikatroka mafàna fo amin'ny fanesorana ny fitaovam-piadiana, hoe:

Tsy ho adinontsika ~ Indiana 12.253 no maty noho ny “Elatra Havia mpandàla ny ‘reefa izay dia izay’ “/”Adin'ireo Maoista” nanomboka ny 1999 ka hatramin'izao fotoana izao #India #AndroIraisam-pirenenahoan'nyFandriampahalemana

Ho famaliana ny fandorana andrim-pifandraisana finday vao haingana tao Bihar, nanao bemidina iniaraka tamin'ireo mpisafo tany an-toerana ireo polisy mba ahitana ireo olona tompon'antoka tamin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.