Mampitodika Any Amin'ny Fitombon'ny Tsy Fandriampahalemana Any Bahamas Ny Namonoana Ny Sekretera Mpampita Vaovaon'ny Praiminisitra

Hand gun; image by Lisa Roe, used under a CC BY-SA 2.0 license.

Basy poleta. Sary an'i Lisa Roe, nampiasaina miaraka amin'ny lisansa CC BY-SA 2.0.

Ny 26 Aogositra, maty voatifitra i Latore Mackey, sekretera mpampita vaovaon'ny Praiministra ao Bahamas Perry Christie, raha teo ampitondrana ny fiarakodian'ny governemanta. Tamin'io fotoana io, niaraka tamin'ny mpiasa iray ary vao avy nanidy ny toeram-pandihizana izay azy i Mackey, izay tale lefitra ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Serasera ao Bahamas, masoivohom-pifandraisana ho fifaneraseran'ny governemanta sy ny vahoaka ao Bahamas.

Lehilahy efatra no voasambotra, araka ny tatitra azo momba ilay vono olona.

Tsy momba ny fahalasanan'ny namany ihany fa momba ny asa ratsy rehetra ao Bahamas amin'ny ankapobeny no noresahan'ny Praiministra Christie, tao anatin'ny fanambarana tamin'ny media.

Tohina aho, saingy mihoatra lavitra indray noho ilay namako ny fanontaniako, izao ilay fanontaniana: afaka mampitsahatra ny zava-mitranga eny an-dalambe ve isika, manana olana lehibe isika eto amin'ity firenena ity izay mifototra amin'ny hoe ahoana ny fomba hifampifamaliantsika. Satria mora ny mino fa voafaritra ny toerana misy azy, ka notifirinao aho dia notifiriko ianao, fa amin'izao fotoana izao rehefa hitanao fa mihitatra sy miparitaka any amin'ny olona tsy dia nampoizina ho tafiditra amin'izao resaka hafahafa rehetra izao izy io, izay mety niharan-doza noho ny kisendrasendra fotsiny, dia fantatrao fa manana andraikitra maro isika, dia maro tanterahana ho an'ny hoavy.

Tato ho ato, nahitàna fitomboana ny asa ratsy mahery vaika eto amin'ny firenena, miaraka amin'ny akon'ny fanafihana mitam-piadiana, fanakanan-dàlana, fanendahana sy famakiana trano. Tsy namoaka tarehimarika ofisialy momba ny tsy fandriampahalemana ny governemanta, izay tsy afa-bela amin'ny olana, nanomboka teo antenantenan'ny taona lasa. Miaraka amin'ny mponina maherin'ny 370.000, izay mipetraka any amin'ny nosy New Providence ny ankabeazany (70 isan-jato eo ho eo), asa manokana ny fiakaran'ny tahan'ny tsy fandriampahalemana

Mitombo ihany koa ny tsy fandriampahalemana mihatra amin'ireo mpizahatany na eo aza ny fandraisana andraikitra ataon'ny Hery Mpiaro ny Mpanjaka ao Bahamas hiadiana amin'ny asa ratsy. Fa ao amin'ny Weblog Bahamas, navilin'i H. Armbrister tanteraka ny tsiny ho any amin'ny varavaran'ny firenena voalohany miray vody rindrina amin'i Bahamas ary niangaviany ny Praiministra mba hiresaka momba ilay olana amin'ny filoha Amerikanina, Barack Obama:

Araka ny fahalalako, na ny iray aza tsy misy fitaovam-piadiana sy bàla vokarina na hoe atambatra aty amin'ny Nosy Bahamas-nay, na dia ao Karaiba manontolo aza, noho izany, andriamatoa, mba anokafy adihevitra miaraka amin'ny filohan'ny Etazonian'Amerika, izay firenena tena mpamokatra fitaovam-piadiana sy bàla, tsy hoe hangataka fa hanery ny Amerikanina mba hanao betsaka, betsaka kokoa mba hanidiana ireo sisintainy amin'ny fanondranana fitaovam-piadiana an-tsokosoko; fa tsy haniratsira ity firenena kelinay ity amin'ny famoahana fandraràna ny vahoaka Amerikanina tsy hivahiny aty, nefa fantatrareo tsara fa i Etazonia no fototry ny olantsika.  

Vao niseho io vono olona vao haingana io,  maro ireo mpampiasa mediam-bahoaka, toa an'i Millie Thompson no namela fiaraha-miory tao amin'ny Facebook:

Mamela ratram-po, izay Andriamanitra ihany no afaka manasitrana azy, ny fahafatesana, kanefa namela fahatsiarovana tsara be maro dia maro tsy azon'iza na iza angalarina i Latore. Mitomania, mitomania amin'ny fonao manontolo, rano voahasina ny ranomasonao, hanasitrana anao io rehefa milatsaka. Mandria any am-Paradisa ry Latore.

Nanolotra fiaraha-miory ihany koa ireo mpampiasa Twitter ary naneho ny ahiahiny momba ny asa ratsy ao Bahamas:

….Andriamanitro oo.. Manala baraka ny rà mandrika eny an'arabe.. Fafao izany ry Mpanjaka.. Mandria am-piadanana ry Latore Mackey … Lehilahy tena mampalahelo!

Tena nalahelo be aho naheno ny famonoanoam-poana an'i Latore Mackey. Mitodika mankany amin'ny fianakaviany sy ire namany akaiky ny foko. Mba handry am-piadanana anie izy

Fampahatsiarovana mampalahelo ho antsika ny vaovaon'ny fahafatesan'i Latore Mackey hoe afaka hisy ary tena hisy fiantraikany amitsika rehetra ny heloka bevava. Mila manao tsara isika amin'ny maha-firenena iray antsika.

Olona iray mpampiasa Twitter no nanontany tena momba izay antony niandrasan'ny Praiministra ny fahafatesan'ny sekretera mpampita vaovaony izay vao miresaka momba ny olan'ny heloka bevava :

Niteny ny PM taorian'ny famonoana an'i Latore Mackey. Wow 5 ny mpamono olona azontsika tao anatin'ny 24 ora roa herinandro lasa izay fa tsy namoaka feo izy.

Nampiakatra ny isan'ny famonoan'olona ao Bahamas ho 83, tamin'ity taona ity, ny famonoana an'i Mackey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.