Pero: ankizivavy kely mpianatra nanontany ny vadin'ny filoha amerikana momba ny fanavaozana ny fifindramonina

Ny faha 19 may lasa teo, ny vadin'ny filoham-pirenena any Etazonia, Michelle Obama sy Ramatoa Margarita Zavala, vadin'ny filohan'i Meksika, Felipe Calderon, dia nitsidika sekoly fanabeazana fototra iray tany Silver Spring any Maryland. Tao anatin'ny fitsidihana dia zazavavy kely iray 7 taona antsoina hoe Daisy, no nametraka fanontaniana tamin-dRamatoa Obama, ary azon'ny haino aman-jery an-tsary mihetsika izany. Araka ny antsipiriany navoakan'ny Washington Post, dia te hahafantatra ity zazavavy kely ity hoe nahoana no “mandroaka ireo tsy manana taratasy” ny filoha. Ramatoa Obama, niaraka tamin'ny vadin'ny filohan'i Meksika teo akaikiny, no namaly ilay zazavavy : “Izany zavatra izany no dinihanay izao, mazava ve? Hanamarinana fa afaka mipetraka aty ny olona miaraka amin'ny taratasy mazava”. Avy eo dia namaly ilay zazavavy fa ny “reniny tsy manana taratasy na inona na inona”.

Nasain'ireo mpitoraka bilaogy peroviana nilaza ny momba azy sy ny mikasika ny zavatra iainan'ny mpifindra monina hafa peroviana any Etazonia razazavavy.

Ny bilaogy Holismo Planetario en la Web [es] no niantso an'i Daisy hoe“Ny endriky ny mpifindra monina any Etazonia”:

[…], la niña de 7 años que le preguntó a la primera dama de Estados Unidos, Michelle Obama, qué se podía hacer para evitar el temor de su mamá a ser deportada al Perú por ser indocumentada, es considerada la “vocera” de más de 12 millones de inmigrantes que viven de manera ilegal en el país. Su inocente comportamiento ha despertado un interés inusitado en la prensa estadounidense por el espinoso tema.

Ilay zazavavy 7 taona, izay nanontany ny vadin'ny filoha amerikana Michelle Obama ny amin'ny azo atao hanalana ny tahotry ny reniny ho voaroaka miverina mody any Pero satria mpifindra monina tsy manana taratasy mazava, dia noheverina ho “mpitondra tenin'ireo mpifindra monina 12 tapitrisa tsy manana taratasy monina tsy ara-dalàna any amin'ity firenena ity. Niteraka zavatra tsy fahita teo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety tany Etazonia ny fihetsika tsy misy tsiny nasehon'ity zazavavy ity mikasika fanontaniana misy fandrika tahaka izao.

Ny bilaogy Libretita de Notas [es] manana fijery hafa momba ny fivelarana:

Para algunos es una heroína, para otros la hija de una pareja de peruanos que ingresaron ilegalmente a Estados Unidos y que, sin permisos de extranjería suficientes, deberán ser deportados cuanto antes. Lo cierto es que la pequeña Daisy Cuevas también ha puesto en debate una regla de oro del periodismo: aquella que señala que la identidad de los menores de edad no puede revelarse, ni siquiera cuando estos se convierten en protagonistas de la noticia.

[…]

¿Sin embargo, qué pasa cuándo la protagonista pone en aprietos a la esposa del presidente de Estados Unidos al preguntarle si es cierto que su esposo no quiere aprobar la reforma migratoria que permitiría a sus padres quedarse en Norteamérica y no ser deportación por indocumentados?

Ho an'ny olona sasany dia mahery fo razazavavy, ho an'ny hafa kosa, zanaka vavin'ny mpivady peroviana niditra antsokosoko tany Etazonia, ary tsy manana fahazoan-dalana hipetraka any, dia tsy maintsy averina mody any aminy faran'izay haingana indrindra. Ny zava-misy aloha dia ilay zazavavy kely Daisy Cuevas no niteraka ady hevitra momba ny lalàna volamenan'ny fanaovan-gazety izay milaza fa ny mikasika ny zaza tsy ampy taona dia tsy azo avoaka gazety, na dia izy ireny aza no voalaza ao amin'ny lohateny lehibe.

[…]

Na izany aza, inona no hitranga raha misy olona mametraka ny vadin'ny filoha eo amin'ny kihon-dalana tery amin'ny fanontaniana azy raha marina ny filazana fa ny vadiny dia tsy mankasitraka ny fanavaozana ny fifindra-monina mba hahafahan'ny ray aman-dreniny mipetraka any Etazonia fa tsy averina mody satria tsy manana taratasy?

Diaben'ny mpifindra monina nalefan'i Señor Adventure ary nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons .

Ao amin'ny bilaogy ABC News, dia misy fanehoan-kevitra samy hafa manohitra ny toerana misy ny ray aman-drenin'i Daisy:

PBW miteny: Amerikana aho ary anglisy ny vadiko. Tonga teto ara-dalàna izy. Heveriko fa tokony hanara-dalàna tahaka azy daholo ny mpifindra monina rehetra. Tsy mendrika izany ny ankizy kanefa izay no izy.

Kim miteny: raha jerena ny taon'ilay zaza, efa nipetraka teto nandritra ny 7 taona izany ny reniny, naninona izy no tsy nikarakara ny taratasiny?.

Jiolahimboto iray miteny: raha karamaintsika mora kely izy ireo dia tsy hankaty intsony.

Araka ny voalazan'ny DePeru.com [es], manodidina ny 3 tapitrisa eo ny peroviana any ivelany: 52% amin'ireo any Etazonia, 27% any amin'ny firenena hafa any Amerika atsimo, 13% any Eropa ary 8% any Azia. Ao amin'io vohikala io ihany no ahitana fa ny peroviana mipetraka tsy ara-dalàna any Etazonia dia miasa tsy ara-dalàna manao asa madinika.

Araka ny famintinana nataon'i Herberth Castro Infantas [es] ao amin'ny bilaoginy:

Todos esparamos que este clamor no sirva de pretexto para tomar represalias con su familia ni con los millones de indocumentados.

Irintsika rehetra fa tsy ity resaka ity no hanjary alaolana hamaliana faty ny fianakaviany hataon'ireo mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.