Navotsotra Ilay Bilaogera Ejyptiana Alaa Abd El Fattah Rehefa Nandòa Onitra

Alaa Abd El Fattah and Manal Hassan. Photo by Lilian Wagdy via Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Alaa Abd El Fattah sy ny vadiny, Manal Hassan. Sary avy amin'i Lilian Wagdy tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Navotsotra omaly 15 Septambra 2015 ilay mpikatroka sady bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abd El Fattah rehefa nandoa onitra, taorian'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Kairo. Navotsotra ihany koa ireo voampanga roa niaraka taminy Mohamed Noubi sy Wael Metwally.

Izy telo ihany no nogadraina tamin'ireo voampanga 25 tsy tonga nanatrika fitsarana ary voasazy 15 taona an-tranomaizina sy mandòa onitra 100.000 livres Ejypsiana tamin'ny volana Jiona, rehefa hita fa meloka tamin'ny fanafihana manamboninahitra polisy sy nanitsakitsaka ny lalàna 2013 mifehy ny fihetsiketsehana izay mandràra ny fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana. Araka ny filazan'i Mada Masr, izay nilaza momba ny habaka Ahram Gate an'ny fanjakana, voampanga ho: “nikarakara fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana tao ivelan'ny Filankevitra Shura ao Kairo, nanafika manamboninahitra polisy, nangalatra talkie-walkie, nanao fandrobàna sy herisetra tamin'ny manamboninahitra polisy, nanakan-dalana, nibahana ny toeram-bahoaka sy nanimba fananam-panjakana izy ireo”.

Tamin'ny faran'ny volana Aogositra, nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina i Abd El Fattah, andro vitsy taorian'ny nahafatesan'ny rainy, mpisolovava malaza momba ny zon'Olombelona, Ahmed Seif El Islam.

Taorian'ny fampiakaran'ireo mpisolovavany ny raharaha teny amin'ny fitsarana ambony, namoahana raharaham-pitsarana vaovao indray i Abd El Fattah tamin'ny volana Aogositra 2014. Niala tsy nisahana ity raharaham-pitsarana ity intsony ankehitriny ny filohan'ny mpitsara taorian'ny zava-niseho tamin'ny herinandro lasa, raha nampiseho lahatsary misy an'i Manal Hassan, vadin'i Abd El Fattah mandihy ny fampanoavana. Nalaina tamin'ny solosaina finday an'i Hassan izany, izay noraofin'ny polisy nandritra ny fisamborana sy nangalàna an'i Abd El Fattah tao an-tokantranony tamin'ny volana Novambra 2013, tsy misy fifandraisana mihitsy amin'ny hetsika politika ataony ilay lahatsary. Tamin'ny fivadihan-javatra hafa androany, nanome baiko ny mpitsara mba aseho ny lehiben'ny fampanoavana ny lahatsary voalaza eo ambony ary natao fanadihadiana noho ny fanitsakitsahana ny fiainan'i Abd El Fattah manokana.

Nitatitra tamin'ireo mpanjohy azy 50K tao amin'ny Twitter ilay mpanoratra gazety Amira Howeidy:

Fitsarana vaovao an'i @alaa: tsy dia mpitranga firy izany hoe mpitsara miala amin'ny fisahanana raharaham-pitsarana izany. Ny tsy mahazatra dia ny mpitsara mitodika any amin'ny porofon'ny mpampanoa lalàna 

#pt lahatsary manokana tamin'ny solosaina findain'i @alaa – any amin'ny mpampanoa lalàna hanaovana fanadihadiana noho ny fanitsakitsahana fiainan'olona manokana

Nogadraina na natao fanadihadiana isaky ny misy filoham-pirenena Ejipsiana nifambindy i Abd El Fattah nandritra ny androm-piainany. Tamin'ny taona 2006, nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana milamina izy. Tamin'ny 2011, nigadra roa volana tany am-ponja izy, ka tsy mba nahita ny nahaterahan'ny zanany voalohany. Tamin'ny 2013, nosamborina izy ary nogadraina nandritra ny 115 andro tsy nisy fitsarana. Ary miatrika sazy 15 taona an-tranomaizina izy ankehitriny.

Ela niasàna tamin'ny sehatry ny teknolojia sy ny tetikasa fikatrohana ara-politika niaraka amin'ny vadiny antsoina hoe Manal Hassan i Abd El Fattah. Avy amin'ny fianakaviana mpiaro ny zon'olombelona malaza izy. Efa imbetsaka nogadraina ny rainy, Ahmed Seif El Islam, nandritra ny fitondran'i Hosni Moubarak. Niatrika sivana noho ny asa fikatrohan'izy ireo momba ny fitsarana ara-miaramila tao amin'ny firenena kosa ireo anabavain'i Abd El Fattah, Mona Seif ary Sanaa. Miatrika fitsarana ankehitriny i Sanaa Seif, izay voalaza ihany koa fa noho ny fanitsakitsahana ilay lalàna mampiady hevitra mifehy ny fihetsiketsehana.

Miditra amin'ny 27 andro amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Abd El Fattah, izay nolazaina fa hotohizana mandra-pamotsotra azy any am-ponja. Tsy mazava kosa raha mikasa hanohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina izy amin'izao famotsorana azy rehefa avy nandòa onitra izao.

