Jalaibi.com- Eo Am-pandaminana Ny Atrikasa

Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

1150148_1443666075900697_3497493280455423858_nTaorian'ny atrikasa farany notontosainay, nivory ny ekipan'ny jalaibi.com mba hanadihady sy hanombana izay tombontsoa azon'ireo mpandray anjara tamin'izany sy ny fomba hanatsarana izany hoan'ny drafitrasa manaraka. Sombiny vitsy tamin'ireo zava-dehibe notsoahinay ireto manaraka ireto:

1) Te-handany fotoana bebe kokoa ao anatin'izany atrikasa izany ireo mpandray anjara, tapak'andro monja ny atrikasa nomaninay ary niezaka nianatra zavatra betsaka izahay tao anatin'izany adiny dimy izany.

2) Mila mametraka paikady tsara ahafahan'ireo mpandray anjara hitondra anjara biriky aorian'ny fanatrehana ny atrikasa izahay. Mbola miatrika olana izahay amin'ny fiezahana hamoaka votoaty ara-potoana ao amin'ny bilaogy.

3) Mila mikendry mpihaino maro kokoa izahay mba hanatrika ny atrikasa. Hiezaka hampiditra mpandray anjara marobe izahay, satria na dia eo aza ny fanamafisana fahatongavana sy ny fahavononana, mbola marobe ny isan'ireo tsy tonga. Hiezaka ihany koa ireo mpandray anjara marobe fa mahaliana kokoa ny fitsinjarana anaty vondrona misarasaraka mandritra ny atrikasa.

4) Mila mampiditra olona efa za-draharaha izahay amin'ny atrikasa fa natao tsirambina izany tamin'ny atrikasa voalohany.

5) Ilaina hatrany ny mampiasa pejy Facebook Jalaibi.com izay fomba hifandraisana amin'ireo mpihaino marobe. Hatramin'ny nanangananay ity pejy ity, niezaka nampiditra zava-mahaliana marobe kokoa amin'ny hetsika manerana ny firenena izahay.

Manantena izahay fa amin'ny alalan'ny fampidirana ireo fanovana ireo, hahavita hikarakara atrikasa mahomby kokoa izahay izay mety hanampy anay hahatonga ny jalaibi.com ho fahombiazana.

Maro ny hetsika ara-politika ao Pakistana amin'izao fotoana izao noho ireo fihetsiketsehana an-dalambe notontosaina tao an-drenivohitra. Nampitodika ny sain'ny ankamaroan'ireo olona kendrena sy ireo mpiserasera izany ka nifantoka tamin'ireo fihetsiketsehana milamina goavana indrindra ao Pakistana izy ireo. Satria mijanona manaja ny andraikiny amin'ny tsy firotsahana na fitsabahana amin'ny resaka politika ny jalaibi.com, dia somary sarotsarotra ihany ny manome zava-mahaliana kokoa amin'ny hetsika izay tsy miditra amin'ny sehatra politika .

Na dia izany aza, hanohy hanamafy ny tsy fidiranay amin'ny resaka politika mandritra ny atrikasa rehetra tontosainay ny ekipan'ny jalaibi.com mba hisian'ny fifampiresahana antserasera mamokatra kokoa.

Notontosaina tao Karachi tamin'ny 29 Aogositra ny atrikasa manaraka, hisy ny vaovao ho alefanay mikasika izany hetsika izany. Niasa mafy ny ekipanay mba hahazo mpampiofana sahaza hifandray amin'ireo mpandray anjara tena izy mba hampahomby ny atrikasa. Hampahafantarinay anao ny fivoaran'ny tetikasa! Mandritra izany, tsidiho azafady ny jalaibi.com ary alefaso ny fanehoan-kevitrao, na tsaratsara kokoa – bilaogy!

Tianay ho re ny hevitry ny fikambanan'ny Rising Voices mikasika an'i Pakistan. Inona no lafin-javatra tsara hitanao ao amin'ny firenenay? Ho fanampim-baovao lehibe izany ary hanampy amin'ny fanombohana ny resaka lafin-javatra tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.