Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana

Tamin'ny Zoma 5 Septambra 2014, namoy ny ainy tao amin'ny hopitalin'i Brisbane ilay Iraniana mpangataka fialokalofana Hamid Kehazaei taorian'ny fanapahan-kevitry ny fianakaviany mba hanaisotra ny fitazonan'aina aminy. Nambara fa «maty ny ati-dohany» rehefa niaritra aretin-drà izay aretina nahazo azy nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée.

Aostraliana maro no naneho fiombonan'alahelo sy fahatezerana, anisan'izany ny fanaovana hetsika mandrehitra labozia.

Anisan'ny nandray anjara tamin'ny hetsika fandrehetana labozia ny tao:

Sydney, New South Wales

Candlelight vigil for Iranian asylum seeker Hamid Kehazaei - Sydney Photo by Sergio Leyva Seiglie, CC Demotix (4 Sep 2014)

Hetsika mandrehitra labozia hoan'ilay Iraniana mpitady fialokalofana, Hamid Kehazaei – Sydney
Sary avy amin'i Sergio Leyva Seiglie, CC Demotix (4 Sep 2014)

Perth, Aostralia Andrefana

«Hampatsiahy antsika anie ireo labozia mirehitra manerana ny firenena fa mandresy ny fanantenana.” Hetsika mandrehitra labozia hoan'i Hamid Kehazaei #LightTheDark pic.twitter.com/l8yGTwzaWz

Adelaide, Aostralia Atsimo

Sary avy amin'ny #LightTheDark an'i #Adelaide . ping @GetUp “Tsy afaka handroaka ny aizina ny aizina, ny hazavana ihany no afaka manao izany” #MLK https://t.co/QQnZT4ytl3

Tao amin'ny rakitsary Facebook ity sary ity: #LightTheDark hoan'i Hamid Kehazaei, avy amin'ny Mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Foibe Fandraisana vahiny Dyako.

#LightTheDark for Hamid Kehazaei Courtesy: The Welcome Centre volunteer Dyako (Facebook)

#LightTheDark hoan'i Hamid Kehazaei
Sary: mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Foibe Fandraisana Vahiny Dyako (Facebook)

Naneho ny fitaintainana nozaraina tao amin'ny bilaogy The Monthly i Michaela McGuire:

What is saddest about the brain death of 24-year-old Iranian man Hamid Kehazaei is what could have saved him: a pair of shoes, or some basic medical treatment. Perhaps just a bandaid.

Ny tena mampalahelo momba ilay fahafatesana avy amin'ny atidoha nahazo ilay lehilahy Iraniana 24 taona, Hamid Kehazaei dia ny zavatra mety nahafahana nanavotra azy: kiraro roa mitovy, na fitsaboana ara-panafody fototra. Angamba bandy fitsaboana fery fotsiny.

Efa nahabe adihevitra ny fikarakarana ireo mpitady fialokalofana tonga tamin'ny alalan'ny sambo ny nandritra ny governemanta mpandala ny nentindrazana ankehitriny tarihin'i Tony Abbott sy nandritra ny Fitondran'ny Antokon'ny Mpiasa teo notarihan'i Kevin Rudd sy Julia Gillard. David Legge nisioka hoe:

Vokadratsin'ny politika henjana managadra an-tany lavitra nampiharin'i @TonyAbbottMHR & @ScottMorrisonMP ny fahafatesan'i Hamid Kehazaei. #AsylumSeekers #auspoI

Tsy mitsahatra ny mamerina ny fitakiany hatry ny ela ny Foibem-panampiana ny Mpangataka Fialokalofana :

#LightTheDark #HamidKehazaei Tsy hanadino izahay ary tsy hitsahatra raha tsy foana ny fanagadrana an-tany lavitra ireo #asylumseekers  pic.twitter.com/ogrGxwN0GN

Niaro ny fikarakarana ara-pahasalamana omena ireo gadra ao Manus ny minisitry ny Fifindra-monina Scott Morrison.

Nisy ny fanantenana hisian'ny zavatra tsara tamin'ity loza mampalahelo miseho ity:

Fahalalahan-tanana tsy misy fitaka – nanolotra ny taovany hoan'ny firenena tsy azony antsoina mandrakizay ho tanindrazany ny fianakavian'i Hamid Kehazaei  #auspol http://t.co/syV4TyJF26 @theage

Saingy toa tsy ho azo tanterahina izany noho ny aretin-drà nahazo azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.