Araka ny filazan'i Nervana Mahmoud, noho ny fitokonany tsy hihinan-kanina, sy ireo gadra hafa ary ireo mpanohana ivelan'ny fonja no nitarika izao fivadihan-javatra [famotsorana] androany izao.

Noho ny hetsika #Egyhungerstrike (fitokonana tsy hihinan-kanina) nahazo vahana tao anatin'ny fotoana fohy no nahatonga ny famotsorana ireo gadra politika ao #Egypt – fa tsy noho i kerry–.

Raha vao nivoaka ny didim-pitsarana androany, nirongatra ny fiarahabana tao amin'ny media sosialy. Saingy hoan'ny maro, mitohy ny tolona. Tao amin'ny Facebook, Aida Seif Elldawla nanoratra hoe:

مبروك الحرية لعلاء ونوبي ووائل ومبروك الفرحة لاهاليهم وحبايبهم واصحابهم ومبروك للجدعان والجدعات اللي اضربوا واعتصموا واللي لسه هيضربوا ويعتصموا لحد الكل ما يخرج

Miarahaba amin'izao famotsorana an'i Alaa, Noubi sy Wael izao ary miarahaba ireo fianakaviana, ray aman-dreny sy ny naman'izy ireo amin'izao hafalian'izy ireo izao. Miarahaba ireo lehilahy sy vehivavy mahery fo izay nanao fitokonanana tsy hihinan-kanina sy mbola hanohy hanao izany mandra-pamotsotra ireo gadra hafa.

Nanontany ny antony nahatonga ireo mpitsara marobe niala an-daharana tamin'ny raharaham-pitsarana ilay Ejypsiana Mahmoud. Hoy izy nisioka:

Nametra-pialàna ny mpitsara ny raharahan'i Alaa Abdel Fattah. Nametra-pialàna ireo mpitsara mba hiantohana ny tsy fitanilàna amin'ny raharaham-pitsarana. Famantarana mbola tsy nisy teo aloha ny isan'ireo mpitsara nametra-pialàna tsy hisahana raharaham-pitsarana fa misy ny teritery ataon'ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny didy avoakan'ny fitsarana.

Hoan'i Abdulmonen Mahmood, bilaogera mpirahalahy Miozolomana teo aloha izay nosamborina ihany koa nandritra ny fitondran'i Moubarak, sarotra hoan'ny fitsarana ny mitsara araka ny tokony izy ny raharaha Abdel Fattah. Hoy izy nisioka:

Tara loatra ny fahazoan'i Alaa ny zony, tsy mba nisy fihetsika avy amin'ny fanjakana ary tsy nisy ny fanonerana ny tsy fahatongavany tamin'ny fahafatesan'ny rainy… an'arivony ireo mbola any am-ponja miandry zo tahaka izany

Niombo-kevitra ilay ejypsiana Tamer Mowafy:

Lavitra ny lalana. Miampy ireo olona nogadraina tsy ara-drariny izay tokony navotsotra tany am-ponjan'ny tsy fahamarinana, misy ny firenena manontolo izay tokony ho afahana amin'ny fanapahan'ny mpampigadra

Mitaraina ilay Ejypsiana mpanoratra Mohamed El Dahshan:

Faly aho raha hiaraka handany ny alina miaraka amin'ny fianakaviany ny maro amin'ireo olona nampahoriana saingy malahelo kosa raha mieritreritra ny isan'ireo olona mbola any am-ponja amin'ny fomba tsy ara-drariny

Nandritra izany, bilaogera Palestiniana Abir Kopty namehy hoe:

Mahatonga antsika ho faly ao anaty vakivakin-drariny ny fitaka ataon'ny mpampahory, ary velomin'ny tsikintsika sy ny fikirizantsika ny fifaliantsika fa tsy tapitra ny tolontsika miaraka aminy ary tsy misy zavatra hahafaly antsika mandra-pahazoana ny fitsarana feno sy marina

Anisan'ny nahazo sazy lava indrindra tamin'ireo andiana famoretana atao amin'ny fahalalaham-pitenenana, famoriam-bahoaka sy fanehoan-kevitra ao amin'ny firenena ireo sazy zakain'i Abd El Fattah sy ireo 24 hafa. Mitaky amin'ny olom-pirenena ny lalàna mampiady hevitra mifehy ny fihetsiketsehana mba hahazo fahazoan-dalana avy amin'ny fanjakana alohan'ny hanatontosana fihetsiketsehana ary nampiasaina izany lalàna izany mba hanagadrana ireo mpikatroka malaza hafa, anisan'izany ilay mpiaro ny zon'olombelona mivatambatam-piteny Mahienour El-Massry, sy ny mpanorina ny Hetsika 6 Aprily Ahmed Maher. Tamin'ny volana Jiona, mpanoratra gazety telo avy ao amin'ny Al Jazeera no voasazy fito sy folo taona an-tranomaizina noho ny “famoaham-baovao diso”.

Tahaka an'i Kopty, mpiaro ny zon'olombelona maro ao Ejypta no mihevitra fa ny raharaha momba an'i Abd El Fattah sy ny hafa dia misy ambadika politika tsotra izao, ary natao hitondrana ireo mpikatroka malaza eny amin'ny fitsarana ary koa handrahonana ny hafa mba tsy hidikiditra amin'ny resaka politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.