Miantso Vonjy Sy Mitady Fanampiana Ao Amin'ny Twitter ny Indiana Noho ny Tondra-Drano

A group of youth try to evacuate goods from a flooded house in Bemina Srinagar, Kashmir. Image by Faisal Khan. Copyright Demotix (5/9/2014)

Andian-tanora miezaka ny mamoaka entana avy ao amin'ny trano dibo-drano ao Bemina Srinagar, Kashmir. Saripikan'i Faisal Khan. Copyright Demotix (5 sept 2014)

Nitondraka tanàna kely 2600 sy nahafaty olona 150 hatramin'izao ny tondra-drano niely haingana dia haingana tao amin'ny fanjakana iray avaratra indrindra ao India antsoina hoe Jammu sy Kashmir ao amin'ny lazaina ho tondra-drano ratsy indrindra tao amin'ny faritra tao anatin'ny 50 taona.

Niteraka tondra-drano ratsy indrindra tao anatin'ny 50 taona tao amin'ny lohasahan'i Kashmir sy ny distrika sasantsasany tao amin'ny tangoron-tendrombohitr'i Himalaya ny oram-baratra nandritra izay herinandro vitsivitsy izay. Tokotokony ho ny ampahatelon'ny renivohitra Srinagar no dibo-drano ary mihoatra ny iray tapitrisa no tra-boina tao amin'ny vakim-paritra Jammu. Araka ny tati-baovao, mihoatra ny 11.000 ny sivily voavonjy hatramin'izao ary 2000 no nomena sakafo sy fialofana vonjimaika.

Miharatsy ny toe-draharaha ary manomboka mampiely ny vaovao amin'ny alalan'ny Twitter sy Facebook ny olon-tsotra mpampita vaovao. Nampiasana ny diezy Twitter tahaka ny #KashmirFloods, #KashmirFloodRelief ary #JKFloodRelief . Nikarakara ny lisitry ny mpisera Twitter manome fanampim-baovao avy eny am-potony i Raheel Khurshid lehiben'ny Twitter India misahana ny vaovao, ny politika ary ny governemanta.

Nisioka ny fijeriny i Ahsan, mpianatra ho mpanao gazety sady blaogera avy ao Kashmir:

Mivatravatra tsy misy tahaka izany ny orana ao Kashmir. Difotra ny lalana sy ny renirano. Afindra toerana amin'ny toerana azo antoka kokoa ny olona.

Bismah Malik,  mpanao gazety avy ao Srinagar, Kashmir, namoaka ny sarin'ny rano nitondraka indray :

Srinagar diboky ny rano

Mampiseho ny hery vaikan'ny riandrano ahiana hanimba ny tetezana mihantona ambonin'ny renirano Poonch ity lahatsary Facebook ity.

Nisioka ny Blaogera Zafar Iqbal :

Vahoaka mivandravandran'ny tahotra mahita ny andrin-tetezana iray nofaohin'ny rano ao srinagar.

Authint Mail, tahalam-baovao an-tserasera, nitatitra fa nantsoina hamindra fianakaviana maro voahodidina rano tsy afa-mivoaka an'i Bemina Srinagar ny tafika, ny polisy, ary ny mpamonjy voina sy ny mpamonjy tranomay. Tamin'ny 6 Septambra 2014, voatatitra ao amin'ny blaogy iray mitantara mivantana fa nampihoatra ny haavon'ny rano ao Jehlum sy ny haavon'ny riandrano hafa ny orana tsy nitsahatra ny nirotsaka nandritra ny tontolo alina tao Srinagar sy ny faritra manodidina ao Kashmir fehezin'ny fanjakana Indiana. An'arivony ireo tao amin'ny faritra no nandao ny tranony ka lasa tsy manana ny zavatra ilainy andavanandro.

Eny fa na dia ny mpanentana ao amin'ny Radio Kashmir aza dia nanambara fa mitsahatra ny raharaha isaky ny mahazo ny biraony ny rano

Reniranon'i Poonch ao Kotli ao anatin'ny heriny indrindra

Mandefa ny antsom-bonjy ao amin'ny Twitter ny olona:

Vonjeo i Masood sy ny fianakaviany 946950895, 9419449678 mila avoaka avy ao chanapora

Tsy mbola nahazo vaovao avy amin'ny raiko. Tsy afa-mivoaka ao amin'ny tranony ao HyderBinZaid, misy vaovao farany (ve?)

Misy Kashmiri mpianatra Islam mahazatra iray nandefa antso vonjy hafa:

Misy mila vonjy eo akaikin'i Rajbagh, Smokin’ Joes, akaikin'ny biraon'i Huriyyat. Tsy tafavoaka ny zaza amam-behivavy. Misy olona ve manodidina eo?

Misy mila vonjy ao KaranNagar. Biraon'ny Polisim-parintany ao Draboo mankany amin'ny hopitaly SMHS . Olona dimy no saro-toerana tsy tafavoaka.

Mangataka fanampiana sy mampiely ny resaka fialofana amin'ny Twitter ny olona:

Manokatra ny tranony ho an'ny tra-boina ao Kashmir ny namako Abrar

Raha te-hanome zavatra ianao dia antsoy na andefaso sms ireto laharana ireto 9622220996, 9906083033, 9906602289. Aza mandefa vola

Vonona sy misy sakafo ho an'olona 60. Malalaka ny fiantsoana ny 9906531234. SANAT NAGAR

Lisitry ny zavatra ilaina hanaovam-pamonjena. Antsoy ny 9796331117, 9906760308, 9906111000, 9419400180. RT azafady

Bamboo houses of Nomads submerged in flash floods on the outskirts of Jammu, India. Image by Amarjeet Singh. Copyright Demotix (5/9/2014)

Trano bararatan'ireo mponina mpirenirery tondraky ny rano ao amin'ny manodidina an'i Jammu, India. Saripikan'i Amarjeet Singh. Copyright Demotix (5/9/2014)

Nisy blaogy iray nampitondraina ny lohateny hoe #JKFloodrelief natsangana ho fanangonana ny vaovaon'ny famonjena anatin'ny tondra-drano. Mpiserasera manolo-tena manana fifandraisana amin'ny olona azo antoka any an-kianja no manangom-baovao.

Vaovao an-dalam-pivoarana. Miverena eto raha hijery ny fanampim-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.